Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ahoana no Nahatonga ny Teny Arabo ho Fitenin’ny Avara-pianarana?

Ahoana no Nahatonga ny Teny Arabo ho Fitenin’ny Avara-pianarana?

Ahoana no Nahatonga ny Teny Arabo ho Fitenin’ny Avara-pianarana?

TENY arabo no fampiasan’ny avara-pianarana, nandritra ny taonjato maro. Nanomboka tamin’ny taonjato fahavalo, dia nadikan’ireo manam-pahaizana miteny arabo sy nahitsin’izy ireo ny lahatsoratra momba ny siansa sy filozofia tamin’ny andron-dry Ptolémée sy Aristote. Voatahiry sy nihatsara àry ny asa soratr’ireo filozofa fahiny.

Fomba fisainana mifangaro

Nisy tarana-mpanjaka roa nipoitra tany amin’ny faritra manodidina ny Ranomasina Mediterane tamin’ny taonjato fahafito sy fahavalo, dia ny Omeyyades sy ny Abbassides. Nanan-kery teo amin’ny vahoakan’izy ireo tany Arabia, Azia Minora, Ejipta, Palestina, Persa, ary Irak ny Grika sy ny Indianina ka betsaka ny haren-tsaina azon’ireo mpanjaka notrandrahina. Nataon’ny Abbassides renivohiny i Bagdad ka nifangaro tao ny fomba fisainana samihafa. Nifangaro tamin’ny Arabo tao ny Armenianina, Berbères, Sinoa, Coptes, Grika, Indianina, Jiosy, Persianina, Tiorka, Sogdiane, ary hatramin’ireo avy any amin’ny Reniranon’i Oxus, na Amou-Daria, any Azia Afovoany. Niaraka nianatra sy niady hevitra momba ny siansa izy ireo, ka nampifangaro ny fahaizany sy ny kolontsainy.

Nampirisihin’ireo Abbassides mpitondra tao Bagdad hampitombo ny fahalalana tao amin’ilay fanjakana ny avara-pianarana, na avy aiza izy na avy aiza. Nisy ezaka natao mba hanangonana sy handikana boky ho amin’ny teny arabo. An’aliny izy ireny ary miresaka momba ny foto-kevitra samihafa, toy ny filozofia, fitsaboana, fizika, matematika, mozika, ary simia.

Naniraka solontena tany Byzance i al-Manṣūr, mpanjaka silamo tamin’ny taona 754 ka hatramin’ny 775, mba haka lahatsoratra grika momba ny matematika. Nanao toa azy koa i al-Ma’mūn Mpanjaka (813-833) ka nampandika asa soratra grika ho amin’ny teny arabo. Naharitra 200 taona mahery izany tetikasa izany. Efa ho ny lahatsoratra grika rehetra momba ny filozofia sy siansa no voadika ho amin’ny teny arabo, tamin’ny faran’ny taonjato fahafolo. Tsy nandika teny fotsiny anefa ny manam-pahaizana arabo fa nanoratra boky koa.

Boky arabo

Maro ny mpandika teny arabo nahavita asa haingana sy araka ny marina tsara. Misy mpahay tantara àry nilaza hoe tsy maintsy ho nahay tsara an’ilay foto-kevitra ireo mpandika teny. Manam-pahaizana maro koa no nampiasa boky efa voadika rehefa nanao fikarohana.

Nahatonga ny olona hahalala bebe kokoa momba ny maso, ohatra, ilay dokotera sady mpandika teny atao hoe Ḥunayn ibn Isḥāq (808-873), izay Kristianina syriàka. Nahitana kisarisary momba ny maso ny asa sorany ary lasa nampiasaina tamin’ny fitsaboana maso, tany amin’ny tany arabo sy tany Eoropa. Nanoratra boky maromaro momba ny foto-kevitra samihafa ilay filozofa sady dokotera atao hoe Ibn Sīnā na Avicenne (980-1037). Miresaka momba ny fitsipi-pitondran-tena sy ny lojika ary ny fitsaboana sy ny zavatra hita maso ny bokiny. Naka hevitra avy amin’ny fitsaboana fantatra tamin’izany izy ao amin’ilay bokiny hoe Fitsipika Mifehy ny Fitsaboana, izay ahitana ny hevitry ry Galien sy Aristote, filozofa grika malaza. Nampiasaina tamin’ny fitsaboana io boky io, nandritra ny 400 taona teo ho eo.

Tena nampandroso ny siansa ny fanaovana andrana. Nanomboka nanao andrana koa ny Arabo mpikaroka ka namerina nikajy ny savaivon’ny tany ary nanitsy ny fanazavan’i Ptolémée momba ny tany. Nilaza i Paul Lunde, mpahay tantara, fa “sahin’izy ireo mihitsy aza ny nanohitra ny fanazavan’i Aristote.”

