Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ilay Sakaiza Sandoky ny Baiboly

Ilay Sakaiza Sandoky ny Baiboly

Toko Faha-3

Ilay Sakaiza Sandoky ny Baiboly

Ato amin’itỳ toko itỳ isika dia mandinika ny antony lehibe indrindra tsy etezan’ny olona maro any amin’ny tany tsy kristiana manaiky ny Baiboly ho ny Tenin’Andriamanitra. Araka ny tantara, ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana dia nihambo ho nino ny Baiboly sy ho mpiaro azy. Nampifandraisina tamin’ny sasany tamin’ireo fampahoriana naharikoriko indrindra teo amin’ny tantara anefa ireo fikambanana ara-pivavahana ao amin’ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana, nanomboka tamin’ireo Kroazada sy pogroms (vonoana olona tamba-be) tamin’ny Moyen Âge ka hatramin’ny Holocauste tamin’izao androntsika izao. Moa ve ny fitondran-tenan’ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana antony tsara handavana ny Baiboly? Ny marina dia hoe hita ho sakaiza sandoky ny Baiboly ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana. Rehefa nipoitra tokoa ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana tamin’ny taonjato fahefatra am.f.i., dia mbola tsy tapitra velively ny ady nataon’ny Baiboly mba ho tafita hatramin’izao.

1, 2. (Miaraka amin’ny teny fampidirana.) a) Nahoana ny olona maro no tsy mety manaiky ny Baiboly ho ny Tenin’Andriamanitra? b) Asa tsara inona no notanterahina tamin’ny taonjato voalohany sy faharoa, kanefa fizotran-javatra nampidi-doza inona no niforona?

TAMIN’NY faran’ny taonjato voalohany, dia efa vita ny fanoratana ny boky rehetra amin’ny Baiboly. Nanomboka tamin’izay, dia loha laharana ireo Kristiana teo amin’ny fanaovana kopia sy fizarana ny Baiboly manontolo. Tetsy an-danin’izany koa, dia sahirana izy ireny nandika azy io tamin’ireo fiteny fampiasa indrindra tamin’izany andro izany. Raha sahirana tamin’io asa maha-te hidera io anefa ny kongregasiona kristiana, dia nisy zavatra nanomboka niforona izay ho hita fa hampidi-doza aoka izany ho an’ny hahatafitan’ny Baiboly hatramin’izao.

2 Nambaran’ny Baiboly mialoha mihitsy io fizotran-javatra io. Indray mandeha i Jesosy dia nilaza fanoharana iray momba ny lehilahy iray izay namafy voam-bary tsara teo amin’ny tanimbariny. “Fa raha natory ny olona”, dia nisy fahavalo namafy voa izay hamokatra tsimparifary. Samy naniry ireo karazam-boa roa ireo, ary nandritra ny fotoana kelikely, ilay tsimparifary dia nanakona ilay vary tsy ho hita. Tamin’ny alalan’io fanoharana io, dia nasehon’i Jesosy fa ny vokatra hateraky ny asany dia ho Kristiana marina, kanefa koa fa, aorian’ny hahafatesany, dia hisy Kristiana sandoka hitsofoka ao amin’ny kongregasiona. Amin’ny farany, dia ho sarotra ny hanavaka ilay tena izy amin’ilay sandoka. — Matio 13:24-30, 36-43.

3. Araka ny apostoly Petera, inona no ho vokatra hateraky ny “Kristiana” tahaka ny tsimparifary eo amin’ny finoana ny Baiboly?

3 Ny apostoly Petera dia nampitandrina tamin’ny fomba tsy nihambahamba ny amin’ny vokatra haterak’ireny “Kristiana” oharina amin’ny tsimparifary ireny, eo amin’ny fomba fiheveran’ny olona ny Kristianisma sy ny Baiboly. Hoy ny nampitandremany: “Hisy koa mpampianatra sandoka tahaka izany eo aminareo, izay hahatonga mangingina sain-diso mahavery ary handa ny Tompo Izay nividy azy aza ka hahatonga fahaverezana tampoka ho amin’ny tenany. Ary maro no hanaraka ny fijejojejoany; ka ireny no hitenenan-dratsy ny làlan’ny fahamarinana.” 2 Petera 2:1, 2, izahay no manao sora-mandry.

