Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fiainana any Amin’ny Tobin’ny Mpitsoa-ponenana

Fiainana any Amin’ny Tobin’ny Mpitsoa-ponenana

Fiainana any Amin’ny Tobin’ny Mpitsoa-ponenana

INONA no tonga ao an-tsainao rehefa mandre ny teny hoe “tobin’ny mpitsoa-ponenana”? Efa nitsidika iray tamin’izy ireny ve ianao? Manao ahoana ilay izy?

Nisy tobin’ny mpitsoa-ponenana 13 tany andrefan’i Tanzania, tamin’ny fotoana nanoratana ity lahatsoratra ity. Afrikanina 500 000 eo ho eo no niala tany amin’ny taniny noho ny ady an-trano. Nikarakara azy ireo ny fitondram-panjakana tanzanianina sy ny Vaomieran’ny Firenena Mikambana Mikarakara ny Mpitsoa-ponenana (HCR). Manao ahoana ny fiainana any amin’ny tobin’ny mpitsoa-ponenana?

Tonga ao an-toby

Tonga tao an-toby ny tovovavy atao hoe Kandida sy ny fianakaviany, taona vitsivitsy lasa izay. Hoy izy: “Nomen’izy ireo karatra fakana sakafo izahay ary nasiana nomerao izy io. Napetraka tany amin’ny tobin’i Nyarugusu izahay. Nomena tany sy adiresy izahay rehefa tonga tao. Natoro anay ny toerana hikapana hazo sy hakana bozaka hanamboarana trano kely ho anay. Nanao biriky tany izahay, ary nomen’ny HCR selofanina hatao eo ambony tafo. Mafy ilay asa, saingy faly izahay rehefa vita ilay trano bongonay.”

Ampiasaina ilay karatra fakana sakafo rehefa alarobia, fa isaky ny tapa-bolana. “Milahatra eny amin’ny trano fizaran’ny HCR foto-tsakafo izahay mba hahazoana ny anjaranay”, hoy ihany i Kandida.

Manao ahoana ny anjara sakafon’ny olona iray isan’andro?

“Mahazo vovo-katsaka intelon’ny kaopy eo ho eo ny tsirairay aminay, pitipoà iray kaopy, saozà 20 grama, menaka roa sotro, ary sira iray sotro. Mahazo baran-tsavony koa izahay indraindray, ary tsy maintsy atao maharitra iray volana izany.”

Mba misy rano madio ve? “Misy tokoa”, hoy ny vehivavy atao hoe Riziki. “Misy fantsona mitondra ny rano, avy amin’ireo renirano manodidina, ho any amin’ireo siniben-drano. Asiana klôro izy io alohan’ny hizarana azy amin’ireo toerana fakana rano isaky ny toby. Ampangotrahinay ihany ny rano alohan’ny hisotroana azy, sao mampaharary. Matetika izahay no milahatra ny maraina mandra-paharivan’ny andro, mba hanangonana rano sy hanasana lamba. Rano iray siny sy tapany ihany anefa no azo, isan’andro.”

Mety hahita akanin-jaza sy sekoly fanabeazana fototra ary sekoly ambaratonga faharoa ianao, rehefa mandalo any amin’ireo toby. Mety hisy fampianarana olon-dehibe koa any. Ny paositry ny polisy sy ny biraom-panjakana eo ivelan’ny toby no miandraikitra ny filaminana. Mety hahita tsena be misy fivarotana kely be dia be koa ianao. Any no ahitan’ny mpitsoa-ponenana legioma, voankazo, trondro, akoho amam-borona, ary sakafo hafa. Tonga mivarotra ao amin’io tsena io ny tompon-tany sasany. Fa aiza no ahitan’ny mpitsoa-ponenana vola hividianan-javatra? Mamboly legioma eo amin’ny tanimboly kely ny sasany ka amidiny eny an-tsena ny vokatra. Mety hamidin’ny hafa koa ny ampahany amin’ny vovo-katsaka na pitipoà azony, mba hividianany hena na voankazo. Toy ireny tanàn-dehibe ireny tokoa ilay toby. Fahita ny olona mihomehy sy finaritra rehefa eny an-tsena, ka toy ny hoe any an-tanindrazany mihitsy izy.

