Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

TANTARAM-PIAINANA

Vonona Hanompo An’i Jehovah Foana Izahay na Aiza na Aiza

Vonona Hanompo An’i Jehovah Foana Izahay na Aiza na Aiza

Isaky ny handeha hitory aho dia natahotra be. Nangovitra mbamin’ny ranjoko! Mbola tsy nitory irery izany mihitsy mantsy aho hatramin’izay. Ny olona tao amin’ilay faritany koa amin’io tsy liana mihitsy. Nisy aza nila ady sady nandrahona hamely ahy. Bokikely iray no mba voapetrako tamin’ny volana voalohany nanaovako ny asan’ny mpisava lalana.—Markus.

TAMIN’NY 1949 izany no nitranga. Aleo anefa atomboko hatrany amin’ny voalohany ny tantara. Hendrik no anaran’i Dada, ary mpanao kiraro sy mpikarakara zaridaina no asany tao Donderen, tanàna kely any Drenthe Avaratra, any Holandy. Tany aho no teraka tamin’ny 1927, ary izaho no fahefatra aminay fito mianadahy. Tany ambanivohitra, teo amorona lalan-tany, ny tranonay. Tantsaha ny ankamaroan’ny olona, ary nahafinaritra ahy ny fiainana. I Theunis Been, mpiray tanàna taminay, no nahalalako ny fahamarinana tamin’ny 1947, tamin’izaho 19 taona. Tsy dia tiako izy tamin’ny voalohany, nefa gaga aho fa lasa nahafinaritra kokoa ny toetrany rehefa lasa Vavolombelon’i Jehovah izy, taoriana kelin’ny Ady Lehibe II. Nihaino azy àry aho rehefa nilaza izy fa mampanantena hanova ny tany ho paradisa Andriamanitra. Tonga dia nanaiky ny fahamarinana aho, ary lasa mpinamana tsy mifankafoy izahay hatramin’izao. a

Nanomboka nitory aho tamin’ny Mey 1948. Iray volana taorian’izay aho dia natao batisa, tamin’ny 20 Jona, tamin’ny fivoriamben’ny vondrom-paritra tao Utrecht. Nanao mpisava lalana aho tamin’ny 1 Janoary 1949, ary voatendry tany Borculo, any amin’ny faritra atsinanan’i Holandy. Efa nisy fiangonana kely tany tamin’izay. Lalana 130 kilaometatra ilay izy ka nandeha bisikileta aho. Nieritreritra aho hoe adiny 6 dia ho tonga, nefa nanorana sy nandrivotra be tamin’izay, ka adiny 12 aho vao tonga ary efa maizina be. Ny 90 kilaometatra farany anefa efa mba nandehanako lamasinina. Nipetraka tao amina fianakaviana Vavolombelona iray aho tany, sady nanao mpisava lalana.

Vao tapitra kelikely ny ady tamin’izay, ka tsy nanan-javatra firy ny olona. Kompile iray sy pataloa iray no mba akanjoko, nefa ilay kompile ngezabe, moa ilay pataloa fohy loatra. Efa voalazako teo aloha ihany fa tsy mora ny fiainako tao Borculo tamin’ny volana voalohany. Notahin’i Jehovah anefa aho ka nanana mpianatra Baiboly maromaro. Nafindra tany Amsterdam aho afaka sivy volana.

NIAKATRA AN-DRENIVOHITRA

Zatra fiainana ambanivohitra aho, nefa nalefa tany Amsterdam, tanàna lehibe indrindra any Holandy. Soa ihany fa nahafinaritra be ny fanompoana tany! Betsaka noho ny boky sy gazety voapetrako tao anatin’ny sivy volana no voapetrako tao anatin’ny iray volana. Vetivety aho dia nanana mpianatra tsy latsaka ny valo. Nasaina hanao lahateny ho an’ny besinimaro aho, indray mandeha, rehefa voatendry ho mpikarakara ny fiangonana (anti-panahy mpandrindra ankehitriny). Sambany aho no hanao an’izany ka natahotra be. Azoko erỳ anefa ny aiko fa nafindra fiangonana aho taloha kelin’ny andro tokony hanaovako an’ilay izy. Iza no nanampo fa hay aho mbola hanao lahateny maherin’ny 5 000 be izao atỳ aoriana?