4. Ahoana no nahatanterahan’ny faminanian’i Jesosy sy i Petera na dia nandritra ny taonjato voalohany aza?

4 Na dia tamin’ny taonjato voalohany aza, dia efa tanteraka ireo faminanian’i Jesosy sy i Petera. Nisy lehilahy feno fanirian-daza tafatsofoka tao amin’ny kongregasiona kristiana ka namafy fisaratsarahana. (2 Timoty 2:16-18; 2 Petera 2:21, 22; 3 Jaona 9, 10). Nandritra ireo taonjato roa nanaraka izany, dia voaloton’ny filozofia grika ny fahadiovan’ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly, ary maro no nanjary nanao fahadisoana ka nanaiky ireo foto-pampianaran’ny mpanompo sampy ho fahamarinana ao amin’ny Baiboly.

5. Fiovana teo amin’ny fitantanana inona no natombok’i Constantin teo am-piandohan’ny taonjato fahefatra?

5 Tamin’ny taonjato fahefatra, dia nandray ny “Kristianisma” ho fivavahana ofisialin’ny Empira Romana ilay emperora romana atao hoe Constantin. Hafa tanteraka tamin’ilay fivavahana notorin’i Jesosy anefa ilay “Kristianisma” fantany. Izao dia efa nandrobona ny “tsimparifary”, tsy misy hafa amin’ny nanambaran’i Jesosy azy mialoha. Na dia izany aza, dia afaka mahazo antoka isika fa nandritra izany fotoana rehetra izany, dia nisy olona sasantsasany nampiseho ny Kristianisma marina ary niezaka mafy nanaraka ny Baiboly tamin’ny naha-Teny ara-tsindrimandrin’Andriamanitra azy. — Matio 28:19, 20.

Notoherina ny fandikana ny Baiboly

6. Oviana no nanomboka niforona ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana, ary tamin’ny fomba iray inona no tsy nitovian’ny fivavahan’ny Tontolo Lazaina fa Kristiana tamin’ny Kristianisma ao amin’ny Baiboly?

6 Tamin’ny andron’i Constantin no nanomboka niforona ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana araka ny ahalalantsika azy amin’izao andro izao. Nanomboka tamin’izay, ilay endrika niharatsin’ny Kristianisma izay namaka dia tsy fandaminana ara-pivavahana fotsiny intsony. Anisan’ny fanjakana izy io, ary nandray anjara asa lehibe tamin’ny raharaha politika ireo filohany. Tamin’ny farany, ilay fiangonana nivadi-pinoana dia nampiasa ny fahefany ara-politika tamin’ny fomba nifanohitra tanteraka tamin’ny Kristianisma ao amin’ny Baiboly, ka nitondra fandrahonana nampidi-doza hafa ho an’ny Baiboly. Tamin’ny fomba ahoana?

7, 8. Oviana no nanehoan’ny papa fanoherana ny fandikana ny Baiboly, ary nahoana izy no nanao izany?

7 Rehefa tsy fampiasa andavanandro intsony ny fiteny latina, dia nilaina ny fandikan-teny vaovaon’ny Baiboly. Tsy nankasitraka izany intsony anefa ny Eglizy Katolika. Tamin’ny 1079, i Vratislaus, izay tonga mpanjakan’i Bohême tatỳ aoriana dia nangata-dalana tamin’ny Papa Grégoire VII mba handika ny Baiboly tamin’ny fitenin’ny vahoakany. ‘Tsia’ no valin-tenin’ny papa. Izao no nambarany: “Mazava ho an’ireo izay mieritreritra momba izany matetika, fa tsy hoe tsy misy antony akory ny nanirian’Andriamanitra Tsitoha ny tokony haha-tsiambaratelo ny soratra masina any amin’ny toerana sasany, sao, raha niharihary tamin’ny olona rehetra izy io, dia angamba tsy hankasitrahana firy ary hiharan’ny tsy fanajana; na mety ho diso ny fahazoan’ireo tsy nahita fianarana firy ny heviny, ka hitarika ho amin’ny fahadisoan-kevitra.”​1

