Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ny Zavamaneno teo Amin’ny Israely Fahiny

Ny Zavamaneno teo Amin’ny Israely Fahiny

Ny Zavamaneno teo Amin’ny Israely Fahiny

EFA anisan’ny kolontsain’ny Israelita fahiny ny mozika. Notsofina ny trompetra sy ny anjombona mba hiantsoana ny olona hivavaka na mba hampahafantarana fotoan-dehibe iray. Notendrena ny harpa sy ny lokanga mba hampitonena mpanjaka. (1 Samoela 16:14-23) Novelezina ny amponga sy ny kipantsona rehefa nisy fety, ary nakorintsana ny korintsana.—2 Samoela 6:5; 1 Tantara 13:8.

Milaza ny Baiboly fa i Jobala, taranak’i Kaina, no “nipoiran’ny mpitendry harpa sy mpitsoka sodina rehetra.” (Genesisy 4:21) Izy angamba no namorona ny zavamaneno tsofina sy ireo misy tadiny.

Miresaka momba ny fotoan-dehibe maro nampiasana mozika ny Baiboly. Tsy dia voaresaka kosa ny momba an’ireo zavamaneno. Nanampy an’ireo manam-pahaizana hamantatra ny mety ho endrik’ireo zavamaneno taloha sy ny feony anefa ny fikarohana ny any ambanin’ny tany sy ireo soratra fahiny. Misy tsy azo antoka tsara ny zavatra hitan’izy ireo. Nahazoana fanazavana tsara kosa ny sasany ary izany no hojerentsika izao.

Ampongatapaka sy korintsana ary kipantsona

Nanao fahagagana Andriamanitra rehefa nitarika an’i Mosesy sy ny Israelita namakivaky ny Ranomasina Mena. “Nitondra ampongatapaka sady nandihy” i Miriama anabavin’i Mosesy sy “ny vehivavy rehetra”, taorian’izay. (Eksodosy 15:20) Mbola tsy nahitana ampongatapaka toy ny ankehitriny, tany ambanin’ny tany. Nisy sariolona kely hita anefa tany Akziba sy Megido ary Beti-sana. Sarina vehivavy mihazona amponga kely ireo hita tany Israely ireo. Toa vita tamin’ny hazo boribory nasiana hodi-biby nohenjanina io zavamaneno io, ary matetika no antsoina hoe ampongatapaka, ao amin’ny Baiboly.

Novelezin’ny vehivavy ny ampongatapaka rehefa nisy fety, fahiny ela be, ary narahina hira sy dihy izany. Tantarain’ny Baiboly fa rehefa nandresy tamin’ny ady iray i Jefta, mpitarika ny Israelita, dia nihazakazaka nitsena azy ny zanany vavy ary “nively ampongatapaka sady nandihy.” Nisy vehivavy nidera ny zava-bitan’i Davida koa, indray mandeha. “Sady nihira izy ireo no nandihy tamin’ny feon’ampongatapaka.”—Mpitsara 11:34; 1 Samoela 18:6, 7.

“Nanao fety teo anatrehan’i Jehovah” ny vahoaka, rehefa nentin’i Davida Mpanjaka tany Jerosalema ny vata misy ny fifanekena. “Nampiasa ny karazan-javamaneno rehetra vita tamin’ny hazo zenevrie [izy ireo], ary nampiasa harpa sy lokanga sy ampongatapaka sy korintsana ary kipantsona.” (2 Samoela 6:5) Nanana orkesitra manokana ny tempoly tao Jerosalema, tatỳ aoriana. Nisy mpitendry mahay tao, izay nitendry kipantsona sy trompetra ary harpa sy zavamaneno hafa misy tadiny.

Toy inona kosa ny endrik’ireo korintsana? Toa vy somary boribory misy tahony ilay izy ary mikorintsana rehefa ahetsiketsika. Tamin’ny fotoana nitondrana ny vata misy ny fifanekena hankany Jerosalema ihany no iresahan’ny Baiboly momba ny korintsana. Toa nampiasaina koa anefa izy io rehefa nisy fahoriana, araka ny voalazan’ny lovantsofina jiosy.

Ahoana indray ny amin’ireo kipantsona fahiny? Vy boribory roa ngezabe atao mifandona angamba no tonga ao an-tsainao. Tena kely anefa ny kipantsona sasany nampiasain’ny Israelita fahiny (10 santimetatra eo ho eo), ary mikarantsana ny feony.

