Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

MATOAN-DAHATSORATRA

Inona Marina ny Halloween?

Inona Marina ny Halloween?

Mahafantatra olona mankalaza Halloween ve ianao? Fety malaza be any Etazonia sy Kanada izy io, ary atao isaky ny 31 Oktobra. Misy fety sahala amin’izy io anefa ataon’ny olona eran-tany. Ny anarany fotsiny no samy hafa, fa izy rehetra samy misy resaka fanahin’ny maty, na matoatoa, na mpamosavy, na devoly sy anjely ratsy mihitsy.—Jereo ilay hoe  “Fety Mitovy Amin’ny Halloween.”

BETSAKA amin’ireo mankalaza Halloween sy fety mitovitovy aminy no tsy tena mino ny matoatoa na angatra. Mba te hifety fotsiny izy ireo sady tiany koa ny zanany haka sary an-tsaina zavatra isan-karazany. Misy koa anefa no mino fa ratsy ireny fety ireny. Nahoana?

  1. Hoy ny rakipahalalana iray: “Ny tena tanjon’ny Halloween dia ny hifandraisana amin’ny fanahin’ny maty sy herin’ny maizina ary fanahy ratsy mampitahotra na mety hanisy ratsy.” (Jereo ilay hoe  “Ny Tantaran’ny Halloween.”) Ireo fety mitovitovy amin’ny Halloween koa samy avy amin’ny fanompoan-tsampy sy fivavahana amin’ny razana. Olona maro eran-tany no mbola miezaka mifandray amin’ny maty, rehefa amin’ireny fotoana ireny.

  2. Fety amerikanina no tena ahafantarana ny Halloween, nefa mihamaro foana isan-taona no lasa mankalaza azy io. Tsy fantatr’izy ireny anefa fa avy amin’ny fanompoan-tsampy ny fombafomba sy zavatra ampiasaina amin’ny Halloween. Tsy azony an-tsaina koa fa misy resaka herin’ny maizina sy matoatoa na fanahy ratsy ilay izy.—Jereo ilay hoe  “Ahoana no Niandohany?”

  3. Nankalaza ny fetin’ny maty ny Selta fahiny (mponina tany Irlandy sy ny manodidina). Antsoina hoe Samain ilay izy, ary io no niavian’ny Halloween. Mbola manao azy io ny Wicca, fivavahana mpanompo sampy. Alina masina indrindra io amin-dry zareo ary mbola antsoiny hoe Samain. Hoy ny mpisikidy iray ao amin’ny Wicca, tao amin’ny gazety Etazonia Ankehitriny (anglisy): ‘Mankalaza ny fetinay ny Kristianina, fa ry zareo fotsiny no tsy tonga saina. Vao mainka tianay koa izany.’

  4. Mifanohitra amin’ny Baiboly ny fety toy ny Halloween. Izao mantsy no voalaza ao: ‘Aoka tsy hisy eo aminao ny olona manao sikidy, na mampiasa herin’ny maizina, na mpilalao ody, na olona mankany amin’ny mpamoha angatra, na olona manontany amin’ny maty.’—Deoteronomia 18:10, 11; jereo koa ny Levitikosy 19:31; Galatianina 5:19-21.

Araka izany àry, dia avy amin’ny fanompoan-tsampy ny Halloween sy ny fety mitovitovy aminy. Tsy ilaina fantarina ve izany, hoy ianao? Raha azonao tsara mantsy ilay izy, dia na ianao aza mety hiombon-kevitra amin’ireo tsy mankalaza azy io.

‘Mankalaza ny fetinay ny Kristianina, fa ry zareo fotsiny no tsy tonga saina. Vao mainka tianay koa izany.’—Tenin’ny mpisikidy iray, tao amin’ny gazety Etazonia Ankehitriny

^ feh. 37 Midika hoe “olo-masina” ny hoe hallow, ka nantsoina hoe All Hallow’s Day ny Fetin’ny Olo-masina Rehetra. Ny alina talohan’io fety io no natao hoe All Hallow Even, ka lasa hoe Halloween rehefa nohafohezina.