Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

FIZARANA 2

Voaroaka tao Amin’ny Paradisa

Voaroaka tao Amin’ny Paradisa

Voatariky ny anjely iray mpikomy i Adama sy Eva, ka tsy nanaiky ny fitondran’Andriamanitra. Noho izany, dia lasa mpanota ny olombelona rehetra, ary tsy maintsy maty.

NAMORONA anjely maro be Andriamanitra, ela be talohan’ny namoronany ny olombelona. Nikomy ny anjely iray ka naka fanahy an’i Eva, tao Edena, ary nampirisika azy hihinana ny voan’ilay hazo tsy navelan’Andriamanitra hihinanana. Lasa nantsoina hoe Satana Devoly io anjely io.

Nataon’i Satana toy ny hoe niteny ny menarana iray mba hiresahany tamin’i Eva. Nilaza an-kolaka izy fa misy zavatra tsara tsy omen’Andriamanitra azy mivady. Niteny tamin’i Eva koa izy hoe tsy ho faty izy ireo, raha mihinana an’ilay voankazo voarara. Nampangainy ho mandainga amin’ny olombelona zanany àry Andriamanitra. Nasehon’io Mpamitaka io ho toy ny zavatra mahafinaritra ny tsy fankatoavana an’Andriamanitra. Hahazo fahafahana sy hahalala zavatra, hono, izay tsy mankatò. Lainga anefa ireo rehetra ireo, ary izany no lainga voalohany. Lasa nisy adihevitra àry hoe: Manana zo hitondra ve Andriamanitra? Mpitondra manao ny rariny ve izy ary tena mitady izay hahasoa ny vahoakany?

Nino ny laingan’i Satana i Eva, ka lasa nitsiriritra an’ilay voankazo, ary nihinana. Nomeny koa ny vadiny avy eo. Lasa mpanota izy ireo noho izany. Toa zavatra tsy nisy dikany no nataon’izy ireo, nefa fikomiana ilay izy, raha ny marina. Tsy nanaiky ny fitondran’Andriamanitra izy ireo, rehefa ninia tsy nankatò ny didiny. Andriamanitra anefa no nanome azy ireo ny zava-drehetra, anisan’izany ny fiainana tonga lafatra.

“Hanorotoro ny lohanao” ilay taranaka, “ary ianao kosa handratra azy eo amin’ny voditongony.”—Genesisy 3:15

Nanameloka an’ireo mpikomy ireo àry Andriamanitra. Nilaza izy fa hisy iraka halefany handringana an’i Satana na ilay antsoina hoe “menarana.” Nomelohiny ho faty koa i Adama sy Eva nefa tsy tonga dia novonoiny. Niantra ny taranak’izy ireo mbola tsy teraka izy. Ho afaka hanantena hoavy tsara ny taranak’izy ireo, satria hofoanan’ilay irak’Andriamanitra ny voka-dratsin’ny fikomiana tany Edena. Nampahafantarina tsikelikely tao amin’ny Baiboly hoe iza io iraka na Mpanafaka io, izay antsoina koa hoe Taranaka nampanantenaina, ary ahoana no hahatanteraka ny fikasan’Andriamanitra momba azy io.

Noroahin’Andriamanitra avy tao amin’ny Paradisa i Adama sy Eva. Tsy maintsy nikely aina namboly izy ireo tany ivelan’ny zaridainan’i Edena, ka tsemboka mihitsy vao nahita hohanina. Bevohoka i Eva tatỳ aoriana ary niteraka an’i Kaina. Nanan-janaka lahy sy vavy hafa koa izy, anisan’izany i Abela sy Seta. I Seta no razamben’i Noa.

​—Avy ao amin’ny Genesisy 3:1–5:32; Apokalypsy 12:9.