8 Nirin’ny papa ny hihazonana ny Baiboly tamin’ny fiteny latina, izay tsy nampiasaina intsony izao. Tsy maintsy nohazonina ho “tsiambaratelo” ny tao anatiny, ka tsy nadika tamin’ny fitenin’ny sarambabem-bahoaka. * Ny Vulgate latina an’i Jérôme, navoaka tamin’ny taonjato fahadimy mba hahazoan’ny rehetra ny Baiboly, dia nanjary fomba nihazonana azy io ho voafina izao.

9, 10. a) Ahoana no nitomboan’ny fanoheran’ny Katolika Romana ny fandikana ny Baiboly? b) Inona no zava-nokendren’ny Eglizy tamin’ny fanoherana ny Baiboly?

9 Rehefa nandroso ny Moyen Âge, dia nihamafy ny fanoheran’ny Eglizy ireo Baiboly tamin’ny fiteny teo an-toerana. Tamin’ny 1199, ny Papa Innocent III dia nanoratra taratasy henjana aoka izany tamin’ny arsevekan’i Metz, tany Alemaina, hany ka nandoro ireo Baiboly rehetra tamin’ny fiteny alemanina nety ho hitany ilay arseveka.​3 Tamin’ny 1229, ny synodan’i Toulouse, any Frantsa, dia nanao lalàna fa tsy azon’ny “lahika” natao ny nanana na boky inona na boky inona ao amin’ny Baiboly tamin’ny fiteny nahazatra.​4 Tamin’ny 1233, ny synodam-paritanin’i Tarragona, any Espaina, dia nandidy fa tsy maintsy naverina mba hodorana ny boky rehetra amin’ny “Testamenta Taloha sy Vaovao”.​5 Tamin’ny 1407, ny synodan’ny klerjy novorin’ny Arseveka Thomas Arundel tao Oxford, any Angletera, dia nandrara tamin’ny fomba hentitra ny fandikana ny Baiboly tamin’ny fiteny anglisy na izay nety ho fiteny maoderina hafa.​6 Tamin’ny 1431, tany Angletera ihany, dia noraran’i Stafford, evekan’i Wells ny fandikana ny Baiboly tamin’ny fiteny anglisy ary ny fananana fandikan-teny toy izany.​7

10 Tsy nanafoana ny Baiboly akory ireny fahefana ara-pivavahana ireny. Izy ireo kosa dia nanandrana hihazona ny Baiboly tsy hiovaova, ny hitahiry azy tamin’ny fiteny izay olom-bitsy ihany no afaka namaky azy. Tamin’io fomba io izy ireo dia nanantena ny hisoroka izay nantsoiny hoe fivadihana amin’ny finoana, nefa raha ny marina dia fihaikana ny fahefan’ny tenany. Raha nahomby izy ireo, dia ho nanjary zava-nahaliana ho an’ny saina fotsiny ny Baiboly, ka tsy hisy heriny firy na tsy hisy heriny mihitsy eo amin’ny fiainan’ny olon-tsotra.

