Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ezaho fantarina hoe iza no mpiara-manompo mila ampiana, na ampaherezina, na mila hatanjahina ny finoany

Inona no Azonao Atao mba Hanampiana ny Fiangonanao?

Inona no Azonao Atao mba Hanampiana ny Fiangonanao?

HOY i Jesosy tamin’ny mpianany, talohan’ny niakarany tany an-danitra: ‘Ho vavolombeloko any amin’ny faritra lavitra indrindra amin’ny tany ianareo.’ (Asa. 1:8) Ahoana no nahavitan’ny Kristianina voalohany an’izany?

Hoy i Martin Goodman, mpampianatra ao amin’ny Oniversiten’i Oxford: “Nanao asa misionera ny Kristianina raha vao nanjaka kelikely ny Romanina. Izany no nampiavaka azy ireo tamin’ny mpivavaka hafa, anisan’izany ny Jiosy.” Nitety faritra maro i Jesosy rehefa nitory. Fantatry ny tena mpanara-dia azy àry fa nila nitady an’izay te hahalala ny fahamarinana izy ireo, rehefa nitory “ny vaovao tsaran’ny fanjakan’Andriamanitra.” (Lioka 4:43) Izany no anisan’ny antony nisian’ny “apostoly”, teo anivon’ny fiangonana tamin’ny taonjato voalohany. Midika ara-bakiteny hoe nirahina na iraka ny hoe apostoly. (Mar. 3:14) Nandidy mantsy i Jesosy hoe: “Mandehana àry, ataovy mpianatra ny olona any amin’ny firenena rehetra.”—Mat. 28:18-20.

Tsy eto an-tany intsony ny apostolin’i Jesosy 12. Maro anefa ny mpanompon’i Jehovah manana toe-tsain’ny misionera toa azy ireo. Irahina hitory bebe kokoa izy ireo, ka mamaly hoe: “Intỳ aho iraho!” (Isaia 6:8) Misy, ohatra, mandeha any an-tany lavitra, toy ireo an’arivony nahazo diplaoma tamin’ny Sekolin’i Gileada. Ny hafa indray manitatra faritany ao amin’ny taniny. Maro koa no mianatra teny vahiny, ka miara-manompo amin’ny fiangonana na antoko-mpitory mampiasa an’ilay fiteny. Mety ho tsy nandeha ho azy foana ny fiainan’izy ireo talohan’izy hanitatra faritany na hianatra teny vahiny, ka tsy mora taminy ilay izy. Nahafoy tena anefa izy ireo, satria tia an’i Jehovah sy ny mpiara-belona aminy. Vonon-kanampy izy ireo rehefa avy nandinika an’izay ho lany. (Lioka 14:28-30) Tena ilaina ny rahalahy sy anabavy toy ireny.

Tsy ny Vavolombelona rehetra anefa no afaka manitatra faritany na mianatra teny vahiny. Na izany aza, dia afaka manana toe-tsain’ny misionera ny rehetra. Inona àry no azonao atao eo anivon’ny fiangonanao?

MANÀNA TOE-TSAIN’NY MISIONERA

Ataovy izay azonao atao mba...

Nanana toe-tsain’ny misionera ny Kristianina tamin’ny taonjato voalohany. Azo inoana anefa fa tsy niala tao an-tanànany ny ankamaroany. Narahin’izy ireo kosa ny tenin’i Paoly tamin’i Timoty hoe: “Ataovy ny asan’ny mpitory ny vaovao tsara, ary tanteraho tsara ny fanompoanao.” (2 Tim. 4:5) Tokony harahin’ny mpanompon’Andriamanitra rehetra koa izany. Tokony hitory ny hafatra momba ilay Fanjakana sy hanao mpianatra ny Kristianina rehetra, na aiza na aiza misy azy. Afaka manao zavatra maro toy ny ataon’ny misionera koa isika, na eo anivon’ny fiangonantsika ihany aza.