Raha mandalo kely any amin’ny hopitaly ianao, dia mety hilazan’ny dokotera fa misy toeram-pitsaboana vitsivitsy ao amin’ilay toby. Mitsabo ny aretina madinidinika izy ireny, fa alefa any amin’ny hopitaly kosa ny manana aretina lehibe. Tena ilaina koa ny efitra fiterahana sy ny sampan-draharaha miandraikitra an’izany, satria mety hahatratra 250 eo ho eo ny zaza teraka isam-bolana, any amin’ny toby misy mpitsoa-ponenana 48 000.

Voatohana ara-panahy

Tian’ny Vavolombelon’i Jehovah eran-tany ho fantatra izay manjo ny rahalahiny ara-panahy any amin’ny tobin’i Tanzania. Misy 1 200 eo ho eo izy ireo, ary mitsinjara ho fiangonana 14 sy antoko-mpitory 3. Manao ahoana izy ireo?

Nangataka tany hanorenana Efitrano Fanjakana ireo Kristianina be zotom-po ireo, raha vantany vao tonga tao an-toby. Amin’izay dia ho fantatry ny mpitsoa-ponenana ny toerana hahitany Vavolombelon’i Jehovah sy hamonjena fivoriana isan-kerinandro. Misy fiangonana 7 ao amin’ny tobin’i Lugufu, ary misy Kristianina mavitrika 659. Mazàna no mahatratra 1 700 eo ho eo ny tontalin’ny mpanatrika fivoriana ao amin’ireo fiangonana 7 ireo, rehefa alahady.

Manatrika fivoriambe kristianina koa ny Vavolombelona any amin’ny toby rehetra. Nisy 2 363 ny mpanatrika ny fivoriamben’ny vondrom-paritra voalohany tao amin’ny tobin’i Lugufu. Nanamboatra dobo kely teo ivelan’ny toerana nanaovana fivoriambe ny Vavolombelona, mba hanaovana batisa. Nolavahana ny tany ary nasiana selofanina mba hanangonana rano. Nitatitra rano tamin’ny bisikileta ireo rahalahy, ary tany amin’ny roa kilaometatra mahery niala ny toby no nisy ny renirano nakana izany. Niverimberina imbetsaka izy ireo satria rano 20 litatra no zakany indray mandeha. Nanao akanjo maotina ireo olona 56 natao batisa, ary nilahatra rehefa haroboka. Nilaza ny mpanompo manontolo andro iray, nadinadinina tamin’io fivoriambe io, fa nitarika fampianarana Baiboly 40 izy, ary natao batisa tamin’io fivoriambe io ny efatra tamin’izy ireo.

Nanendry mpiandraikitra mpitety faritany hitsidika tsy tapaka ireny toby ireny ny biraon’ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah. Hoy ny iray tamin’izy ireo: “Be zotom-po amin’ny fanompoana ireo rahalahintsika. Midadasika ny faritanin’izy ireo, ary 34 ora isam-bolana eo ho eo ny ora nanompoan’ny Vavolombelona tsirairay teo anivon’ny fiangonana iray. Maro no mitarika fampianarana Baiboly dimy na mihoatra. Nilaza ny mpisava lalana [mpitory manontolo andro] iray fa tsy hahita faritany tsara kokoa noho io mihitsy izy. Tena tian’ireo mpitsoa-ponenana ny boky sy gazetintsika.”

Ahoana no ahatongavan’ny boky sy gazety ara-baiboly any an-toby? Fiarandalamby no andefasan’ny sampana azy hatrany Kigoma, tanàna manamorona ny sisiny atsinanan’ny Farihy Tanganyika. Any no andraisan’ireo rahalahy ny boky sy gazety, ary izy ireo indray no mandamina ny fitaterana azy hatrany amin’ny toerana andraisan’ny fiangonana azy ireo. Manofa kamiaonety izy ireo indraindray ary mizara ireo boky sy gazety any amin’ny toby rehetra. Maharitra telo na efatra andro eo ho eo no anaovany izany, sady ratsy be ny lalana.

