Ahoana no Hampiasanao ny Volanao?
Ahoana no Hampiasanao ny Volanao?
MISY fomba telo azo ampiasana ny vola, amin’ny ankapobeny: 1) Ampiasaina, 2) tehirizina, na 3) zaraina amin’ny olona. Andao aloha hojerentsika hoe ahoana no fomba tsara hampiasana ny vola.
Hita avy amin’ilay olana ara-bola eran-tany fa ilaina ny manao teti-bola tsara, izany hoe manombantombana an’izay hampiasana ny vola miditra. Mety ho olona iray no hanao teti-bola, na fianakaviana, na orinasa, na ny fanjakana.
Teti-bolam-pianakaviana
Ahoana no hanaovana teti-bola? Milaza i Denise Chambers ao amin’ilay bokiny momba ny teti-bola fa “tokony hiara-manao teti-bola ny mpianakavy, mba hahatsapan’ny rehetra hoe ilaina ny manaja an’ilay teti-bola.” Tokony hiara-mijery matetika ny fandehan’ilay teti-bola ny rehetra. Mety hahasoa ny fianakaviana ny miara-manao teti-bola, satria hanampy ny tsirairay hiezaka hianina amin’izay vola miditra.
Mampiasa programa amin’ny ordinatera ny olona sasany mba hanaovana teti-bola. Ny hafa kosa taratasy sy pensilihazo fotsiny no ampiasainy. Manao tsanganana roa izy ireo, ka ny iray hanoratany ny vola miditra, ary ny iray kosa hanoratany ny fandaniana. Ilaina hampidirina ao koa ny vola tokony hatokana isam-bolana ho an’ny fandaniana isan-taona, toy ny hetra na ny vola hanaovana vakansy.
Hita hoe mety koa ny mampiasa valopy samihafa mba hitsinjarana ny vola, ka asiana soratra eo ivelany hoe “Sakafo”, “Hofan-trano”, “Fitaterana”, “Jiro sy Rano”, “Fitsaboana”, sy ny toy izany. Mametraka vola isam-bolana ao amin’ireny valopy ireny ny olona, taloha. Maro kosa izao no mahita fa azo antoka sy tsotra kokoa ny mametraka vola any amin’ny banky, ary maka any rehefa mila.
Mipetraka any Afrika Atsimo i Jonathan sy Anne ary ny zanany roa vavy. Mampiasa valopy izy ireo mba hitsinjarana ny volany. Hoy i Jonathan: “Mila hentitra ianao rehefa mitsinjara ny volanao. Hoatr’izany ihany no hataonao raha any amin’ny banky ny karamanao. Raha lany, ohatra, ny vola natokanao isam-bolana mba hividianana hena, dia tsy tokony haka
amin’ny vola efa natokanao ho amin-javatra hafa ianao.”Nitantana orinasa i Jonathan taloha. Nifidy ny hanao asa an-tsitrapo anefa izy mianakavy ka lasa mpanorina toeram-pivavahana. Te hanao an’io asa an-tsitrapo io foana izy ireo, ka vao mainka mila manao teti-bola. Miara-midinika ny fandehan’ilay teti-bola foana izy ireo ary mijery raha mila manao fanitsiana.
Ny tena mahasambatra
Hita tamin’ny fikarohana fa tena mahasambatra ny manome an’izay anananao ho an’ny hafa, anisan’izany ny fotoananao sy ny herinao ary ny volanao sasany. Manomeza araka izay anananao, fa izany no tsara indrindra amin’ireo safidy telo voalaza terỳ aloha.
Hoy i Chris Farrell ao amin’ilay bokiny hoe Fomba Vaovao Hitsitsiana: “Manampy hisahanana ny vola lany” ny tahiry. Nanoro hevitra izy hoe: “Anisan’ny fomba tsara sy mety indrindra azonao ampiasana ny volanao ny fanomezana izany ho an’ny hafa.” * Hoy ihany izy: “Tsy vola sy fananana, matetika, no tonga ao an-tsainao rehefa mieritreritra ianao hoe inona no tena zava-dehibe, fa ny fifandraisanao amin’ny hafa sy ny zavatra niainanao ary ny fahatsapana hoe mba nanao zavatra ho an’ny hafa.”
Toa miombon-kevitra aminy i Michael Wagner, manam-pahaizana momba ny toe-karena. Hoy izy ao amin’ilay bokiny mampirisika ny tanora mba hitsitsy vola: “Rehefa ianao mihitsy no miezaka manampy ny olona sahirana kokoa ka tsara fanahy sy malala-tanana aminy, dia hivaly aminao amin’ny fomba samihafa izany. Ny fifaliana tsapanao ao am-ponao rehefa manampy ny hafa anefa no valisoa tsara indrindra ho azonao.”
Milaza ny Baiboly fa mahasambatra ny manome. Efa hitantsika fa mirakitra tenim-pahendrena manampy antsika hahay hitantam-bola ny Baiboly. Handinika fito hafa isika izao.
[Fanamarihana ambany pejy]
^ feh. 12 Azo atao fanomezana ny vola ary azo ampiasaina hanampiana ny hafa, ohatra hoe hikarakarana sakafo ho an’ny havana aman-tsakaiza.