Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Azo Arovana Tsy ho Lany Tamingana ve Izy Ireo?

Azo Arovana Tsy ho Lany Tamingana ve Izy Ireo?

Azo Arovana Tsy ho Lany Tamingana ve Izy Ireo?

IZAO no tanjon’ny Firenena Mikambana, araka ny nambarany tamin’ny 2002: Tsy ho ripaka haingana intsony ny biby sy zavamaniry sady tsy ho simba haingana be ny tontolo iainana, alohan’ny 2010. Natao Taona Iraisam-pirenena ho An’ny Tontolo Iainana àry ny taona 2010.

Mampalahelo fa tsy izany mihitsy no nitranga. Hoy ny BBC: “Raha tokony ho ela kokoa vao hihena ny biby sy zavamaniry, dia lasa mihahaingana avo 1 000 heny izany, noho ny ataon’ny olombelona.” Hoy koa ny gazety Mpanambara Vaovaon’i Nouvelle-Zélande (anglisy): “Ny ampahadimin’ny karazana zavamaniry sy biby mampinono, ny ampahafiton’ny karazam-borona, ary ny ampahatelon’ny karazam-biby mivelona anaty rano sy an-tanety izao no atahorana ho lany tamingana, eran-tany.” Ho hitantsika ny antony iray mahatonga an’izany, rehefa mandinika an’izay nitranga tany Nouvelle-Zélande isika.

Biby sy zavamaniry any Nouvelle-Zélande

Niroborobo ny biby sy zavamaniry tany Nouvelle-Zélande, tamin’ny mbola tsy nisy mponina tany. Nisy vokany ratsy teo amin’ny biby sy ny zavamaniry tany anefa ny biby nentin’ireo mpifindra monina voalohany. Nitondra alika, ohatra, ny Maori. Nety ho nitondra kiore (voalavo avy any Polinezia) koa izy ireo mba hatao sakafo.

Tonga ny Eoropeanina tamin’ny taonjato faha-17 sy 18 ary nitondra totozy sy voalavon-tsambo ary saka. Vetivety dia lasa sakadia ireo saka. Nitondra osy sy kisoa ary serfa mba hatao sakafo koa izy ireo. Nampiditra bitro sy biby hafa koa izy ireo nandritra ny taonjato faha-19 satria tiany ny henany sy ny volony. Tsy noeritreretin’izy ireo mihitsy ny ho vokatr’izany teo amin’ny zavamaniry sy ny vorona.

Efa lasa be loatra ny bitro taorian’ny 1860 ka nisy biby nampidirina mba hihinana azy ireo. Naleon’ilay biby anefa ireo vorona tsy dia mitsoriaka sy mora samborina. Nitombo ihany àry ny bitro.

Milaza ny Sampan-draharaha Mpiaro ny Tontolo Iainana any Nouvelle-Zélande fa zanaka kiwi 9 isaky ny 10 no maty raha mbola tsy feno herintaona, satria be loatra ny biby mihinana azy. Karazam-borona 40 mahery, karazan-tsahona 3, karazana ramanavy 1, karazan’androngo 3 na mihoatra, ary karazam-bibikely maro be no efa ripaka tanteraka. Misy 5 819 ny karazam-biby sy zavamaniry any Nouvelle-Zélande ka ny antsasany mahery no atahorana ho lany tamingana. Lasa anisan’ireo atahorana indrindra ho lany tamingana àry ny biby sy zavamaniry any.

Ezaka nitera-boka-tsoa

Mailo izao ny fanjakana ka tsy mampiditra biby na zavamaniry mety hampidi-doza an’i Nouvelle-Zélande. Nahomby ny ezaka maro nataon’ny Sampan-draharaha Mpiaro ny Tontolo Iainana mba hamongorana an’ireo karazam-biby mpanimba, indrindra fa tany amin’ireo nosy. Teo koa ny fanamboarany toeram-piarovana biby sy zavamaniry.

