Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

LESONA 9

Nanan-janaka Ihany Tamin’ny Farany!

Nanan-janaka Ihany Tamin’ny Farany!

Efa mpivady efa ela be izao i Abrahama sy Saraha. Nipetraka tao anaty tranolay ry zareo, fa tsy tao anaty trano tsara be hoatran’ny tany Ora. Tsy nitaraina anefa i Saraha, satria fantany fa tena mahasoa ny manaraka ny tenin’i Jehovah.

Te hanan-janaka mafy i Saraha, dia hoy izy tamin’i Abrahama: ‘Alaivo ho vady i Hagara mpiasako, amin’izay mba hoatran’ny hoe zanako ihany ny zanakareo.’ Niteraka lahikely i Hagara tatỳ aoriana, ary Ismaela no anarany.

Nisy vahiny anankitelo tonga tao amin-dry Abrahama, indray mandeha. Efa 99 taona i Abrahama tamin’izay, ary 89 taona i Saraha. Nasain’i Abrahama nipetrapetraka teo ambany hazo izy telo lahy, ary nomeny sakafo. Anjely kay ireo vahiny ireo! Hoy ry zareo tamin’i Abrahama: ‘Hanan-janakalahy ianareo mivady, amin’ny herintaona hoatr’izao.’ Tao anaty tranolay i Saraha tamin’izay ary henony ilay resaka. Nihomehy izy sady nieritreritra hoe: ‘Izaho efa antitra be ity koa ve dia mbola hiteraka?’

Niteraka lahikely tokoa i Saraha, herintaona taorian’izay, araka ny tenin’ilay anjelin’i Jehovah. Nataon’i Abrahama hoe Isaka ny anarany. “Fihomehezana” no dikan’ilay hoe Isaka.

Rehefa dimy taona teo ho eo i Isaka, dia hitan’i Saraha foana i Ismaela nanambanimbany an’i Isaka. Tian’i Saraha harovana àry ny zanany, ka nasainy noroahin’i Abrahama i Hagara sy Ismaela. Tsy nety i Abrahama tamin’ny voalohany. Te hiaro an’i Isaka koa anefa i Jehovah, ka hoy izy: ‘Ataovy izay asain’i Saraha ataonao. Ao fa izaho no hikarakara an’i Ismaela. Fa i Isaka mantsy no nofidiko mba hanatanterahako an’ilay noteneniko taminao.’

‘Finoana koa no nahazoan’i Saraha hery hananana anaka. Nihevitra mantsy izy fa tsy mivadika amin’ny teniny ilay nampanantena.’—Hebreo 11:11