Harpa sy zavamaneno hafa misy tadiny

Fampiasan’ny Israelita fahiny ny harpa. Nitendry azy io i Davida mba hampitonena an’i Saoly Mpanjaka. (1 Samoela 16:16, 23) Nahavita modelina harpa 30 samihafa, fara fahakeliny, ny manam-pahaizana, noho ireo sarina harpa hita tamin’ny rindrina, vola madinika, tombo-kase, ary vakivakin-javatra fahiny. Niovaova foana ny endrik’izy io. Hazonina eny an-tanana ilay izy, ary tendrena amin’ny tanana na amin’ny zavatra kely fitendrena azy.

Misy zavamaneno iray mitovitovy amin’ny harpa koa, ary tsy fantatra tsara ny isan’ny tadiny, na ny halehibeny, na ny fomba fitendrena azy. Miaiky anefa ny ankamaroan’ny manam-pahaizana fa samy azo entin-tanana izy io sy ny harpa.

Trompetra sy anjombona

Nasain’Andriamanitra nanamboatra trompetra roa vita amin’ny volafotsy voatefy amin’ny marotoa i Mosesy. (Nomery 10:2) Nampiasain’ny mpisorona izy ireny mba hilazana zava-mitranga mifandray amin’ny tempoly sy fety hafa. Afaka mamoaka feo samihafa izy ireny, arakaraka izay zava-mitranga. Mety ho mafy sy lavareny izany na vetivety fotsiny. Tsy fantatra izay tena endrik’ireo trompetra ireo, satria mbola tsy nisy trompetra fahiny hita hatramin’izao. Modely noeritreretin’olona fotsiny no ananantsika, toa an’ilay sary mivohitra hita eo amin’ny Andohalambon’i Titus, any Roma.

Im-70 mahery no tononina ao amin’ny Soratra Hebreo ny anjombona, izay vita tamin’ny tandrok’ondry na tandrok’osy. Milaza ny boky jiosy fa nisy karazany roa izy io. Ny iray mahitsy be ary nisy vavany volamena. Ny iray kosa mifaingoka ary nampihaingoina volafotsy. Matetika izy io no nampiasaina mba ho fampandrenesana, satria re midoboka hatrany lavitra be ny feony ary mamoaka feo roa na telo samihafa indray miaraka.

Nampiasain’ny Israelita fahiny ny anjombona mba hampahafantarana fotoan-dehibe teo amin’ny fivavahany, toy ny fanombohana na fifaranan’ny Sabata. Nampiasaina tamin-javatra hafa koa izy ireny, ohatra hoe rehefa nisy ady. Alao sary an-tsaina ny feon’ireo anjombona 300 nentin’i Gideona sy ny tafiny rehefa notafihin’izy ireo tampoka tamin’ny alina ny Midianita. Tsy maintsy ho nampahatahotra be izany!—Mpitsara 7:15-22.

Zavamaneno isan-karazany

Nampiasaina tamin’ny andron’ny Baiboly koa ny lakolosy sy ny sodina ary ny mandôlinina. Nitantara momba ny orkesitr’i Nebokadnezara mpanjakan’i Babylona i Daniela, mpaminanin’i Jehovah natao sesitany tany Babylona. Nahitana valiha vata sy sodina ary sodina misy kitapon-drivotra ilay orkesitra.—Daniela 3:5, 7.

Vao vitsivitsy monja amin’ny zavamaneno resahin’ny Soratra Masina no hitantsika teo. Hita anefa hoe efa fiainan’ny Israelita fahiny ny mozika ary azo inoana fa toy izany koa ny an’ny firenen-kafa fahiny. Nandrenesana mozika tany amin’ny lapa sy toeram-pivavahana ary tany an-tanàna sy isan-tokantrano.

[Sary, pejy 15]

Nakorintsana ny korintsana

[Sary, pejy 15]

Nahay nitendry harpa i Davida Mpanjaka

[Sary, pejy 15]

Nampiasaina fahiny ela be ny ampongatapaka

[Sary, pejy 15]

Nampiasaina hampahafantarana fotoan-dehibe maro ny trompetra

[Sary, pejy 16]

Sarina vehivavy mihazona karazana amponga, taonjato fahavalo T.K.

[Sary, pejy 16]

Vola madinika tamin’ny taonjato faharoa, ahitana sarina zavamaneno misy tadiny

[Sary, pejy 16]

Avy teo amin’ny tempolin’i Jerosalema ity vato ity ary nisy soratra hoe ‘mankany amin’ny fampanenoana trompetra’, taonjato voalohany T.K.

[Sary nahazoan-dalana, pejy 16]

Sarivongana tanimanga: Z. Radovan/BPL/Lebrecht; vola madinika: © 2007 by David Hendin. All rights reserved; vato teo amin’ny tempoly: Photograph © Israel Museum, Jerusalem; courtesy of Israel Antiquities Authority