Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

HO AN’NY FIANAKAVIANA | TANORA

Aza Manaiky ho Resin’ny Fakam-panahy

Aza Manaiky ho Resin’ny Fakam-panahy

OLANA

“Indraindray misy ankizivavy mangataka ny nomeraoko. Dia hoe andao, hono, ‘hanao’! Izaho aloha tsy nanaiky fa lasa fotsiny e. Any anatiko any anefa aho mieritreritra hoe: ‘Dia ahoana moa raha nomeko azy teo ny nomeraoko?’ Ry zareo aloha misy tena manja kely e! Dia lasa ihany ny sainao hoe: ‘Koa maninona moa?’ ”​—Toky, * 16 taona.

Miady amin’ny fakam-panahy hoatran’i Toky koa ve ianao? Matokia fa afaka mandresy ianao.

TSARA HO FANTATRAO

Midi-kizo ianao raha manaiky ho resin’ny fakam-panahy

Mety ho tratran’ny fakam-panahy daholo isika, na ny olon-dehibe aza. Misy karazany be dia be mantsy ny fakam-panahy. Efa mba olon-dehibe ihany, ohatra, i Paoly nefa mbola niharan’izany. Hoy izy: ‘Tena mahafinaritra ahy ny lalàn’Andriamanitra, nefa ao amin’ny vatako dia ahitako lalàna hafa miady amin’ny lalàn’ny saiko sady mitondra ahy ho babon’ny lalàn’ny ota.’ (Romanina 7:22, 23) Tsy nanaiky ho resin’ny fakam-panahy anefa izy. Afaka manao hoatr’izany koa ianao. Ianao ve dia hanaiky handevozin’ny fanirian-dratsy? (1 Korintianina 9:27) Mianara àry manohitra fakam-panahy, amin’izay ianao tsy hahita olana be dia be, ka tsy hiady saina foana. Tena hahasoa anao koa izany rehefa lehibe ianao.

Mampitombo fakam-panahy ny haino aman-jery. Milaza ny Baiboly fa mafy be ny “faniriana mpitranga eo amin’ny tanora.” (2 Timoty 2:22) Vao mainka anefa manampy trotraka an’izany ny filma, tele, hirahira, ary ny boky sasany. Mandresy lahatra mantsy izy ireny fa tsy mampaninona ny hoe resin’ny fakam-panahy. Rehefa misy olona ‘mifankatia’, ohatra, amin’ny filma iray, dia tsy maintsy manao firaisana ry zareo ao anatin’ilay tantara. Tsy voatery hitovy amin’ny filma anefa ny tena fiainana. Resahin’ny Baiboly fa azo atao tsara ny ‘mifady ny fanirian’ny nofo.’ (1 Petera 2:11) Afaka mandresy fakam-panahy koa àry ianao. Inona anefa no hanampy anao amin’izany?

INONA NO AZONAO ATAO?

Fantaro izay mety hahavoa anao. Na hoatran’ny mafy be aza ny rojo, dia mora tapaka ilay izy raha vao misy masony iray malemy. Atahorana ho resin’ny fakam-panahy kokoa ianao, rehefa sendra ny zavatra mora mahavoa anao. Diniho àry ny tenanao, amin’izay ianao afaka mitandrina.—Toro lalan’ny Baiboly: Jakoba 1:14.

Omano ny sainao. Eritrereto mialoha izay zavatra mety hahatonga anao ho tratran’ny fakam-panahy. Saintsaino hoe inona no hataonao rehefa mitranga ilay izy, dia izay foana tadidina.—Toro lalan’ny Baiboly: Ohabolana 22:3.

Aoka ianao ho tena tapa-kevitra. Milaza ny Baiboly fa rehefa nisy naka fanahy hijangajanga i Josefa, dia niteny hoe: “Hataoko ahoana ny hanao izany ratsy lehibe izany ka hanota amin’Andriamanitra?” (Genesisy 39:9) Hita amin’ilay teniny hoe “hataoko ahoana”, fa tena tapa-kevitra izy hoe tsy hijangajanga mihitsy. Hoatr’izany koa ve ianao?

Namana tsara foana iarahana. Ho kely kokoa ny fakam-panahy hahazo anao, raha namana mampirisika anao hanao ny tsara no fidinao. Hoy mantsy ny Baiboly hoe: “Ho hendry izay miaraka amin’ny hendry.”—Ohabolana 13:20.

Ialao izay zavatra mety hahatonga anao ho mora resin’ny fakam-panahy. Ohatra hoe:

  • Aza miaraka irery amin’ny ankizivavy iray raha ankizilahy ianao, na ny mifamadika amin’izany.

  • Fidio tsara ny toerana sy fotoana ampiasanao Internet, mba tsy halaim-panahy hijery sary vetaveta ianao.

  • Aza atao namana ny olona iray, raha vao hitanao amin’ny fihetsiny na fiteniny hoe mahafinaritra azy ny zavatra ratsy.

Inona koa no azonao tandremana, mba tsy ho tratran’ny fakam-panahy ianao?—Toro lalan’ny Baiboly: 2 Timoty 2:22.

Mangataha fanampiana amin’i Jehovah. Hoy i Jesosy tamin’ny mpianany: “Miambena sy mivavaha foana mba tsy ho resin’ny fakam-panahy.” (Matio 26:41) Tena tian’i Jehovah Andriamanitra handresy fakam-panahy ianao, ary afaka manampy anao izy. Hoy ny Baiboly: ‘Andriamanitra tsy hamela anareo halaim-panahy mihoatra noho izay zakanareo, fa rehefa misy fakam-panahy dia hasiany lalan-kivoahana koa, mba hahazakanareo izany.’—1 Korintianina 10:13.

^ feh. 4 Novana ny anarana.