Ireo mpiaro ny Baiboly

11. Inona no nitranga fony i Julián Hernández nampiditra an-tsokosoko Baiboly tamin’ny fiteny espaniola tany Espaina?

11 Soa ihany anefa fa olona tso-po maro no tsy nety nanaraka ireny didy ireny. Nampidi-doza anefa ny fandavana toy izany. Nisy olona nijaly tamin’ny fomba nahatsiravina noho ny “heloka” nanana Baiboly fotsiny. Diniho, ho ohatra, izay nitranga tamin’ny Espaniola iray nantsoina hoe Julián Hernández. Araka ny History of Christian Martyrdom nosoratan’i Foxe, i Julián (na Juliano) dia “nanomboka nandefa avy tany Alemaina nankany amin’ny taniny, Baiboly maro be, nafenina tao anaty barìka ary nofonosina tahaka ny divay avy tany Rhin”. Nisy namadika izy ary nosamborin’ny Inquisition Katolika. Ireo izay tokony ho nandefasana ireo Baiboly dia “nampijalijalina tsy an-kanavaka avokoa, ary avy eo ny ankamaroany dia nosazina tamin’ny famaizana samihafa. Nodorana i Juliano, nisy roapolo natono teo amin’ny vy maranitra, maromaro no natao an-tranomaizina mandra-pahafatiny, ny sasany nokapohina ampahibemaso, maro no nasaina niasa an-tery vozona teny ambony galères”.​8

12. Ahoana no ahafantarantsika fa tsy nampiseho ny Kristianisma ao amin’ny Baiboly ireo fahefana ara-pivavahana tamin’ny Moyen Âge?

12 Fanamparam-pahefana mahatsiravina re izany! Mazava fa tsy nampiseho velively ny Kristianisma ao amin’ny Baiboly ireny fahefana ara-pivavahana ireny! Ny Baiboly mihitsy no nampiharihary hoe an’iza izy ireo, rehefa nilaza toy izao: “Izany no mampiseho miharihary izay Zanak’Andriamanitra sy izay zanaky ny devoly. Tsy mba avy amin’Andriamanitra izay rehetra tsy manao ny marina sy izay tsy tia ny rahalahiny. Fa izao no teny nampitondraina izay efa renareo hatramin’ny voalohany: tsy maintsy mifankatia isika, — tsy mba tahaka an’i Kaina, izay avy tamin’ilay ratsy ka namono ny rahalahiny.” — 1 Jaona 3:10-12.

13, 14. a) Zava-nisy niavaka inona momba ny Baiboly tamin’ny Moyen Âge no mampiseho ny maha-avy amin’Andriamanitra azy io? b) Ahoana no niovan’ny tarehin-javatra tany Eoropa raha ny amin’ny Baiboly no resahina?

13 Mahagaga toy inona anefa ny fisian’ny lehilahy sy vehivavy vonona ny hiharan’ny fitondrana mahatsiravina toy izany mba hananana Baiboly iray fotsiny! Ary nampitomboina imbetsaka ny ohatra toy izany mandra-pahatongan’ny androntsika. Ny fifikirana lalina izay nasehon’ny olona noho ny Baiboly, ny fahavononana hiaritra tamim-paharetana fijaliana sy hanaiky tsy nisy fitarainana fahafatesana nahatsiravina, kanefa tsy nitady hamaly faty ireo mpampijaly azy, dia porofo mahery fa ny Baiboly dia Tenin’Andriamanitra. — 1 Petera 2:21.

14 Tamin’ny farany, taorian’ny fikomiana protestanta tamin’ny fahefana katolika romana tamin’ny taonjato faha-16, dia voatery mihitsy ny Eglizy Katolika Romana namoaka fandikan-tenin’ny Baiboly tamin’ny fitenim-bahoaka tany Eoropa. Kanefa na dia tamin’izay aza, dia nampifandraisina bebe kokoa tamin’ny Fivavahana Protestanta noho ny tamin’ny Fivavahana Katolika ny Baiboly. Nanoratra izany toy izao i Edward J. Ciuba, pretra katolika iray: “Tsy maintsy ekena amim-pahatsorana fa ny iray amin’ireo vokatra mampahonena lehibe nentin’ny Réforme Protestanta dia ny fanaovana tsirambina ny Baiboly teo amin’ny mpiangona katolika. Na dia tsy nohadinoina tanteraka mihitsy aza ny Baiboly, dia boky mikombona izy io ho an’ny ankamaroan’ny Katolika.”​9

Ny fanaovana tsikera ambony

15, 16. Nahoana no tsy afa-tsiny ny Fivavahana Protestanta raha ny amin’ny fanoherana ny Baiboly no resahina?

