Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

INONA NO TENA MAHASAMBATRA?

Fanazavana Fanampiny

Fanazavana Fanampiny

EFA NIERITRERITRA VE IANAO HOE:

  • Ahoana no hahasambatra ny fianakaviako?

  • Ahoana no hahazoako namana tsara, ary inona no hanampy ahy ho namana tsara?

  • Mbola hahita an’ireo havako efa maty ve aho?

  • Tsy hisy hijaly intsony ve indray andro any?

  • Ho potika ve ity tany ity, noho ny ataon’ny olombelona?

  • Manampy ny olona hifandray amin’Andriamanitra ve ny fivavahana rehetra?

AFAKA MAHITA NY VALIN’IREO SY NY VALIM-PANONTANIANA HAFA IANAO

Midira ao amin’ny tranonkala jw.org, izay misy amin’ny fiteny 900 mahery. Misy fanazavana momba ny foto-kevitra maro samihafa ao.

Misy video koa ao ahitana olona samy hafa saranga sy fiaviana. Efa mpidoroka zava-mahadomelina ny sasany taminy, na efa nigadra. Ny hafa indray manam-pahaizana be, ohatra hoe mpahay siansa. Lasa sambatra anefa izy ireo, ary tsy nanenenany mihitsy ny fiovana nataony.

Afaka mamaky Baiboly sy boky ary gazety isan-karazany ianao, ao amin’ny jw.org. Azo alaina maimaim-poana koa izy ireo. Ho hitanao ao, ohatra, ireto: