Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Topy Maso Eran-tany

Topy Maso Eran-tany

Topy Maso Eran-tany

◼ Nantsoina hoe “ny biby ela velona indrindra hatramin’izay” ny sifotra iray misy akorany, nalaina avy tany amin’ny fanambanin’ny Oseana Atlantika Avaratra. Nodinihin’ny mpahay siansa ny soson’ny akoran’ilay sifotra, ary nolazainy fa 405 taona ilay izy.—SUNDAY TIMES, GRANDE-BRETAGNE.

◼ “Kivy koa na ny olona manana vola an’arivony tapitrisa aza, rehefa mitotongana ny toe-karena. Anontanio ange ny dokoterany e!”—THE NEW YORK TIMES, ETAZONIA.

Mampirisika Hanao Firaisana ny Tele

“Mihamaro ny porofo ahitana fa misy fiantraikany eo amin’ny fiheveran’ny tanora ny firaisana sy ny fitondran-tena, ny fijereny fandaharana amin’ny tele misy resaka firaisana”, hoy ny gazety Pediatrics. Araka ny fandinihana iray, dia “atahorana kokoa ho bevohoka” ny tanora mpijery an’ireny fandaharana ireny, raha oharina amin’ireo tsy mpijery. Lasa mieritreritra angamba izy ireo hoe tsy dia mampaninona ny manao firaisana. Tsy tena asehon’ny tele mantsy ny marina momba ny fananana anaka tsy nirina sy ny aretina azo avy amin’ny firaisana. Tsy ny tele ihany anefa no mampirisika ny tanora hanao firaisana. Milaza ny manam-pahaizana fa mampirisika hanao izany koa ny gazetiboky sy ny Internet ary ny mozika.

Mihabetsaka Indray ny Voan’ny Habokana

Telo arivo izao any Etazonia no tsaboina, satria voan’ny aretin’i Hansen, izany hoe ny habokana. Olona 150 eo ho eo isan-taona no voan’izy io ary mpiavy ny maro aminy. Voamariky ny Fikambanana Miady Amin’ny Aretin’i Hansen, any Baton Rouge, Louisiane, fa “marary 30 eo ho eo isan-taona no avy any amin’ny faritra atsimon’i Louisiane sy ny Hoalan’i Meksika, any Texas. Teraka teto Etazonia izy ireo ary mbola tsy tany amin’ny toerana misy habokana, nefa voan’io aretina io.” Izany no nolazain’ny Fikambanana Amerikanina Misahana ny Fahadiovana sy Fitsaboana ny Aretin’ny Tany Mafana. Mbola tsy tena mazava amin’ny manam-pahaizana hatramin’izao ny fomba ifindran’ny habokana. Azo tsaboina izy io raha hita mialoha. Raha efa mihombo be kosa ilay izy dia tsy misy azo atao intsony.

Mpangalatra Fitaovana Mpamoaka Taratra

Hoy i Mohamed ElBaradei, tale jeneralin’ny Fikambanana Iraisam-pirenena Momba ny Angovo Niokleary: “Tena atahorana ho tonga eny am-pelatanan’ny mpampihorohoro ireo fitaovana niokleary na fitaovana mamoaka taratra. Mampatahotra ny toe-javatra satria efa ho 250 ny tatitra voarainay momba ny hoe nisy nangalatra na very ireny fitaovana ireny, tamin’ny Janoary ka hatramin’ny Jona 2008, fotsiny. Mampatahotra koa ny hoe tsy hita popòka ny ankamaroan’izy ireny.” Tsy fantatra izay mahatonga izany, na hoe be mpitady ny fitaovana mpamoaka taratra, na lasa marina kokoa ny tatitra nataon’ireo firenena anisan’ilay fikambanana.

Soratra Fahiny Hita Tany Israely

Nanao fikarohana teo amin’ny toerana nisy manda iray tamin’ny taonjato fahafolo T.K. ny manam-pahaizana israelianina, ary nahita soratra teo amin’ny silaka tanimanga iray. Nosoratana tamin’ny ranomainty ireo andalana dimy teo amin’izy io. Toa 1 000 taona talohan’ny Horonam-bokin’ny Ranomasina Maty no nosoratana ilay teny. Any Khirbet Qeiyafa, any Israely, no misy an’io toerana io. Mbola tsy azo tsara ny dikan’ilay soratra nefa toa miresaka lalàna ilay izy, ary mpanora-dalàna mahay no nanoratra azy. Ahitana ny “fototenin’ny hoe ‘mpitsara’, ‘mpanompo’ ary ‘mpanjaka’ ” ilay izy, hoy ny gazety navoakan’ny Oniversite Hebreo any Jerosalema.

[Sary nahazoan-dalana, pejy 30]

Gabi Laron/Institute of Archaeology/Hebrew University © Yosef Garfinkel