Salamo 34:1-22

  • Mamonjy ny mpanompony i Jehovah

    • “Andao isika hiara-manandratra ny anarany” (3)

    • Miaro ny anjelin’i Jehovah (7)

    • “Andramo dia ho hitanao fa tsara i Jehovah” (8)

    • ‘Tsy misy tapaka ny taolany’ (20)

Nataon’i Davida, tamin’izy mody adala+ teo anatrehan’i Abimeleka ka noroahiny, ary lasa nandeha. א [Alefa] 34  Hidera an’i Jehovah foana aho;Ho eo am-bavako foana ny fiderana azy. ב [Beta]   I Jehovah no ho reharehako;+Handre an’izany ny mpandefitra ka ho faly. ג [Gimela]   Andao hiara-mankalaza an’i Jehovah amiko;+Andao isika hiara-manandratra ny anarany. ד [Daleta]   Nanontany an’i Jehovah aho, dia namaly ahy izy.+ Nanafaka ahy tamin’ny tahotro rehetra izy.+ ה [He]   Miramirana izay mitodika any aminy;Tsy ho menatra izy ireo.* ז [Zaina]   Niantso ity olo-mahantra ity, dia nohenoin’i Jehovah. Novonjeny tamin’ny fahoriany rehetra izy.+ ח [Heta]   Ny anjelin’i Jehovah mitoby manodidina an’izay rehetra matahotra Azy,+Ka mamonjy azy ireo.+ ט [Teta]   Andramo dia ho hitanao fa tsara i Jehovah;+Sambatra ny olona mialoka aminy. י [Yôda]   Matahora an’i Jehovah, ianareo olony masina rehetra,Fa tsy ory na inona na inona izay matahotra azy.+ כ [Kafa] 10  Na ny liona tanora matanjaka aza mety ho noana ihany,Fa izay mitady an’i Jehovah kosa tsy mba ho ory zava-tsoa.+ ל [Lameda] 11  Avia ianareo, ry zanako! Henoy aho;Hampianariko hatahotra an’i Jehovah+ ianareo. מ [Mema] 12  Iza aminareo no mankafy fiainana,Ka te ho sambatra sy ho ela velona?+ נ [Nona] 13  Tandremo àry ny lelanao mba tsy hilaza zava-dratsy,+Ary ny molotrao mba tsy hiteny fitaka.+ ס [Sameka] 14  Mialà amin’ny ratsy ka manaova ny tsara;+Mitadiava fihavanana ka tandrovy izany.+ ע [Aina] 15  Ny mason’i Jehovah mitsinjo ny olo-marina,+Ary ny sofiny mihaino ny antso vonjy ataon’izy ireo.+ פ [Pe] 16  Manohitra an’izay manao ratsy kosa i Jehovah,*Mba ho voafafa tsy hisy eto an-tany ny fahatsiarovana azy rehetra.+ צ [Tsade] 17  Nitaraina ny olo-marina, dia nihaino i Jehovah;+Nafahany tamin’ny fahoriany rehetra izy ireo.+ ק [Kôfa] 18  Akaiky an’izay torotoro fo* i Jehovah,+Ary mamonjy an’izay kivy.+ ר [Resa] 19  Maro ny zava-tsarotra* atrehin’ny olo-marina,+Nefa manafaka azy amin’izany rehetra izany i Jehovah.+ ש [Shina] 20  Arovany daholo ny taolany,Ka tsy misy tapaka ireny na iray aza.+ ת [Tao] 21  Ho fatin’ny loza ny ratsy fanahy;Hambara ho meloka izay mankahala ny olo-marina. 22  Manavotra ny ain’ny mpanompony i Jehovah;Tsy hisy hambara ho meloka izay mialoka aminy.+

Fanamarihana

Abt: “ny tarehin’izy ireo.”
Na: “ny tarehin’i Jehovah.”
Na: “kivy be; ketraka.”
Na: “fahoriana.”