Ohabolana 21:1-31

  • Avilin’i Jehovah ny fon’ny mpanjaka (1)

  • Ny manao ny rariny no tsara kokoa noho ny manao sorona (3)

  • Mahomby izay mazoto (5)

  • Izay tsy mihaino ny mahantra dia tsy hohenoina (13)

  • Tsy misy fahendrena mahatohitra an’i Jehovah (30)

21  Hoatran’ny renirano eo an-tanan’i Jehovah ny fon’ny mpanjaka,+ Ka aviliny hankany amin’izay tiany.+   Heverin’ny olona hoe mety daholo izay ataony,+Fa i Jehovah kosa mandinika ny fo.*+   Ny manao ny rariny sy ny hitsiny,No tian’i Jehovah kokoa noho ny manao sorona.+   Ny maso mianjonanjona* sy ny fo mirehareha no jiro manazava ny ratsy fanahy,Ary fahotana daholo izany.+   Mandamina mialoha an’izay hataony ny mazoto, ka mahomby,*+Fa hahantra kosa izay rehetra maimaika.+   Ny harena azo amin’ny lainga,Dia toy ny zavona miserana sy fandrika mahafaty.*+   Ny herisetra ataon’ny ratsy fanahy no haharingana azy,+Satria tsy mety manao ny rariny izy.   Miolakolaka ny lalan’ny olo-meloka,Fa manao izay mahitsy kosa ny olona tsy manan-tsiny.+   Aleo mipetraka eny an-joron’ny tafontrano,Toy izay miray trano amin’ny vehivavy tia ady.*+ 10  Ny ratsy foana no tian’ny ratsy fanahy,+Ary tsy mba mangoraka ny namany izy.+ 11  Ho hendry kokoa izay mbola tsy dia nahita fiainana,* rehefa sazina ny mpanesoeso,Ary hahazo fahalalana* ny hendry rehefa lasa lalin-tsaina.+ 12  Dinihin’Ilay Marina ny ankohonan’ny ratsy fanahy,Ka ataony mahita loza.+ 13  Izay manampin-tsofina tsy hihaino ny fitarainan’ny mahantra,Dia tsy hohenoina koa rehefa miantso.+ 14  Mampitony hatezerana ny fanomezana omena mangingina,+Ary mampitony an’izay tezitra be ny kolikoly atao ao amin’ny miafina.* 15  Mahafaly ny olo-marina ny manao ny rariny,+Fa maharikoriko an’izay zatra manao ratsy kosa izany. 16  Izay miala amin’ny lalan’ny fahiratan-tsaina,Dia hiala sasatra miaraka amin’ireo maty tsy mahavita na inona na inona.+ 17  Hahantra izay tia miala voly,*+Ary tsy hanan-karena izay tia divay sy menaka. 18  Ny ratsy fanahy no omena hanavotana ny olo-marina,Ary ny mpivadika no hatao solon’ny olo-marina.+ 19  Aleo mipetraka any an-tany efitra,Toy izay miray trano amin’ny vehivavy tia ady* sady kizitina.+ 20  Harena sarobidy sy menaka no hita ao an-tranon’ny hendry,+Fa ny adala kosa mandanilany* ny fananany.+ 21  Izay miezaka hanao ny marina foana sy ho be fitiavana ary tsy hivadika,Dia hahazo fiainana sy fahamarinana ary voninahitra.+ 22  Vitan’ny hendry ny mananika* ny tanànan’ny olona matanjaka,Sy mamotika ny fiarovana mafy itokisan’izy ireny.+ 23  Miaro ny tenany tsy hidi-kizoNy olona mitandrina an’izay lazain’ny vavany.+ 24  Olona mirehareha sy sahisahy ratsy ary mizahozahoNo iantsoana an’izay tsy mba mandinika fa sahisahy loatra.+ 25  Ny zavatra irin’ny kamo no hahafaty azy,Satria tsy mety miasa izy.+ 26  Mitsiriritra foana izy tontolo andro,Fa ny olo-marina kosa manome foana sady tsy kahihitra.+ 27  Efa maharikoriko ny sorona ataon’ny ratsy fanahy,+ Mainka moa raha hoe mitetika hanao ratsy izy* rehefa manolotra an’izany! 28  Ho faty ny vavolombelona mandainga,+Fa izay mihaino kosa no hahomby rehefa mijoro ho vavolombelona.* 29  Sahisahy ratsy ny ratsy fanahy,+Fa ny olona manao izay mahitsy kosa no mandeha amin’ny lalana* azo antoka.+ 30  Tsy misy fahendrena na fahaiza-mandinika na torohevitra mahatohitra an’i Jehovah.+ 31  Voaomana hampiasaina amin’ny andron’ny ady ny soavaly,+Fa avy amin’i Jehovah kosa ny famonjena.+

Fanamarihana

Na: “antony anaovany zavatra.”
Na: “miavonavona.”
Na: “mahazo tombony.”
Na mety hoe “zavona miserana ho an’izay te ho faty.”
Na: “vady mimenomenona lava.”
Na: “izay tanora fanahy.”
Na: “hahafantatra an’izay tokony hataony.”
Abt: “kolikoly eo an-tratra.”
Na: “tia fahafinaretana.”
Na: “vady mimenomenona lava.”
Abt: “mitelina.”
Na: “mandresy.”
Na: “hoe mahamenatra ny fitondran-tenany.”
Abt: “no hiteny mandrakizay.”
Na: “no manao ny lalany ho.”