Markus (havanana) mitory eny an-dalana tsy lavitra an’i Amsterdam, tamin’ny 1950

Voatendry tany Haarlem aho tamin’ny Mey 1950. Nasaina hanao ny asan’ny faritra aho avy eo. Zara raha nahita tory aho nandritra ny telo andro. “Tsy ho haiko izany!”, hoy aho tamin’i Robert Winkler, rahalahy tao amin’ny biraon’ny sampana. Namaly anefa izy hoe: “Fenoy fotsiny ilay fangatahana, fa tsy maintsy ho hainao ihany io.” Nampiofanina iray volana aho tsy ela taorian’izay, ary lasa mpanampy ny faritra (mpiandraikitra ny faritra ankehitriny). Nihaona tamin’ny anabavy mpisava lalana atao hoe Janny Taatgen aho, rehefa nitsidika fiangonana iray izay. Miramirana endrika foana izy, ary tena tia an’i Jehovah sady mahafoy tena. Nivady izahay tamin’ny 1955. Hotohiziko ny tantara avy eo, fa aleo aloha i Janny hilaza hoe ahoana no nahatonga azy ho mpisava lalana, ary ahoana no nihaonanay.

NIARA-NANOMPO IZAHAY MIVADY

Janny: Lasa Vavolombelon’i Jehovah i Neny tamin’ny 1945, tamin’izaho 11 taona. Tamin’izay izy dia efa nahafantatra hoe mila mampianatra Baiboly anay telo mianadahy. Nanohitra anefa i Dada, ka nandrasan’i Neny efa tsy tao an-trano izy vao nampianariny izahay.

Namonjy fivoriamben’ny vondrom-paritra tany La Haye aho tamin’ny 1950, ary io no fivoriana voalohany natrehiko. Herinandro taorian’izay aho vao tena nanatrika fivoriana, tao amin’ny Efitrano Fanjakana tao Assen, any Drenthe. Tezitra be i Dada ka noroahiny tao an-trano aho. Nilaza i Neny tamin’izay hoe: “Efa fantatrao ihany hoe aiza ianao no afaka mipetraka.” Azoko hoe ny mpiara-manompo no tiany holazaina. Nipetraka tany amin’ny fianakaviana Vavolombelona tsy lavitra teo àry aho. Mbola tsy namelan’i Dada ihany aho, ka nifindra fiangonana tany Deventer, any Overijssel, any amin’ny 95 kilaometatra niala teo. Mbola tsy ampy taona aho, ka nahita olana tamin’ny manam-pahefana i Dada noho izy nandroaka ahy. Nasainy nody àry aho taorian’izay. Navelany nivory sy nitory foana aho tatỳ aoriana, na dia tsy nanaiky ny fahamarinana mihitsy aza izy.

Janny (havanana) manao mpisava lalana mpanampy, tamin’ny 1952

Narary mafy i Neny taoriana kelin’ny nodiako, ka izaho no nanao ny raharaha rehetra tao an-trano. Nivory sy nanompo tsara foana anefa aho, ary natao batisa tamin’ny 1951, tamin’izaho 17 taona. Sitrana i Neny tamin’ny 1952, ka nanao mpisava lalana mpanampy roa volana aho. Niaraka tamin’ny rahavavy telo mpisava lalana aho tamin’izany. Nipetraka tao anaty sambo kely izahay, ary tanàna roa tao Drenthe no faritaninay. Lasa mpisava lalana maharitra aho tamin’ny 1953. Nisy mpiandraikitra ny faritra mbola tanora nitsidika ny fiangonanay, herintaona taorian’izay. I Markus ilay izy. Hitanay hoe hahavita hanompo an’i Jehovah tsara kokoa izahay raha tafaraka, ka nivady izahay tamin’ny Mey 1955.—Mpito. 4:9-12.

Ny mariazinay tamin’ny 1955

Markus: Voatendry ho mpisava lalana tany Veendam, any Groningen, izahay taorian’ny mariazinay. Efitra kely izay no nipetrahanay. Roa metatra ny sakany ary telo metatra ny lavany. Nataon’i Janny nahafinaritra be anefa ny tao anatiny. Nanana fandriana azo aforitra manaraka ny rindrina izahay, ary latabatra iray sy seza kely roa. Nakisakay ilay latabatra sy seza isak’alina mba hampidinana an’ilay fandriana.

Nasaina hanao ny asan’ny faritra teto Belzika izahay enim-bolana tatỳ aoriana. Tsy nisy afa-tsy mpitory 4 000 teo ho eo teto tamin’ny 1955. Nitombo avo enina heny anefa izany izao! Ny fiteny any Holandy ihany no ampiasaina atỳ Flandres, atỳ amin’ny faritra avaratr’i Belzika, saingy miova kely ny fanononana an’ilay izy eto Belzika, ka sahirana izahay tamin’ny voalohany.