15 Tsy afa-tsiny koa anefa ireo fiangonana protestanta raha ny amin’ny fanoherana ny Baiboly no resahina. Rehefa nandeha ireo taona, dia nanangana karazam-pamelezana hafa tamin’ilay boky ny manam-pahaizana protestanta sasany: famelezana ara-tsaina. Nandritra ny taonjato faha-18 sy faha-19, dia nampandroso fomba iray fandinihana ny Baiboly, fantatra amin’ny hoe fanaovana tsikera ambony, izy ireo. Nampianatra ireo mpanao tsikera ambony fa be dia be amin’ny ao anatin’ny Baiboly no voaforon’ny angano sy arira. Ny sasany aza nilaza fa tsy nisy mihitsy i Jesosy. Tsy nantsoina hoe ny Tenin’Andriamanitra ny Baiboly, fa nolazain’ireny manam-pahaizana protestanta ireny fa tenin’olona kosa, sady teny misafotofoto be koa amin’izay.

16 Na dia tsy inoana intsony aza ilay tafahoatra indrindra amin’ireo hevitra ireo, dia mbola ampianarina any amin’ireo seminera ihany ny fanaovana tsikera ambony, ary tsy mahalana no andrenesana mpitondra fivavahana protestanta mandà ampahibemaso ampahany lehibe amin’ny Baiboly. Ohatra, ny mpitondra fivavahana anglikana iray dia voatonona tao amin’ny gazety aostraliana iray ho nilaza fa be dia be amin’ny ao anatin’ny Baiboly no “diso tsotra izao. Ny sasany amin’ny tantara ao dia diso. Ny sasany amin’ireo tsipiriany dia miharihary fa naolana”. Io fisainana io dia vokatry ny fanaovana tsikera ambony.

‘Tenenina ratsy’

17, 18. Tamin’ny ahoana ny fitondran-tenan’ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana no nitondra fahafaham-baraka ho an’ny Baiboly?

17 Ny fitondran-tenan’ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana angamba anefa no nahaforona ny vato misakana lehibe indrindra tamin’ny faneken’ny olona ny Baiboly ho ny Tenin’Andriamanitra. Mihambo ho manaraka ny Baiboly ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana. Kanefa ny fitondran-tenany dia nitondra fahafaham-baraka be dia be ho an’ny Baiboly sy ilay anarana hoe Kristiana mihitsy. Araka ny nambaran’ny apostoly Petera mialoha, dia ‘notenenina ratsy’ ny lalan’ny fahamarinana. — 2 Petera 2:2.

18 Ohatra, sady nandrara ny fandikana ny Baiboly ny eglizy, no nanohana ara-bola ny ezaka ara-tafika lehibe tamin’ny ady natao tamin’ny silamo tany Moyen-Orient ny papa. Nanjary nantsoina hoe Kroazada “masina” izy ireny, nefa tsy nisy naha-masina azy izy ireny. Ilay voalohany — nantsoina hoe “Kroazadam-bahoaka” — dia nanomana ny lalana ho an’ireo hanaraka izany. Talohan’ny nialany tany Eoropa, ny tafika iray tsy voafehy, narehitry ny mpitory teny, dia nanafika ireo Jiosy tao Alemaina, ka nandripaka azy ireo tany amin’ny tanàna tsirairay nifandimby. Nahoana? Hoy i Hans Eberhard Mayer, mpahay tantara: “Ny hevitra naroso fa hoe ny Jiosy, tamin’ny naha-fahavalon’i Kristy azy, dia mendrika ny hofaizina, dia fanandramana marefo fotsiny hanafina ilay tena antony nanosika, dia: ny fierenana.”​10

19-21. Tamin’ny ahoana ny Ady Telopolo Taona, ary koa ny ezaka misionera nataon’i Eoropa sy ny fielezan’ny fanjanahan-tany no nitondra fahafaham-baraka ho an’ny Baiboly?

