Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ny Hevitry ny Ray Aman-dreny

Ny Hevitry ny Ray Aman-dreny

Ny Hevitry ny Ray Aman-dreny

Manan-janaka mbola tsy mianatra ve ianao? Azo inoana fa anisan’ny manahiran-tsaina anao ireto: Inona no hatao rehefa mila vaniny izy? Ahoana no hanampiana azy hanavaka ny mety sy ny tsy mety? Ahoana no hanitsiana azy araka ny antonony? Diniho izay nataon’ireto ray aman-dreny ireto.

MILA VANINY

“Manantena hahazo an’izay tadiaviny foana ny ankizy rehefa roa taona eo ho eo. Hoatr’izany mihitsy ny zanakay lahy. Manipitsipy zavatra izy rehefa tsy azony izay tadiaviny. Izay izahay vao nitrangan’izany satria io no zanakay voalohany. Nilaza ny olona hoe efa fomban’ny ankizy izany, nefa tsy nampahery anay mihitsy izany.”—Susan, Kenya.

“Fanaon’ny zanakay vavy ny mitsilany eo amin’ny tany sady mikiakiaka sy mitomany ary mandaka, tamin’izy roa taona. ... Nandreraka be izany. Tsy azo iresahana mihitsy izy rehefa manao an’izany. Alefanay any an’efitranony àry izy ary ilazanay moramora hoe afaka miresaka aminay rehefa tonitony. Mankao aminy ny iray aminay avy eo ary mampisaintsaina azy hoe nahoana no tsy nety ny nataony. Nahomby izany. Renay nifona tamin’Andriamanitra mihitsy izy indray mandeha. Lasa tsy dia nila vaniny izy rehefa nandeha ny fotoana ary tsy nanao an’izany intsony tamin’ny farany.”—Yolanda, Espaina.

“Tsapain’ny ankizy hoe hatraiza ianao no hilefitra aminy. Tsy fantatry ny zanakao intsony izay tianao hataony raha avelanao hanao zavatra efa nandraranao azy izy. Hentitra sy tsy niovaova hevitra izahay, ka hitanay fa takatry ny zanakay tsikelikely hoe tsy voatery hahazo izay tiany izy rehefa mikiakiaka.”—Neil, Grande-Bretagne.

FIFEHEZANA

“Sarotra ny mamantatra raha tena mihaino izay lazainao ny zaza latsaka ny dimy taona na tsia. Ilaina àry ny mamerimberina. Tsy maintsy mamerimberina injato kely ianao ary hentitra tsara sady mila manao fihetsika.”—Serge, Frantsa.

“Tsy mitovy ny zanakay efatra mianadahy na dia mitovy aza ny fomba itaizana azy. Ny iray tonga dia mitomany raha vao mahafantatra hoe nampalahelo anay ny zavatra nataony. Ny iray kosa manandrana mitsapa hoe hatraiza izahay no hilefitra. Mivandravandra fotsiny na mibedy kely fotsiny izahay indraindray dia efa ampy. Ilaina kosa ny manasazy indraindray.”—Nathan, Kanada.

“Tokony tsy hilefitra ianao, nefa koa tsy tokony ho hentitra loatra na hasiaka be. Tsapanay hoe ilaina ny mahay mandanjalanja sy mampihena an’ilay famaizana, raha tena manenina ilay zaza.”—Matthieu, Frantsa.

“Miezaka tsy hametraka fitsipika be loatra aho, nefa tsy azo iadiam-barotra izay fitsipika efa apetrako. Fantatry ny zanako lahy telo taona ny ho vokany raha tsy mankatò izy, ary manampy azy tsy haditra izany. Marina fa mitady ho kamo hibedy azy aho rehefa reraka. Tiako haseho anefa hoe tsy te hiovaova aho, ka bedesiko ihany izy rehefa manao zavatra tsy mety. Tena ilaina ny tsy miovaova hevitra!”—Natalie, Kanada.

TSY MIOVAOVA

“Toy ny hoe misy fitaovana elektronika fitadidiana ao amin’ny ankizikely ka tadidiny raha vao miovaova hevitra ny rainy na ny reniny.”—Milton, Bolivia.

“Manontany zavatra iray ihany ny zanakay indraindray fa ataony amin’ny fomba samihafa fotsiny, mba hahitany raha mitovy ny valiny omenay. Raha tsy mitovy hevitra izahay mivady dia hararaotiny.”—Ángel, Espaina.

“Rehefa falifaly aho dia tsy nobedesiko ny zanako na dia maditra aza, fa nosaziko mafy kosa izy rehefa nisy nahatezitra ahy. Hitako hoe vao mainka nampahaditra azy izany.”—Gyeong-ok, Korea.

“Zava-dehibe ny hahatakaran’ny ankizikely hoe rehefa ratsy ny toetra iray dia ratsy foana.”—Antonio, Brezila.

“Raha miovaova foana ny ray aman-dreny, dia hieritreritra ilay ankizy hoe tsy ampoizina mihitsy izay fanapahan-kevitra horaisin’izy ireo fa hiovaova arakaraka ny fihetseham-pony. Ho fantatr’ilay ankizy kosa hoe rehefa ratsy ny zavatra iray dia ratsy foana, raha mampihatra ny fitsipika apetrany ny ray aman-dreny. Hilamin-tsaina ilay ankizy amin’izay sady hahatsapa hoe tiana.”—Gilmar, Brezila.

