Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ny Tanintsika—Inona no Hiafaran’izy Ity?

Ny Tanintsika—Inona no Hiafaran’izy Ity?

Ny Tanintsika—Inona no Hiafaran’izy Ity?

Hoy ilay gazety kanadianina hoe Gilaoby sy Taratasy (anglisy): “Hatramin’ny an’arivo taona, dia ‘loza voajanahary’ toy ny tondra-drano sy hain-tany no tena natahoran’ny olona. Miharatsy anefa ny toe-javatra ankehitriny, satria ny ataon’ny olombelona ihany no mitera-doza eto an-tany.” Namoaka tatitra ny Fandaharan’asan’ny Firenena Mikambana Momba ny Tontolo Iainana (PNUE), mba hisakanana ny olona tsy hanimba tanteraka ny tontolo iainana. Hoy i Klaus Toepfer, tale mpanatanteraka ao amin’ny PNUE: “Fantatsika tsara ankehitriny, fa hisy vokany eo amin’ny tontolo iainana amin’ny taona 2032, sy ny mponina eto amin’ity tany tsara tarehy ity, izay ataontsika na tsy ataontsika.”

Efa nisy ezaka vita mba hanatsarana ny tontolo iainana, hatramin’ny niforonan’ny PNUE tamin’ny 1972. Lazain’ny gazety Ny Kintani Toronto (anglisy) fa “efa madio kokoa ny rivotra sy ny renirano any Eoropa sy Amerika Avaratra. Noferana ny setroka simika navoakan’ireo orinasa, ka miverina tsikelikely amin’ny laoniny ny sosona ôzônina.” Nisy tetik’asa fiarovana ny ala koa natao tany Etazonia, Failandy, Kanada, ary Norvezy, mba “hampihenana ny vokatry ny fandripahana ny hazo.” Nilaza anefa ny PNUE, fa raha mitohy tsy an-kijanona ny fandrosoana ara-toe-karena, ka mihamaro ireo faritra lasa tanàn-dehibe, dia hisy vokany tena ratsy eo amin’ny biby sy ny zavamaniry isan-karazany izany. Hoy ny gazety Gilaoby: “Ny antsasaky ny renirano eto an-tany no maloto na ritra. Firenena 80, izay misy ny 40 isan-jaton’ny mponina eran-tany, no tratran’ny tsy fahampian-drano.”

Mihevitra i Toepfer, fa “mety hitera-boka-tsoa ny fandraisana fepetra hentitra.” Hoy koa izy: ‘Mila manao drafitra sy tetik’asa maty paika isika, ary manambara izany ampahibemaso.’ Ahoana anefa raha tsy manao zavatra mba hanatsarana an’ity tanintsika ity ireo mpitondra maneran-tany?

Matokia fa efa nanao “fanambarana ofisialy” i Jehovah Andriamanitra, ary “handray fepetra hentitra” momba izany izy. Efa nolazainy mazava tsara fa hanao zavatra izy mba “handringanana izay manimba ny tany.” (Apokalypsy 11:18) Manome toky antsika koa i Jehovah, fa hohavaoziny ny ekôsistema (fifandraisana misy eo amin’ny zavaboary sy ny tontolo manodidina azy). Hamokatra indray ny tany efitra. (Isaia 35:1) Ho tondraka ny sakafo, ary tsy ho voaloto intsony ny renirano. (Salamo 72:16; 98:8) Manome toky Andriamanitra fa hitahy ny zava-miaina rehetra izy.—Salamo 96:11, 12.

[Sary nahazoan-dalana, pejy 31]

NASA photo