Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Nisy Namorona Ve?

Ny Fahaizan’ny Sifodranomasina Manaparitaka Hazavana

Ny Fahaizan’ny Sifodranomasina Manaparitaka Hazavana

● Mahay mamoaka hazavana ny biby maro any an-dranomasina. Hafakely anefa ny ampiasan’ny karazana sifotra iray an’io fahaizana io. Misitrika ao anaty akorany io sifotra io rehefa misy foza mitady hihinana azy ary mamoaka hazavana hampitahorana an’ilay foza izy. Ahoana anefa no hivoahan’ilay hazavana avy eo amin’ny akorany?

Diniho izao: Tsy manakana an’ilay hazavana ny akorany fa manaparitaka an’izany kosa. Hitan’i Dimitri Deheyn sy Nerida Wilson, mpahay siansa ao amin’ny foibem-pikarohana iray any San Diego, any Etazonia, fa mitovy ny herin’ny hazavana manerana ny akoran’ilay sifotra. Raha maka ampola mitovy hatevina amin’ilay akora (0,5 milimetatra) isika ary asolo ny akoran’ilay sifotra, dia ho avo folo henin’ny hazavana aparitak’ilay ampola no haparitak’ilay akora. Mahavita manaparitaka hazavana koa ilay akora ary mahery kokoa noho ny vitan’ny jiro amboarin’olombelona izany. Io karazana hazavana io no tody lavitra indrindra any an-dranomasina. Mahagaga fa tsy mahavita manaparitaka hazavana toy izany ny akoran’ny sifotra tsy mamoaka hazavana, izay mitovitovy amin’io sifotra io.

Milaza ny Pr. Deheyn fa “mety hilaina amin’ny fanamboarana jiro tsara kokoa” ny zavatra fantatra momba an’io sifodranomasina io. Misy mpitsabo mampiasa hazavana mba hitiliana aretina sy hitsaboana, ary hilain’izy ireo amin’izany koa ny fikarohana atao momba an’io sifotra io. Hitsitsy angovo koa isika raha mahavita jiro kely mamoaka hazavana mahery be.

Ahoana ny hevitrao? Niova miandalana ve ny akoran’ilay sifodranomasina sa nisy namorona?

[Sary, pejy 18]

Ilay akora nohalehibeazina

[Sary, pejy 18]

Ilay akora rehefa mamoaka hazavana

[Sary nahazoan-dalana, pejy 18]

Eo ankavia: www.robastra.com; eo afovoany sy eo ankavanana: Courtesy of Dr. D. Deheyn, Scripps Institution of Oceanography, UC San Diego