Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Inona no efa Natao Manoloana ny Tsy Fahampian-drano?

Inona no efa Natao Manoloana ny Tsy Fahampian-drano?

Inona no efa Natao Manoloana ny Tsy Fahampian-drano?

Olana maneran-tany ny tsy fahampian-drano. Atahorana hanimba ny fahasalaman’ny olona an’arivony tapitrisa izany. Inona no efa natao mba hahazoan’ny olona rano ampy, sy tsy hahaverivery fotsiny ny rano?

AFRIKA ATSIMO: Izao no lohateny lehibe tao amin’ny gazety Siansa (anglisy): “Ela ny Ela ka Nahazo Rano Fisotro Madio ny Mahantra ao Durban!” Milaza ilay lahatsoratra fa efa an-taonany maro no tsy nanana rano fisotro madio sy ampy ny mahantra tao Durban, noho ny fanavakavaham-bolon-koditra nampiharin’ny mpitondra teo aloha. Manazava ilay lahatsoratra fa “tokantrano 250 000 tao Durban no tsy nanana rano fisotro madio sy kabine ary fanariam-pako sy fanariana rano maloto”, tamin’ny 1994.

Namolavola tetikasa àry ny injeniera iray, tamin’ny 1996, mba hahazoan’ny isan-tokantrano rano 200 litatra eo ho eo isan’andro. Inona no vokany? Hoy ny gazety Siansa: “Olona 120 000 amin’ireo mponina 3 500 000 ao Durban sisa no tsy manana rano fisotro madio.” Tsy mila mandeha lavitra intsony izao ny olona, dia efa mahazo rano. Nila nandeha iray kilaometatra anefa izy ireo taloha vao nahazo izany.

Manazava toy izao ny gazety Siansa, rehefa niresaka momba ny lava-piringa: “Tsy ilay lava-piringa mahazatra eny an-tokotany intsony izao no ampiasain’ny olona, fa kabine manokana misy lavaka mampisaraka ny pipỳ sy ny diky. Maina haingana kokoa ny diky amin’izay.” Kabine toy izany miisa 60 000 no efa vita teo am-piandohan’ny 2008. Afaka roa taona anefa vao hanana kabine manara-penitra ny tokantrano rehetra.

Brezila: Ankizy an-jatony no voan’ny aretim-pivalanana tao Salvadaoro, noho ny tsy fisian’ny kabine sy ny fantsona fandehanan’ny rano maloto. * Mba hamahana io olana io, dia tokantrano miisa 300 000 no nametrahana fantsona fandehanan’ny rano maloto. Mirefy 2 000 kilaometatra ny halavan’ireo fantsona ireo raha atambatra. Inona no vokatr’izany? Nahalana kokoa vao voan’ny aretim-pivalanana ny mponina tao amin’ilay tanàna, indrindra fa tany amin’ireo faritra tena nitrangan’izany.

Inde: Misy fotoana maha betsaka ny rano fisotro madio any amin’ny tany sasany. Tsy misy manangona anefa izy ireny matetika, ka verivery fotsiny. Nahita fomba hanangonana rano ny vehivavy karàna maromaro tao amin’ny distrikan’i Dholera, any amin’ny faritra avaratrandrefan’i Gujerat, tamin’ny 1985. Nanamboatra dobo iray mitovy habe amin’ny kianja filalaovam-baolina izy ireo. Nasian’izy ireo plastika matevina ny fanambanin’ilay dobo mba tsy hitsika ny rano. Nahomby ny ezak’izy ireo. Mbola nanana rano foana izy ireo, volana maromaro taorian’ny vanim-potoanan’ny oram-be, na dia “naka rano tao koa aza ny olon-kafa.”

Silia: Firenena iray any Amerika Atsimo i Silia. Mirefy 4 265 kilaometatra ny lavany. Ny Ranomasimbe Pasifika no eo andrefany ary ny Tendrombohitra Andes no eo atsinanany. Ny Fanjakana no mitantana ny fampiasana ny rano any amin’io firenena io, sy manome alalana an’izay maniry hanamboatra tohodrano na lakandrano. Inona no vokany? Mahazo rano fisotro ampy izao ny 99 isan-jaton’ny mponina any an-tanàn-dehibe sy ny 94 isan-jaton’ny mponina any ambanivohitra.

