Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

NY TILIKAMBO FIAMBENANA No. 1 2023 | Aretin-tsaina—Manampy ve ny Baiboly?

An-tapitrisany eran-tany no tratran’ny aretin-tsaina. Misy soritr’aretina mampanahy daholo na ny antitra na ny tanora, na mahantra na manankarena, na nahita fianarana na tsia, ary na inona na inona foko niaviany na fivavahana misy azy. Fa inona marina no atao hoe aretin-tsaina, ary inona no vokatr’izany amin’ny olona? Horesahina ato ireo. Hodinihina ato koa hoe tena ilaina ny mahazo fitsaboana mety tsara, ary ahoana avy no anampian’ny Baiboly an’izay tratran’io aretina io.

 

Olana Eran-tany ny Aretin-tsaina

Mety hahazo ny rehetra ny aretin-tsaina na firy taona izy na firy taona, na inona na inona zavatra iainany. Ho hitanao ato fa mahasoa ny tari-dalan’ny Baiboly.

Miahy Anao Andriamanitra

Nahoana ianao no afaka matoky fa mahazo an’izay any an-tsainao sy ao am-ponao mihoatra noho ny olona rehetra i Jehovah Andriamanitra?

1 | Vavaka: ‘Apetraho Aminy Izay Rehetra Mampanahy’

Azonao resahina amin’Andriamanitra daholo ve izay zavatra mampitebiteby anao? Nahoana no mahasoa an’ireo miady saina ny mivavaka?

2 | ‘Mampionona Antsika ny Soratra Masina’

Mampanantena ny Baiboly hoe tsy ho ela dia ho anisan’ny zavatra taloha ny fihetseham-po mampijaly antsika.

3 | Mahasoa Anao ny Tantaran’olona ao Amin’ny Baiboly

Tsy dia manirery isika rehefa miatrika ny fihetseham-po mifamahofaho, raha mamaky ny tantaran’olona manana fihetseham-po hoatran’ny antsika ao amin’ny Baiboly.

4 | Misy Torohevitra Mahasoa ao Amin’ny Baiboly

Ho hitanao ato fa ho afaka hiatrika ny olana vokatry ny aretin-tsaina ianao, raha misaintsaina andinin-teny sy manana tanjona azo tratrarina tsara.

Ahoana no Hanampiana An’ireo Tratran’ny Aretin-tsaina?

Mety hanova zavatra ny fanampianao, raha misy namanao voan’ny aretin-tsaina.