Janny: Tena mila mahafoy tena izay manao ny asan’ny faritra. Nandeha bisikileta izahay rehefa nitsidika fiangonana, ary nipetraka tany amin’ny mpiara-manompo. Nijanona tany amin-dry zareo hatramin’ny alatsinainy izahay, satria tsy mba nanana trano nivantanana rehefa tsy nitsidika. Nankany amin’ny fiangonana manaraka izahay ny talata maraina. Na izany aza, dia noraisinay ho fitahiana avy amin’i Jehovah ny fanompoana nataonay.

Markus: Tsara fanahy sy tia nandray vahiny ny fiangonana notsidihinay, na dia tsy nisy fantatray aza ry zareo tamin’ny voalohany. (Heb. 13:2) Efa imbetsaka izahay no nitsidika ny fiangonana rehetra miteny holandey teto Belzika, ary nahazo fitahiana be dia be izahay tamin’izany. Lasa fantatray, ohatra, ny ankamaroan’ny mpiara-manompo tao amin’ny vondrom-paritra miteny holandey, ka lasa tena tianay. Hitanay ny nahalehibe an’ireo ankizy be dia be tany, sy ny nataon’izy ireo mba hifandraisana akaiky kokoa tamin’i Jehovah. Lasa nanokan-tena ho azy sy nanao loha laharana ny fanompoana izy ireny. Mahafinaritra erỳ ny mahita hoe tsy mivadika amin’i Jehovah izy ireo, fa mbola manompo manontolo andro foana. (3 Jaona 4) Nifampahery tamin’ireny mpiara-manompo ireny izahay, ka lasa mora kokoa taminay ny nanohy ny fanompoanay.—Rom. 1:12.

TOJO ZAVA-TSAROTRA NEFA NAHAZO FITAHIANA

Markus: Vao nivady izahay dia efa te hanao ny Sekolin’i Gileada. Nianatra niteny anglisy adiny iray isan’andro àry izahay, fara fahakeliny. Tsy mora anefa ny nianatra tamin’ny boky, ka nankany Angletera izahay nandritra ny vakansinay. Sady nizatra niteny anglisy izahay tany no nitory. Ela ny ela ka nahazo valopy avy tany amin’ny foibe tany Brooklyn izahay tamin’ny 1963. Taratasy roa no tao. Ny iray ho ahy ary ny iray ho an’i Janny. Fanasana hanao fiofanana manokana any Gileada mandritra ny folo volana ny ahy. Rahalahy no tena ampiofanina amin’ilay izy, ary omena toromarika mahakasika ny fomba fiasan’ny fandaminana izy ireo. Nisy 100 izahay no nasaina, ary 82 ny rahalahy.

Janny: Nanontaniana aho tao amin’ilay taratasiko raha vonona hijanona eto Belzika mandritra ny fiofanan’i Markus. Nasaina hivavaka sy handinika tsara aho. Tsoriko aloha fa diso fanantenana aho tamin’izay e! Efa niezaka be mantsy aho hahazo tombontsoam-panompoana, nefa hoatran’ny tsy notahin’i Jehovah. Notadidiko anefa hoe natao hanampiana ny mpianatra mba hitory ny vaovao tsara maneran-tany ny Sekolin’i Gileada. Nanaiky hijanona teto Belzika àry aho. Notendrena ho mpisava lalana manokana tao Ghent aho, ary i Anna sy Maria Colpaert, mpisava lalana manokana efa ela, no namako.

Markus: Nasaina nankany Brooklyn dimy volana mialoha aho, satria nila nianatra niteny anglisy bebe kokoa. Niasa tao amin’ny Sampan-draharahan’ny Fanompoana sy Fandefasana Entana aho tany. Nanomana boky sy gazety halefa tany Azia sy Eoropa ary Amerika Atsimo izahay, ka vao mainka tsapako fa manana rahalahy tokoa isika maneran-tany. Mbola tsaroako foana ny Rahalahy Macmillan. Mpitety fiangonana na mpiandraikitra mpitety faritany izy, tamin’ny andron’ny Rahalahy Russell. Variana aho fa efa antitra izy ary tsy dia nandre tsara, nefa nivory foana. Nampahatsiahy ahy izany hoe tokony ho zava-dehibe amintsika foana ny fiarahana amin’ny rahalahy sy anabavy.—Heb. 10:24, 25.