Ny tena vahaolana

Toa samy manana ny fomba iatrehany ny tsy fahampian-drano ny firenena tsirairay. Be rivotra mandavantaona any amin’ny firenena sasany, ka mampiasa milina mandeha amin’ny rivotra izy ireo mba hitrohana rano any ambanin’ny tany sy hamokarana herinaratra. Hitan’ireo firenena manankarena kosa fa vahaolana mety ny maka ranomasina sy manova izany ho ranomamy. Misy indray firenena manao tohodrano lehibe mba hisakanana ny renirano sy ny riaka. Mandaitra izany fomba izany, na dia lasa etona aza ny 10 isan-jaton’ireny rano ireny, any amin’ny tany maina.

Mino ny Vavolombelon’i Jehovah, izay mamoaka an’ity gazety ity, fa Andriamanitra no tena afaka mandamina ny olana momba ny tsy fahampian-drano. Hoy ny Baiboly: “An’i Jehovah [Andriamanitra] ny tany sy izay rehetra eo aminy, eny, ny tany lonaka sy izay monina eo aminy. Naoriny teo ambonin’ny ranomasina izy, ary ataony mafy orina eo ambonin’ny renirano.”—Salamo 24:1, 2.

Marina fa nankinin’Andriamanitra tamin’ny olona ny fikarakarana ny tany. (Genesisy 1:28) Tsy nahay nikarakara ny tany anefa ny olona, ka tena ratsy ny vokany. Hita avy amin’izany fa “tsy natao hitondra samirery ny fiainany” izy ireo.—Jeremia 10:23.

Inona no hataon’i Jehovah mba hamerenana amin’ny laoniny ny tontolo iainana? Manome toky antsika ny Baiboly fa mikasa ‘hanavao ny zava-drehetra’ Andriamanitra. (Apokalypsy 21:5) Alao sary an-tsaina hoe tsy hisy intsony ny fahantrana, ny hain-tany, ary ny tsy fahampian-drano. Tsy hisy intsony ny tondra-drano, izay mahafaty olona an’arivony isan-taona. Ho tanteraka avokoa ny fampanantenan’Andriamanitra, rehefa hitondra ny tany ny Fanjakany! I Jehovah mihitsy no niteny hoe: “Dia ho toy izany ny teny aloaky ny vavako. Tsy hiverim-potsiny atỳ amiko ny teniko, fa hanatanteraka izay sitrako ary hahomby amin’izay andefasako azy.”—Isaia 55:11.

Tianao ve ny hahalala misimisy kokoa izay lazain’ny Baiboly momba ny fikasan’Andriamanitra hanavao ny tany? Hanazava izay azonao atao ny lahatsoratra manaraka.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ Ankizy 1 600 000 eo ho eo, isan-taona, no matin’ny aretim-pivalanana. Mbola vitsy noho izany, raha atambatra, ny isan’ny olona matin’ny SIDA, tioberkilaozy, ary tazomoka.

[Teny notsongaina, pejy 5]

“Tsy misy ny fiainana raha tsy misy rano. ... Ny rano no mahavelona antsika.”—Michael Parfit, mpanoratra ao amin’ny Vaovao Momba ny Tany (anglisy)

[Teny notsongaina, pejy 6]

Rano arivo taonina no ilaina mba hamokarana vary iray taonina

[Teny notsongaina, pejy 6]

“Ampiasaina anondrahana voly ny 70 isan-jaton’ny rano eto an-tany.”—Tetikasa B 2.0, nosoratan’i Lester Brown

[Tabilao/Sary, pejy 7]

(Jereo ny gazety)

Habetsahan’ny ranomamy eto an-tany

Rano rehetra

97,5% Ranomasina

2,5% Ranomamy

Ranomamy

99% Gilasy sy vongan-dranomandry ary rano ambanin’ny tany

1% Ampiasain’ny olona fito arivo tapitrisa eto an-tany sy ireo zavamiaina hafa tsy hita isa

[Sary, pejy 7]

Mametraka fantsona hitarihana rano madio, Durban, Afrika Atsimo

[Sary nahazoan-dalana]

Courtesy eThekwini Water and Sanitation Programme

[Sary, pejy 7]

Vehivavy miasa amin’ny tetikasa fanangonana ranonorana, Rajasthan, Inde, 2007

[Sary nahazoan-dalana]

© Robert Wallis/Panos Pictures

[Sary, pejy 7]

Manamboatra fantsakana, tanàna akaikin’i Copán, Honduras

[Sary nahazoan-dalana]

© Sean Sprague/SpraguePhoto.com