19 Ny fikomiana protestanta tamin’ny taonjato faha-16 dia nandroaka teo amin’ny fahefana ny Fivavahana Katolika Romana tany amin’ny tany maro tany Eoropa. Ny vokany iray dia ny Ady Telopolo Taona (1618-1648) — “iray tamin’ireo ady nahatsiravina indrindra teo amin’ny tantaran’i Eoropa”, araka ny The Universal History of the World. Ny antony fototra nahatonga ilay ady? “Ny fankahalan’ny Katolika ny Protestanta ary ny fankahalan’ny Protestanta ny Katolika.”​11

20 Tamin’io fotoana io, dia efa nanomboka niitatra tany ankoatra an’i Eoropa ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana, ka nitondra ny sivilizasiona “kristiana” tany amin’ny faritra hafa amin’ny tany. Voamariky ny halozana sy ny fierenana io fielezana ara-tafika io. Tany amin’ireo tanin’i Amerika, dia nanafoana haingana ireo sivilizasiona amerikana tompon-tany, ireo mpandresy espaniola. Hoy ny fanamarihana nataon’ny boky tantara iray: “Tamin’ny ankapobeny, ireo governora espaniola dia nanafoana ny sivilizasiona tera-tany, kanefa tsy nampiditra ny an’ny Eoropeana. Ny hetaheta hahazo volamena no antony lehibe nanintona azy ireo hankany amin’ny Nouveau Monde.”​12

21 Ireo misionera protestanta koa dia nandeha avy tao Eoropa mba hankany amin’ny kontinenta hafa. Ny iray tamin’ireo vokatra nateraky ny asany dia ny fampandrosoana ny fitaran’ny fanjanahan-tany. Ny fihevitra miely momba ny ezaka misionera protestanta amin’izao andro izao dia ny hoe: “Tamin’ny toe-javatra maro, dia nampiasaina mba hanamarinana sy hanafenana ny fanjakazakana teo amin’ny olona ny asa misionera. Ny fifandraisana nisy teo amin’ny misiona sy ny haitao ary ny fanjanahan-tsaina dia fantatra tsara.”​13

22. Tamin’ny ahoana ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana no nitondra fahafaham-baraka tamin’ny anaran’ny Kristianisma nandritra ny taonjato faha-20?

22 Nitohy hatramin’ny androntsika ny fifandraisana akaiky nisy teo amin’ireo fivavahan’ny Tontolo Lazaina fa Kristiana sy ny fanjakana. Ireo ady lehibe roa farany dia natao voalohany indrindra tany amin’ny firenena samy “kristiana”. Ireo mpitondra fivavahana tamin’ny andaniny avy dia nampirisika ireo tovolahy tao aminy mba hiady sy hiezaka hamono ny fahavalo — izay nitovy finoana taminy matetika. Araka ny nomarihin’ilay boky hoe If the Churches Want World Peace dia: “Azo antoka fa tsy nitondra laza tsara ho an’[ireo fiangonana] ny nitomboan’ny rafitry ny ady amin’izao andro izao sy nanatontosany ny fandringanana lehibe indrindra teo amin’ireo fanjakana nanokan-tena ho an’ny Kristianisma.”​14

Tafita hatramin’izao andro izao ny Tenin’Andriamanitra

23. Amin’ny ahoana ny tantaran’ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana no manondro fa Tenin’Andriamanitra ny Baiboly?