“Mety hanararaotra ny ankizy rehefa toa tsy afaka mandà ny fangatahany ny rainy na ny reniny, ohatra hoe rehefa eny imason’olona. Rehefa mandà aho dia mandà hatramin’ny voalohany, sady ataoko mazava hoe tsy hanaiky aho na dia hangataka tsy misy farany aza izy.”—Chang-seok, Korea.

“Tokony hiray saina ny ray aman-dreny. Miresaka mitokana izahay mivady rehefa tsy mitovy hevitra. Tsikaritry ny ankizy rehefa tsy miray saina ny ray aman-dreniny, ary hararaotiny izany.”—Jesús, Espaina.

“Hilamin-tsaina ny ankizy rehefa mahalala fa miray saina sy tsy azo fetsifetsena ny ray aman-dreniny. Fantany izay miandry azy raha mankatò izy na tsy mankatò.”—Damaris, Alemaina.

“Omenay an’ilay zanakay vavy izay nampanantenainay azy mba hampisehoana fa tsy miovaova hevitra izahay. Lasa matoky an’izay ampanantenainay àry izy.”—Hendrick, Alemaina.

“Tsy tiako raha ovaovan’ny mpampiasa ahy foana ny zavatra takiny amiko. Toy izany koa ny ankizy. Hilamin-tsaina izy ireo rehefa fantany izay takina aminy ary fantany fa tsy hiovaova izany. Tokony ho fantany hoe inona no hatao aminy rehefa tsy mankatò izy, sy hoe tsy hiovaova izany.”—Glenn, Kanada.

[Teny notsongaina, pejy 8]

“Rehefa Eny dia Eny, rehefa Tsia dia Tsia.”—Jakoba 5:12

[Efajoro/Sary, pejy 9]

MOMBAMOMBA NY FIANAKAVIANA IRAY

Tsy Nanampo ny Hiteraka Izahay

Notantarain’i Tom sy Yoonhee Han

Tom: Vao nivady enim-bolana izahay dia hitan’i Yoonhee hoe bevohoka izy. Niseho ho tony aho satria tiako hahazo toky izy hoe hanampy sy hampahery azy aho. Natahotra be anefa aho raha ny marina.

Yoonhee: Taitra be aho sady natahotra. Nitomany be aho. Tsapako hoe tsy vonona aho sady tsy mahay mitaiza.

Tom: Tsy vonona ny hitaiza koa aho. Niresaka tamin’ny ray aman-dreny hafa anefa izahay ka fantatray fa hay betsaka ny olona manan-janaka nefa tsy nieritreritra ny hiteraka. Renay koa izy ireo milaza ny fifaliany satria hoe lasa dada na neny. Nisinda tsikelikely ny tahotro ary lasa tsy andriko indray izay hahatongavan’ilay zaza.

Yoonhee: Nisy olana hafa indray rehefa teraka i Amanda. Nitomany foana izy ary tsy natory mihitsy aho nandritra ny herinandro maromaro. Nalain-komana koa aho ka reraka be. Tsy te hahita olona aho tamin’ny voalohany. Hitako anefa hoe tsy tsara ny mitokantokana ao an-trano ka niaraka tamin’ny vehivavy hafa sambany vao niteraka aho. Afaka nampitaha tena tamin’izy ireo aho ka nanampy ahy izany hahita hoe tsy izaho irery no nanana olana.

Tom: Niezaka mafy aho mba tsy hiovaovan’ny fahazaranay. Tapa-kevitra, ohatra, izahay mivady fa hanatrika fivoriana kristianina sy hitory foana. Vavolombelon’i Jehovah mantsy izahay. Mitombo koa ny vola lany rehefa manan-janaka, ary misy vola ilaina tampoka indraindray. Mianina amin’izay anananay izahay mba tsy hidi-trosa, satria hampitombo adin-tsaina fotsiny izany.

Yoonhee: Nieritreritra aho tamin’ny voalohany hoe tsy tokony hitory satria mety hanelingelina olona ny zazakely. Hitako anefa hoe tena tia zazakely ny olona. Nitory foana àry aho ary lasa tsy nihevitra ny zanako ho enta-mavesatra intsony.

Tom: Milaza ny Baiboly fa “lova avy amin’i Jehovah” ny zanaka sady “valisoa.” (Salamo 127:3) Fanomezana sarobidy àry ny zanaka. Hoatran’ny amin’ny lova rehetra ihany dia manan-tsafidy ianao, na hampiasa tsara an’ilay lova na tsy hiraharaha azy. Indray mandeha tsy miverina ny dingana tsirairay amin’ny fitomboan’ny ankizy. Te hiaraka amin’ny zanako foana aho amin’ireny dingana rehetra ireny, satria tsy ho azo averina intsony izy ireny.

Yoonhee: Misy zavatra tsy ampoizina indraindray eo amin’ny fiainana, ary tsy ratsy ny hoe bevohoka tampoka. Enin-taona izao i Amanda ary tsy foiko mihitsy izy.

[Sary]

I Tom sy Yoonhee ary Amanda zanany