Fanampiana hafa

Nanampy be dia be an’ireo mpitsoa-ponenana any amin’ireny toby ireny ny Vavolombelon’i Jehovah any Frantsa sy Belzika ary Soisa. Nitsidika ireo toby tany Tanzania ny sasany, rehefa nahazo lalana tamin’ny Minisiteran’ny Atitany sy ny HCR. An-taonina ny ronono saozà, akanjo, kiraro, boky fianarana ary savony voangon’ny Vavolombelona tany Eoropa. Natao hozaraina amin’ny mpitsoa-ponenana rehetra izy ireny, araka ny toro lalana ao amin’ny Baiboly hoe: “Araka ny ananantsika andro hanaovana, dia aoka isika hanao soa amin’ny olona rehetra, indrindra fa amin’ny mpianakavin’ny finoana.”​—Galatiana 6:10.

Tena nisy vokany tsara ireny asa fanasoavana ireny, satria mpitsoa-ponenana maro no nahazo fanampiana. Naneho ny fankasitrahany ny Komitin’ny Mpitsoa-ponenana ao amin’ny toby iray. Hoy ilay komity: “Voninahitra ho anay ny misolo tena ny mponina eto, misaotra anareo noho ny asa soa intelo miantoana nataon’ny fandaminanareo . . . Lehilahy sy vehivavy ary ankizy 12 654 no nahazo tamin’ireny akanjo ireny, ary nahazo koa ny zaza menavava . . . Misy 37 000 izao ny mpitsoa-ponenana ao amin’ny tobin’i Muyovozi. Olona 12 654 no nahazo fanampiana, izany hoe ny 34,2 isan-jaton’ny mponina ao.”

Samy nomena akanjo telo avy ny mpitsoa-ponenana 12 382 tao amin’ny toby iray hafa, ary nisy toby nahazo boky fianarana an’arivo mba hampiasaina any amin’ny sekoly ambaratonga faharoa sy fanabeazana fototra ary akanin-jaza. Hoy ny tompon’andraikitry ny HCR ao amin’ny faritra iray: “Tena ankasitrahanay ireo fanomezana, satria zavatra tena nilain’ny mpitsoa-ponenana any amin’ny toby mihitsy izy ireny. Boky fianarana dimy kaontenera no tonga farany indrindra, ary nizara azy ireny tamin’ny mpitsoa-ponenana ny tompon’andraikitra. . . . Misaotra betsaka.”

Niresaka momba ireo fanomezana ireo koa ny gazety tany an-toerana. Izao no lohateny lehibe tao amin’ny gazety Vaovao Alahady (anglisy), tamin’ny 20 Mey 2001: “Tonga ny Akanjo ho An’ny Mpitsoa-ponenana eto Tanzania.” Nilaza toy izao koa izy io tamin’ny 10 Febroary 2002: “Tena mankasitraka ireo fanomezana ny mpitsoa-ponenana. Tsy nanana akanjo ny ankizy sasany teo aloha, ka niala tsy nianatra. Mianatra tsy tapaka anefa izy ireo izao.”

Tery nefa tsy tapi-dalan-kaleha

Mila herintaona eo ho eo ny ankamaroan’ny mpitsoa-ponenana vao zatra amin’ny fomba fiaina vaovao ao an-toby. Tsotra ny fiainan’izy ireo. Mandany fotoana maro ny Vavolombelon’i Jehovah any amin’ireny toby ireny, mba hizarana amin’ny mpitsoa-ponenana hafa ny vaovao tsara mampahery avy ao amin’ny Baiboly. Resahin’izy ireo fa ny olona rehetra ao amin’ny tontolo vaovao dia ‘hanefy ny sabany ho fangady ary ny lefony ho fanetezam-boaloboka; ny firenena tsy hanainga sabatra hifamely na hianatra ady intsony.’ Amin’izay dia “samy hipetraka eny ambanin’ny voalobony sy ny aviaviny izy, ary tsy hisy hanaitaitra azy; fa ny vavan’i Jehovah, Tompon’ny maro, no efa niteny.” Mazava ho azy fa tsy hisy intsony ny tobin’ny mpitsoa-ponenana ao amin’io tontolo io, noho ny fitahian’Andriamanitra.​—Mika 4:3, 4; Salamo 46:9.

[Sary, pejy 8]

Trano any amin’ny tobin’i Nduta

[Sary, pejy 10]

Efitrano Fanjakana any Lukole (havanana) Batisa tany Lugufu (ambany)

[Sary, pejy 10]

Fivoriamben’ny vondrom-paritra tany amin’ny tobin’i Lugufu