Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

 MATOAN-DAHATSORATRA | HATANJAHO NY SAINA RAHA MISY LOZA TAMPOKA

Raha Fongana Tampoka ny Fanananao

Raha Fongana Tampoka ny Fanananao

Nisy horohoron-tany nahatratra 9,0 amin’ny maridrefy Richter namely an’i Japon, ny zoma 11 Martsa 2011. Olona 15 000 mahery no maty ary mitentina 200 000 tapitrisa dolara ny zavatra simba. Rehefa henon’i Kei, lehilahy 32 taona, fa hisy tsunami, dia lasa izy namonjy toerana avoavo. Hoy izy: ‘Nody tany an-trano aho ny ampitso mba hijery izay zavatra mbola azoko alaina. Nofaohin’ny rano tanteraka anefa ny tranoko, ka fototra sisa no niangana!’

‘Hoatran’ny tsy tonga saina izany aho tamin’ny voalohany. Dia lasa daholo ve ny fananako rehetra? Ny fiarako, ny ordinatera maromaro fampiasako amin’ny asa, ny seza sy latabatra, seza mihaja fandraisako vahiny, piano, gitara, sodina, ary ireo sary hoso-doko nataoko sy ny fitaovana rehetra nampiasaiko tamin’izany.’

SOSO-KEVITRA HANAMPY ANAO

Mifantoha amin’izay mbola anananao, fa tsy izay nafoinao. Milaza ny Lioka 12:15 fa “na manam-be aza ny olona, dia tsy miankina amin’ny zavatra ananany ny ainy.” Hoy i Kei: “Nataoko lisitra izay mba tiako hananana. Lasa tadidiko daholo anefa ny zavatra nafoiko. Izay tena nilaiko ihany àry sisa no nosoratako, ary nomarihiko izay efa azoko. Mba niverina tamin’ny laoniny tsikelikely ny fiainako taorian’izay.”

Aza mieritreritra be an’izay mahazo anao, fa miezaha hampahery ny hafa. Hoy ihany i Kei: “Nahazo fanampiana be dia be tamin’ny fanjakana sy ny namako aho. Lasa nahatsiaro tena ho tsy nisy vidiny anefa aho satria hoatran’ny hoe notoloram-potsiny. Tadidiko ilay teny ao amin’ny Asan’ny Apostoly 20:35 hoe: ‘Mahasambatra kokoa ny manome noho ny mandray.’ Niezaka nampahery an’ireo tra-boina hafa àry aho, na dia tsy nanan-javatra homena azy ireo aza. Izany no nanampy ahy tsy ho kivy loatra.”

Mivavaha ka mangataha fahendrena amin’Andriamanitra. Afaka manampy anao izy mba hahita ny tokony hatao. Milaza ny Salamo 102:17 fa ‘mihaino ny vavak’ireo tsy manana na inona na inona intsony’ i Jehovah. Natoky an’izany i Kei, ary afaka matoky an’izany koa ianao.

Fantatrao ve? Mampanantena ny Baiboly fa mbola ho foana ny loza voajanahary, ka tsy hatahotra hamoy ny fananany intsony ny olona. *Isaia 65:21-23.

^ feh. 9 Manazava ny fikasan’Andriamanitra momba ny tany ny boky Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly? toko 3, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.