Nihanahay ny olona, ary hita taratra teo amin’ny sehatra maro izany. Nanorina fitehirizan-drano sy lakan-drano ary milina ahodin-drano, ohatra, izy ireo, ary mbola misy hatramin’izao ny sasany aminy. Afaka nifidy an’izay masomboly tena mety amin’ny toerana iray koa ny mpamboly, noho ireo boky vaovao momba ny fambolena sy ny zavamaniry. Nitombo àry ny vokatra.

Nanorina ny hopitaly voalohany tao amin’ny fanjakany i Harun Al-Rachid, tamin’ny taona 805. Tsy ela dia nisy hopitaly ny tanàn-dehibe rehetra tao amin’ny faritra nofeheziny.

Foibem-pampianarana vaovao

Nahitana tranomboky sy toeram-pianarana manokana ny tanàna arabo maro. Nanorina foibem-pikarohana sy toerana fandikan-teny tao Bagdad i al-Ma’mūn Mpanjaka. Nantsoina hoe Bait al-Hikma, izay midika hoe “Tranon’ny Fahendrena”, izany. Nisy manam-pahaizana nokaramaina hiasa tao. Voalaza fa nisy boky iray tapitrisa mahery tao amin’ny tranomboky lehibe iray tany Le Caire. Nisy tranomboky 70 koa tao Cordoue, renivohitr’i Espaina tamin’ny fitondran’ny Omeyyades. Tonga tany ny manam-pahaizana sy ny mpianatra nanerana ny tany arabo. Foibem-pampianarana nandritra ny roanjato taona mahery i Cordoue.

Matematika avy tany Inde sy matematika grika no nampiasaina tany Persa. Ireo mpahay matematika tany Inde no namorona ny fampiasana ny tarehimarika zero sy ny toeran’ny tarehimarika. Miova ny isa asehon’ireo tarehimarika arakaraka ny toeran’ireo tarehimarika sy ny toeran’ny zero. Mety ho iray, ohatra, ny tarehimarika 1, nefa mety ho lasa folo na zato, na ny toy izany. Milaza i Lunde fa “nanamora ny fikajiana isan-karazany” io fomba fanisana io “sady nampivoatra ny alzebra.” Nandroso be koa ny jeometria sy ny fikajiana zoro ary ny fijerena lalana, noho ireo manam-pahaizana arabo.

Nisy fotoana tena niroboroboan’ny siansa sy matematika tany amin’ny tany arabo, nefa tsy toy izany ny tany an-kafa. Niezaka nitahiry ny asa soratr’ireo manam-pahaizana fahiny koa ny tany Eoropa teo anelanelan’ny taona 500 sy 1500 tany ho any, indrindra ireo tany amin’ny monasitera. Tsy dia nisy vokany anefa izany raha ampitahaina amin’ny ezaka nataon’ireo Arabo. Niova kosa ny toe-javatra taoriana kelin’ny taona 900 rehefa niditra tsikelikely tany Andrefana ny asa soratr’ireo manam-pahaizana arabo. Nihaniparitaka izy ireny ka lasa niroborobo tany Eoropa koa ny siansa.

Rehefa jerena tokoa ny tantaran’izao tontolo izao, dia tsy misy firenena na olona afaka milaza ho nahatonga ny hafa hanana fahalalana momba ny siansa sy ny toy izany. Maro amin’ny fahalalana ananantsika ankehitriny no vokatry ny fisainan’ny olona fahiny. Tia nikarokaroka sy nanadihady momba an’izay efa ninoan’ny olona izy ireo ary nandrisika ny hafa hieritreritra.

[Sarintany, pejy 26]

(Jereo ny gazety)

◼Fanjakan’ny Omeyyades

◻Fanjakan’ny Abbassides

ESPAINA

Cordoue

BYZANCE

Roma

Constantinople

Reniranon’i Oxus

PERSA

Bagdad

Jerosalema

Le Caire

ARABIA

[Sary, pejy 27]

Sarina maso, nataon’i Ḥunayn ibn Isḥāq

[Sary, pejy 27]

Pejy iray tao amin’ny “Fitsipika Mifehy ny Fitsaboana”, nosoratan’i Avicenne

[Sary, pejy 28]

Manam-pahaizana arabo, ao amin’ny tranomboky iray any Basra tamin’ny 1237

[Sary nahazoan-dalana]

© Scala/White Images/Art Resource, NY

[Sary nahazoan-dalana, pejy 27]

Sarina maso: © SSPL/Science Museum/Art Resource, NY; Fitsipika Mifehy ny Fitsaboana: © The Art Gallery Collection/Alamy