23 Milaza io tantara naharitra lava sady mampalahelon’ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana io isika mba hanasongadinana hevitra roa. Voalohany, ny fisehoan-javatra toy izany dia fahatanterahan’ny faminanian’ny Baiboly. Efa nambara mialoha fa maro be ireo mihambo ho Kristiana no hitondra fahafaham-baraka ho an’ny Baiboly sy ny anaran’ny Kristianisma, ary ny nitrangan’izany dia manamafy ny maha-marina ny Baiboly. Na dia izany aza, dia tsy tokony hohadinointsika fa ny fitondran-tenan’ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana dia tsy mampiseho ny Kristianisma miorina amin’ny Baiboly.

24. Inona no ahafantarana ny Kristiana marina ka araka izany dia manameloka mazava ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana ho tsy kristiana?

24 Ny fomba ahafahana mahafantatra ny Kristiana marina dia nohazavain’ny tenan’i Jesosy mihitsy: “Izany no hahafantaran’ny olona rehetra fa mpianatro hianareo, raha mifankatia.” (Jaona 13:35). Ambonin’izany, dia hoy i Jesosy hoe: “Tsy naman’izao tontolo izao izy, tahaka Ahy tsy naman’izao tontolo izao.” (Jaona 17:16). Raha ny amin’ireo hevitra roa ireo, ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana dia mampiharihary mazava ny tenany ho tsy mampiseho ny Kristianisma ao amin’ny Baiboly. Mihambo ho sakaizan’ny Baiboly izy, nefa hita ho sakaiza sandoka.

25. Nahoana ny Baiboly no tafita hatramin’izao andro izao na dia teo aza ireo fahoriana rehetra nihatra taminy?

25 Ny hevitra faharoa dia izao: Rehefa heverina fa nanao zavatra be dia be aoka izany mba hanoherana ny tombontsoan’ny Baiboly ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana tamin’ny fitambarany, dia mahavariana tokoa ny naha-tafita an’ilay boky hatramin’izao andro izao sy ny mbola ananany hery tsara eo amin’ny fiainan’ny olona maro be. Tafita hatramin’izao andro izao ny Baiboly na dia teo aza ny fanoherana mafy ny fandikana azy sy ireo famelezana avy tamin’ireo manam-pahaizana miseho ho maoderina, ary ny fitondran-tena tsy kristiana nasehon’ilay sakaizany sandoka, dia ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana. Nahoana? Satria tsy tahaka ny asa soratra hafa rehetra ny Baiboly. Tsy afaka ny ho faty ny Baiboly. Ny Tenin’Andriamanitra izy io, ary ny Baiboly mihitsy no milaza amintsika toy izao: “Maina ny ahitra, malazo ny voniny; fa ny tenin’Andriamanitsika dia haharitra mandrakizay.” — Isaia 40:8.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 8 Fandikan-teny vitsivitsy no natao tamin’ny fiteny teo an-toerana. Matetika anefa izy ireo dia navoaka tamim-piezahana mafy tamin’ny sora-tanana voaravaka aoka izany ka hita mazava fa tsy natao ho an’ny besinimaro.​2

[Fanontaniana]

[Teny notsongaina, pejy 34]

Nandray anjara tamin’ny famelezana ara-tsaina lehibe natao tamin’ny Baiboly ireo fiangonana protestanta lehibe indrindra

[Sary, pejy 26]

Tena niantomboka ny tantaran’ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana rehefa nataon’i Constantin ho ara-dalàna ilay “Kristianisma” tamin’ny androny

[Sary, pejy 29]

Ny papa Grégoire VII sy Innocent III dia nanana anjara asa lehibe tamin’ny ady nataon’ny Eglizy Katolika mba tsy handikana ny Baiboly tamin’ny fiteny nahazatra ny olona

[Sary, pejy 33]

Ny fitondran-tena manafintohina nasehon’ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana dia nitarika olona maro hisalasala raha tena ny Tenin’Andriamanitra ny Baiboly

[Sary, pejy 35]

Tamin’ny ady lehibe voalohany, dia nandohalika teo anoloan’ny sarim-pivavahana ireto miaramila rosiana ireto, talohan’ny handehanany hamono “Kristiana” tahaka azy