Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tena Hifarana ny Fijaliana

Tena Hifarana ny Fijaliana

“[Hofafan’Andriamanitra] ny ranomaso rehetra amin’ny mason’izy ireo, ka tsy hisy fahafatesana intsony, sady tsy hisy intsony ny alahelo na ny fitarainana na ny fanaintainana, fa efa lasa ny zavatra taloha.”—Apokalypsy 21:4.

AZO itokisana ve io fampanantenana io? Eritrereto ny fampitandremana iray nomena ny olombelona voalohany. Nilazan’Andriamanitra i Adama fa “ho faty tokoa” izy raha tsy mankatò. (Genesisy 2:17) Maty tokoa izy, ary mandova fahafatesana ny olombelona sady mijaly. Azo itokisana àry ny tenin’Andriamanitra. Tsy tokony hisalasala koa isika rehefa mampanantena izy hoe haveriny ho lavorary indray ny fiainana eto an-tany.

Tadidio koa fa mangoraka sy be fitiavana ary tia rariny Andriamanitra, araka ny lahatsoratra teo aloha, ary ananantsika ireo toetrany ireo matoa isika te hamarana ny fijaliana. Asehon’ny zava-mitranga eran-tany sy ny toetran’ny ankamaroan’ny olona ankehitriny fa kely sisa dia hofaranany izany.—Jereo ilay efajoro hoe  “Rahoviana no Hitranga Izany?”

I Jehovah Andriamanitra irery no tena mahavita mamarana ny fijaliana. Nahoana? Vitany ny manafoana an’ireo antony fototra mahatonga ny fijaliana. Diniho ny fomba nampiasany an’i Jesosy Zanany mba hanaovana izany.

Safidy.

Nitondra loza ho an’ny taranany rehetra i Adama razambentsika, noho ny safidy nataony. Hoy ny apostoly Paoly: “Mbola miara-mitoloko sy miara-mijaly foana ny zavaboary rehetra.” (Romanina 8:22) Tsotra sy ara-drariny ny vahaolana omen’Andriamanitra ary ahitana hoe mamindra fo izy. Hoy ny Romanina 6:23: “Fahafatesana no tambin’ny ota, ary fiainana mandrakizay amin’ny alalan’i Kristy Jesosy Tompontsika kosa no fanomezana omen’Andriamanitra.”

Tsy nanota i Jesosy lavorary, ka azo afahana amin’ny ozon’ny ota sy ny fahafatesana ny olombelona mankatò, rehefa maty teo amin’ny hazo fijaliana izy. Afaka manantena isika izao fa hiaina mandrakizay ary tsy hirona hanao safidy ratsy intsony. Tsy ho eo intsony koa ireo minia mampijaly ny hafa, satria “ny mpanao ratsy horinganina.”—Salamo 37:9.

Fisehoan-javatra tsy ampoizina sy tsy fahalavorariana.

Manana hery hifehezana ny herin’ny natiora i Jesosy Kristy Mpanjaka voatendrin’Andriamanitra. Nandeha sambokely niaraka tamin’ny apostoliny, ohatra, izy tamin’ny taonjato voalohany, ary “nisy tafio-drivotra mahery, ka niantonta tsy an-kijanona tao anaty sambokely ny onja. Dia nila ho feno rano ilay sambokely.” “Niarina” i Jesosy rehefa nantsoina mba hanampy. “Niteny mafy ny rivotra [izy] sady nilaza tamin’ny ranomasina hoe: ‘Mangìna! Mitonia!’ Dia nitsahatra ny rivotra ka nanjary tony dia tony ny andro.” Talanjona ireo apostoly, ka nilaza hoe: “Hatramin’ny rivotra sy ny ranomasina aza mankatò azy.”—Marka 4:37-41.

“Tsy hanana ahiahy” ireo olombelona mpankatò rehefa hanjaka i Jesosy, “sady tsy mba hiady saina noho ny fahatahorana loza”, toy ny loza voajanahary. (Ohabolana 1:33) Tsy hisy intsony koa ny olona manimba ny tany, mampiasa fomba fanorenana mampidi-doza, tsy miraharaha ny herin’ny natiora, na manao fahadisoana hafa. Tsy hisy hijaly intsony satria hoe sendra eo amin’ny toerana itrangan’ny loza.

Nasehon’i Jesosy koa tamin’izy tetỳ an-tany fa rehefa hanjaka izy dia hisy zavatra hataony mba tsy hisy hijaly intsony noho ny fisehoan-javatra tsy ampoizina. Hoy izy: “Izaho no fananganana ny maty sy fiainana.” (Jaona 11:25) Vitan’i Jesosy tokoa sady tiany ny hanangana an’ireo olona an-tapitrisany maty noho ny loza voajanahary. Fampanantenana poakaty ve izany? Nanangana ny maty i Jesosy mba hanamafisana ny fatokisantsika azy. Voatantara ao amin’ny Baiboly ny telo amin’izany.—Marka 5:38-43; Lioka 7:11-15; Jaona 11:38-44.

“Ilay mpitondra an’izao tontolo izao.”

I Kristy Jesosy no notendren’Andriamanitra mba ‘hanafoana an’ilay manan-kery hahatonga fahafatesana, dia ny Devoly.’ (Hebreo 2:14) Hoy i Jesosy: ‘Tsaraina izao tontolo izao. Ary horoahina ankehitriny ilay mpitondra an’izao tontolo izao.’ (Jaona 12:31) “Handrava ny asan’ny Devoly” i Jesosy ka ataony tsy manan-kery eo amin’ity tontolo ity intsony ny Devoly. (1 Jaona 3:8) Eritrereto ange izany e! Tsy ho eo intsony ilay mahatonga ny olona ho tsy mety afa-po sy ho tia kolikoly ary ho tia tena.