Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

 Sasin-teny

Taratasy avy Amin’ny Filan-kevi-pitantanana

Taratasy avy Amin’ny Filan-kevi-pitantanana

Ry rahalahy sy anabavy malala,

Misy lahatsoratra mahaliana hoe “Tahafo ny Finoan’izy Ireo”, ao amin’ny Tilikambo Fiambenana. Nanomboka ny 1 Janoary 2008 izy io no navoaka, ary natao isaky ny telo volana. Mahafinaritra erỳ ny mamaky azy!

Ahoana ny hevitry ny olona momba azy io? Hoy ny anabavy iray: ‘Nihomehy aho namaky ny tantaran’i Marta satria tena hoatr’azy mihitsy aho. Tiako ho voakarakara tsara ny vahiniko, dia ilaozako mikenonkenona etsy sy eroa. Lasa hadinoko indraindray hoe mba mila mipetraka kely sy miresadresaka amin-dry zareo aho.’ Hoy kosa ny tanora iray rehefa avy namaky ny tantaran’i Estera: ‘Nandraisako lesona mihitsy ilay izy! Indraindray tsinona isika variana be amin’ny akanjo sy lamaody farany. Tokony mba hoe metimety aloha ny paozintsika e! Fa tsy tokony ho tafahoatra be fotsiny. Ny toetrantsika tsinona no tena jeren’i Jehovah.’ Ny anabavy iray indray faly be rehefa avy namaky ny tantaran’i Petera, ka niteny hoe: “Tiako be ny namaky an’ilay izy, ka teo aho, dia teo. Hoatran’ny hoe niaraka tamin’i Petera teny mihitsy aho. Azoko an-tsaina daholo izay nitranga, na dia izay tsy tena voalaza tao aza.”

Mbola maro be no nandefa taratasy fisaorana tatỳ aminay, ankoatra an’ireo. Tena hita àry hoe “nosoratana ho fianarantsika” ny tantaran’ny mpanompon’i Jehovah fahiny. (Rom. 15:4) Nasain’i Jehovah natao ao amin’ny Baiboly izy ireny, satria tena mahasoa antsika. Afaka mandray lesona avy amin’izy ireny isika rehetra, na vao haingana na efa ela no nanompo an’i Jehovah.

Mampirisika anareo izahay hamaky an’ity boky ity avy hatrany. Ampiasao amin’ny Fotoam-pivavahan’ny Fianakaviana izy ity, satria tena ho tian’ny ankizy. Hodinihina amin’ny Fianarana Baiboly Ataon’ny Fiangonana koa izy ity, ka ataovy foana izay hanatrehana fivoriana. Aza maimaika rehefa mamaky azy, fa alao sary an-tsaina ilay tantara. Ataovy toy ny hoe ianao mihitsy ilay olona, ka eritrereto izay tsapany sy izay hitany. Saintsaino koa hoe inona no ho nataonao raha ianao no teo amin’ny toerany.

Tena faly àry izahay manome anao an’ity boky ity. Enga anie ka hahasoa anao sy ny fianakavianao izy ity. Mirary soa be dia be ho anareo izahay.

Filan-kevi-pitantanan’ny Vavolombelon’i Jehovah