Vaovao be amin’ny misionera ny zavatra maro ao amin’ny tany anendrena azy. Mila miezaka miaina mifanaraka amin’ny zava-misy àry izy. Ny sasany amintsika kosa tsy afaka manitatra faritany. Ahoana àry no ataontsika? Mihevitra ve isika hoe efa haintsika tsara ny faritanin’ny fiangonantsika? Sa isika mitady fomba vaovao hitoriana? Nampirisihina, ohatra, ny mpitory tamin’ny 1940, mba hitory eny an-dalana, indray mandeha isan-kerinandro. Sao mba afaka mitory eny an-dalana koa ianao? Azo atao koa ny mampiasa tabilao fampirantiana. Eritrereto àry hoe inona no fomba fitory hafa mety ho azonao andramana.

handrisihana ny hafa ‘hitory ny vaovao tsara’

Hazoto sy hafana fo isika, raha mieritreritra foana hoe hahomby sy hahita vokatra amin’ny fanompoana. Matetika no mpitory tena mahay ireo manitatra faritany na miara-manompo amin’ny fiangonana miteny vahiny. Mitarika ny asa fanompoana, ohatra, izy ireo ka mandray soa ny fiangonana. Matetika koa ny misionera no mpiandraikitra eo anivon’ny fiangonana, raha mbola tsy misy ny rahalahy mahafeno fepetra. Raha rahalahy vita batisa ianao, moa ve ianao miezaka mba ho vonona hanompo an’ireo rahalahy sy anabavy eo anivon’ny fiangonanao?—1 Tim. 3:1.

MIEZAHA ‘HANAMPY SY HAMPAHERY’

hanampiana ny hafa

Efa tena tsara raha mazoto manompo sy vonona hiantsoroka andraikitra eo anivon’ny fiangonana ianao. Mbola azonao atao koa anefa ny ‘manampy sy mankahery’ an’ireo mpiara-manompo aminao mila fanampiana, na tanora ianao na antitra, ary na lahy na vavy.—Kol. 4:11.

Mila mahafantatra tsara an’ireo mpiray finoana amintsika isika, raha te hanampy azy. Tokony “hifampihevitra” isika rehefa any am-pivoriana. (Heb. 10:24) Tokony hamantatra ny mombamomba ny hafa sy izay ilainy àry isika, nefa tsy hidikiditra amin’ny fiainany. Mety hila fanampiana na fampaherezana izy ireo, na koa mila hatanjahina ny finoany. Misy fotoana, ohatra, ny anti-panahy na mpanampy amin’ny fanompoana no tokony hanampy azy ireo. (Gal. 6:1) Tsy ireo rahalahy ireo ihany anefa no afaka manampy. Isika rehetra kosa no afaka manampy an’ireo rahalahy sy anabavy be taona na fianakaviana manana olana.

hampaherezana an’ireo miady saina noho ny olana mahazo azy

Lasa sahirana ara-bola, ohatra, i Salvatore, ka voatery nivarotra ny orinasany sy ny tranony ary ny ankamaroan’ny fananany. Nanahy izy hoe hanao ahoana ny fianakaviany. Tsikaritry ny fianakaviana iray izany. Nanome vola àry izy ireo, sady nanampy an’i Salvatore sy ny vadiny hahita asa. Nitsidika imbetsaka an-dry Salvatore koa izy ireo rehefa hariva, mba hihaino sy hampahery azy. Lasa mpinamana be ireo fianakaviana roa ireo hatramin’izao. Fahatsiarovana mamy ho azy ireo ny fotoana niarahany, na dia teo aza ireo tebiteby be tamin’ny voalohany.

Tsy misalasala miresaka ny zavatra inoany amin’ny hafa ny tena Kristianina. Tokony hotorina amin’ny olona rehetra ny fampanantenana kanto ao amin’ny Baiboly, toy ny nataon’i Jesosy. Azontsika atao ny miezaka mafy hanao soa amin’ny rehetra, na afaka manitatra faritany isika na tsia. Tena afaka manao soa eo anivon’ny fiangonantsika tokoa isika! (Gal. 6:10) Ho faly isika amin’izay fa manome, ary ‘hahavokatra hatrany eo amin’ny asa tsara rehetra’ isika.—Kol. 1:10; Asa. 20:35.