Anisan’ireny nosy ireny i Tiritiri Matangi, eo ampitan’ny Saikinosin’i Whangaparaoa, any Auckland. Tsy nisy voalavo intsony tany amin’io nosy io tamin’ny 1993 ary nambolena hazo zanatany 280 000 teo ho eo tany, ka lasa toeram-piarovana azo tsidihina. Rehefa tonga any izao ny mpitsidika, dia afaka mihaino sy mijery an’ireo vorona zanatany vao nampidirina, toy ny tieke, takahe, kokako, titipounamu, ary ny hihi. Tsy misy biby mpiremby azy ireny intsony any ka matetika ny mpitsidika no afaka mijery akaiky an’ireny biby mahafatifaty ireny.

Tsy nisy voalavo intsony tany amin’ny Nosin’i Campbell tamin’ny 2003, taorian’ny ezaka naharitra roa taona. Nanomboka naniry indray ireo zavamaniry zanatany ary niverina ireo voron-dranomasina. Na ny ganakelin’i Campbell, izay tsy fahita firy, aza mba nampidirina tany koa.

Nisy ezaka goavana natomboka koa vao haingana, tany amin’ny nosin’i Rangitoto sy Motutapu ary ny Hoalan’i Hauraki, any Auckland. Narovana ilay alana hazo pohutukawa lehibe indrindra eran-tany ary nokarakaraina ny biby sy zavamaniry vao nampidirina tany. Efa zato taona no tsy hita tany ny vorona korimako sy ny boloky kakariki, nefa hita indray izy ireny rehefa ripaka ny biby mpanimba toy ny sakadia, bitro, sokina, voalavon’i Norvezy, voalavon-tsambo, ary totozy.

Hita amin’ireo ohatra ireo izay azo atao mba hampitomboana indray an’ireo karazana biby sy zavamaniry saika lany tamingana, sy hanarenana ny fahadisoana tamin’ny lasa. Mampanantena ny Baiboly fa i Jehovah Andriamanitra, “Mpanao ny lanitra sy ny tany”, no hamarana ny fanao manimba ny tany sy ny zavaboary. (Salamo 115:15; Apokalypsy 21:5) Tsy andrin’ireo mpankafy zavaboary izay hahatanterahan’izany.

[Teny notsongaina, pejy 25]

Zanaka kiwi 9 isaky ny 10 no maty, nefa tsy feno herintaona akory

[Efajoro, pejy 26]

FOMBA HAMPIASANA TSARA NY VOLA

Sahirana mafy ireo mpiaro ny tontolo iainana eran-tany satria mihabetsaka ny biby sy zavamaniry lany tamingana, nefa voafetra ny vola entina hamahana olana. Maka tahaka ny fomba fiasan’ny toeram-pitsaboana vonjimaika any amin’ny hopitaly izy ireo, ka mijery an’izay mila vonjena voalohany. Miezaka mampiasa ny vola eo am-pelatanana amin’izay fomba mahomby indrindra koa izy ireo, ka jereny raha 1) tena sarobidy ilay biby na zavamaniry na ilay toerana, 2) azo antoka hoe hahomby ilay tetikasa, ary 3) tsy be loatra ny vola ho lany. Tsy ny rehetra no tia an’io fomba fiasa io. Milaza anefa ireo mpanohana an’io hevitra io fa izany no fomba tsara indrindra hampiasana ny vola ananana, satria izay ahazoam-bokatra tsara indrindra no ifantohana.

[Sarintany, pejy 26]

(Jereo ny gazety)

NOUVELLE-ZÉLANDE

Hoalan’i Hauraki

Nosy Tiritiri Matangi

Rangitoto sy Motutapu

Nosin’i Campbell

[Sary, pejy 25]

“Kiwi”

[Sary nahazoan-dalana]

© S Sailer/A Sailer/age fotostock

[Sary, pejy 27]

“Takahe” ao amin’ny Nosin’i Tiritiri Matangi

[Sary, pejy 27]

Nosin’i Campbell

[Sary nahazoan-dalana, pejy 27]

Takahe: © FLPA/Terry Whittaker/age fotostock; Nosin’i Campbell: © Frans Lanting/CORBIS