Janny: Nifanoratra imbetsaka izahay sy Markus isan-kerinandro. Nalahelo be azy aho, ary izy koa tena nalahelo ahy. Nahafinaritra azy anefa ilay fiofanana tany Gileada, ary izaho koa tena faly tamin’ny fanompoako. Nanana mpianatra 17 aho rehefa nody avy any Etazonia izy. Tena mafy ilay nisaraka nandritra ny herintaona sy telo volana, nefa tsapako hoe notahin’i Jehovah izahay fa nahafoy tena. Tara ora maromaro ny fiaramanidina nitondra an’i Markus tamin’izy nody. Tonga ihany anefa izy tamin’ny farany, ka nifamihina be izahay sady nitomany. Toy ny vary sy rano izahay nanomboka teo, ka tsy nisaraka intsony.

NIFALIANAY DAHOLO IZAY TOMBONTSOAM-PANOMPOANA NOMENA ANAY

Markus: Nasaina hanompo tao amin’ny Betela izahay rehefa niverina avy tany Gileada aho, tamin’ny Desambra 1964. Mbola tsy fantatray tamin’izany hoe hay tsy hijanona ao izahay. Telo volana monja taorian’izay dia nasaina hanao ny asan’ny vondrom-paritra izahay. Niverina tao amin’ny Betela indray anefa izahay, rehefa nirahina ho misionera teto Belzika i Aalzen sy Els Wiegersma ary nasaina hanao ny asan’ny vondrom-paritra. Tao amin’ny Sampan-draharahan’ny Fanompoana aho no niasa tamin’izany. Niovaova ny asa nanendrena anay teo anelanelan’ny 1968 sy 1980. Indraindray nitety faritany, ary indraindray tao amin’ny Betela. Lasa mpiandraikitra ny vondrom-paritra indray aho tamin’ny 1980 ka hatramin’ny 2005.

Na niovaova foana aza anefa ny fanendrena anay, dia notadidinay fa nanokana ny fiainanay mba hanompoana an’i Jehovah amin’ny fo manontolo izahay. Nahafinaritra anay ny asa rehetra nanendrena anay, sady natoky izahay fa na inona na inona fiovana mitranga eo amin’ny fanompoanay, dia mba hampandrosoana ny asan’ilay Fanjakana daholo izany.

Janny: Nasaina hanao ny Sekolin’ny Komitin’ny Sampana tany Brooklyn i Markus tamin’ny 1977, ary avy eo tany Patterson tamin’ny 1997. Tena faly aho fa tafaraka taminy tamin’izany.

MAHAFANTATRA IZAY ILAINAY I JEHOVAH

Markus: Nodidiana i Janny tamin’ny 1982 ary sitrana soa aman-tsara. Nahazo trano izahay telo taona taorian’izay. Tsara fanahy mantsy ilay fiangonana tao Louvain, ka nomeny hipetrahanay ilay efitra ambony rihana tao amin’ny Efitrano Fanjakana nampiasainy. Izay vao mba nanana trano izahay tao anatin’ny 30 taona! Sahirana anefa izahay isaky ny talata rehefa hitsidika fiangonana. Nisy zana-tohatra 54 tao amin’ilay trano, ka tsy maintsy niaka-nidina an’ilay izy aho, rehefa nitatitra ny entanay. Soa ihany fa nasaina nifindra tao ambany rihana izahay tamin’ny 2002. Voatendry ho mpisava lalana manokana tao Lokeren izahay, tamin’izaho 78 taona. Tena mahafaly anay izany ary faly koa izahay fa mbola afaka manompo isan’andro.

‘Mino tanteraka izahay fa tsy zava-dehibe ny hoe aiza ianao no manompo, na hoe inona no tombontsoam-panompoana anananao. Ny zava-dehibe dia hoe iza no tompoinao’

Janny: Nanompo manontolo andro nandritra ny 120 taona mahery izahay mivady, raha atambatra. Tsapanay fa mitana ny teniny tokoa i Jehovah, ka raha tsy mivadika aminy isika, dia ‘tsy handao antsika’ izy, ary ‘tsy ho ory na inona na inona isika.’—Heb. 13:5; Deot. 2:7.

Markus: Nanokan-tena ho an’i Jehovah izahay tamin’ny mbola tanora. Tsy mba nitady zavatra be ho anay mihitsy izahay. Vonona hanaiky izay fanendrena rehetra nomena anay izahay, satria mino tanteraka fa tsy zava-dehibe ny hoe aiza ianao no manompo, na hoe inona no tombontsoam-panompoana anananao. Ny zava-dehibe dia hoe iza no tompoinao.

a Lasa Vavolombelon’i Jehovah koa i Dada sy Neny, ny zokiko vavy iray, ary ny zandriko roa lahy.