Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Andinin-teny ho An’ny Taona 2016

“Aoka haharitra ny fitiavanareo ny rahalahy.” Hebreo 13:1

Andinin-teny ho An’ny Taona 2016

Nilaza i Jesosy fa ‘maro no hifankahala ary hihamangatsiaka ny fitiavan’ny olona maro.’ (Mat. 24:10, 12) Ny zavatra hitranga talohan’ny taona 70 no tiany holazaina eo. Naminany izy hoe tsy hanam-pitiavana ny olona, mandritra ny taona maro alohan’ny handravana an’i Jerosalema. Ny fitiavana kosa no hamantarana ny mpanara-dia azy. (Jaona 13:35) Niaiky i Paoly tao amin’ny taratasiny hoe nifankatia ireo Kristianina hebreo tany Jerosalema, ary nampirisika azy ireo hanao izany foana izy. Azo antoka fa nampahery an’ireo Kristianina ireo ny namaky azy io.

Efa kely koa sisa dia horavana ny tontolon’i Satana. Tia tena sy tia vola ary tia fahafinaretana ny olona amin’izao fa tsy tia an’Andriamanitra sy ny namany, toy ny tamin’ny taonjato voalohany ihany. (2 Tim. 3:1-4) Ny Vavolombelon’i Jehovah eran-tany kosa mifankatia. Enga anie ka haharitra ny fitiavantsika an’ireo rahalahy. Hidera an’i Jehovah, ilay Andriamanitra fitiavana, isika raha manao an’izany.