Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Nisy Namorona Ve?

Ny Elatry ny Voangorin’i Namib

Ny Elatry ny Voangorin’i Namib

● Olona 900 tapitrisa eo ho eo eran-tany no tsy mahazo rano fisotro madio. Mandeha mantsaka lavitra be ny vehivavy sy ny ankizy, any amin’ny faritra maro. Hoy i Shreerang Chhatre, injeniera ao amin’ny Sekoly Momba ny Teknolojia any Massachusetts: “Tena mampalahelo ahy ny hoe tsy maintsy mandeha an-tongotra ora maro ny mahantra vao mahazo izay tena ilaina.” Te hanampy azy ireo ry Chhatre sy ny mpiara-miasa aminy ka nandinika ny voangorin’i Namib mba hahitana ny fomba azo anangonana zavona.

Eritrereto izao: Misy zavona manerana ny Efitr’i Namib, any Afrika, isa-maraina. Manararaotra an’io fotoana kely io ny voangorin’i Namib ka mitodika any amin’ny fiavian’ny rivotra. * Misy mivoitra kely be dia be ny elany ary ireny no misintona an’ireo vovo-drano. Rehefa mitambatra ireo vovo-drano, dia mihalehibe sy mihamavesatra ary mikoriana eny anelanelan’ireo mivoitra. Tsy mitazona rano ny elany ka tonga dia mitsontsorika manaraka ny elany ilay vongan-drano ary mankany am-bavany.

Te haka tahaka an’izany i Chhatre sy ny namany mba hahazoana rano fisotro ho an’ny olona. Mazava ho azy fa mila rano betsaka kokoa noho ny voangory ny olombelona ary mbola olana be ny famatsiana an’ilay tetikasa. Milaza i Chhatre fa “mbola tsy vita” ilay tetikasa momba ny fanangonana zavona ho an’ny olombelona.

Ahoana ny hevitrao? Niova miandalana ve ny elatry ny voangorin’i Namib, sa nisy namorona?

[Fanamarihana ambany pejy]

^ Misy karazana voangory hafa koa manao toy izany, mba hahazoana rano.

[Sary, pejy 22]

Vongan-drano mikoriana mankany am-bavan’ilay voangory

[Sary nahazoan-dalana, pejy 22]

Sary: Chris Mattison Photography/photographersdirect.com