Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

MIKORONTANA IZAO TONTOLO IZAO

3 | Arovy ny Fifandraisanao Amin’ny Hafa

3 | Arovy ny Fifandraisanao Amin’ny Hafa

NAHOANA IZANY NO TENA ILAINA?

Rehefa mihamiady saina ny olona, dia betsaka no lasa tsy miraharaha ny fifandraisany amin’ny hafa na dia tsy fanahy iniany aza.

  • Misy olona lasa mitokantokana fa tsy miaraka amin’ny namany.

  • Ny mpivady lasa vao mainka mifampila vaniny.

  • Ny ray aman-dreny lasa zara raha miraharaha ny adin-tsain’ny zanany, na tsy miraharaha an’izany mihitsy.

Tsara ho fantatra

  • Tena ilaina ny namana, satria ry zareo manampy anao ho salama sy ho tony foana, indrindra rehefa ao anatin’ny sarotra.

  • Mampiady saina ny korontana eo amin’izao tontolo izao, dia mety hampisy olana tsy ampoizina eo amin’ny fianakavianao izany.

  • Mety hisy vokany be amin’ny zanakao ny vaovao ratsy, fa tsy araka ny ieritreretanao azy.

Ny azonao atao

Hoy ny Baiboly: “Tia amin’ny fotoana rehetra ny tena namana, sady tena rahalahy natao hanampy amin’ny fotoan-tsarotra.”​—Ohabolana 17:17.

Eritrereto hoe iza no mety ho afaka hanampy anao sy hanome anao torohevitra mahasoa. Na ny mahafantatra fotsiny aza hoe misy olona miahy anao any ho any, dia efa manampy anao hiatrika ny olana amin’iny andro iny.