Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Inona no Hanampy Anao ho Falifaly Foana?

Inona no Hanampy Anao ho Falifaly Foana?

“Raha velona taona maro ny olona iray, dia aoka izy hifaly mandritra izany fotoana rehetra izany.”—MPITO. 11:8.

1. Inona avy ny fitahiana omen’i Jehovah antsika mba hahafaly antsika?

TIAN’I Jehovah ho faly isika, ka omeny fitahiana be dia be. Nomeny aina, ohatra, isika. Afaka mampiasa ny fiainantsika mba hiderana an’Andriamanitra àry isika, satria notaominy hanaraka ny fivavahana marina. (Sal. 144:15; Jaona 6:44) Manome toky antsika i Jehovah fa tia antsika izy, ary ampiany hiaritra isika mba hahavitantsika ny fanompoana azy. (Jer. 31:3; 2 Kor. 4:16) Ao amin’ny paradisa ara-panahy isika, ka mahazo sakafo ara-panahy be dia be ary manana an’ireo rahalahy sy anabavy be fitiavana. Manana fanantenana sarobidy koa isika.

2. Inona no manjo ny Kristianina sasany tsy mivadika?

2 Na eo aza anefa ireo zavatra mahafaly ireo, dia misy Kristianina tsy mivadika kivikivy, satria mihevi-tena ho tsy misy dikany. Mieritreritra angamba izy ireo fa tsy misy vidiny amin’i Jehovah izy sy ny fanompoany. Tsy mety afaka ao an-tsainy izany ka toa nofinofy ny hoe hifaly mandritra ny “taona maro.” Hoatran’ny manjombon-dava ny fiainany.—Mpito. 11:8.

3. Inona no mety hahatonga ny olona hihevi-tena ho tsy misy dikany?

3 Nahoana ny rahalahy sy anabavy sasany no mihevi-tena ho tsy  misy dikany? Diso fanantenana angamba izy, na marary, na misy zavatra tsy vitany intsony noho izy efa antitra. (Sal. 71:9; Ohab. 13:12; Mpito. 7:7) Mamitaka koa ny fo ka mety hanameloka antsika na dia faly amintsika aza Andriamanitra. (Jer. 17:9; 1 Jaona 3:20) Manendrikendrika ny mpanompon’i Jehovah ny Devoly. Mety hanahaka an’i Elifaza ny olona manana ny toe-tsain’i Satana, ka hanao izay hieritreretantsika hoe tsy misy ilan’Andriamanitra antsika. Lainga anefa izany, na tamin’ny andron’i Joba na amin’izao andro izao.—Joba 4:18, 19.

4. Inona no hodinihintsika ato amin’ity lahatsoratra ity?

4 Mampanantena i Jehovah fa ho eo anilan’izay “mamakivaky lohasaha maizim-pito” izy. (Sal. 23:4) Eo anilantsika izy satria manampy antsika amin’ny alalan’ny Teniny. “Mahery” ny Baiboly “satria Andriamanitra no nanao azy ho mahery mba handravana zavatra efa mafy orina”, anisan’izany ny hevi-diso sy ny hevitra mahakivy. (2 Kor. 10:4, 5) Hodinihintsika izao hoe ahoana no azo ampiasana ny Baiboly, mba hahatonga antsika ho falifaly foana. Mety hahasoa anao izany sady mety ho azonao ampiasaina hampaherezana olon-kafa.

AMPIASAO NY BAIBOLY

5. Inona no hanampy antsika ho falifaly?

5 Nilaza zavatra manampy antsika ho falifaly ny apostoly Paoly. Nampirisika ny fiangonan’i Korinto izy hoe: “Mandiniha tena foana mba hahitana raha ao amin’ny finoana ianareo na tsia.” (2 Kor. 13:5) Ny “finoana” eto dia ny fitambaran’ny zavatra inoan’ny Kristianina, hita ao amin’ny Baiboly. Tena “ao amin’ny finoana” isika, raha mifanaraka amin’izany ny tenintsika sy ny ataontsika. Tsy maintsy jerentsika koa raha mifanaraka amin’ny fampianarana rehetra tokony harahin’ny Kristianina ny fiainantsika. Tsy tokony hifidifidy izay fampianarana harahintsika isika.—Jak. 2:10, 11.

6. Nahoana isika no tokony handini-tena ‘raha ao amin’ny finoana na tsia’? (Jereo ny sary eo am-piandohan’ny lahatsoratra.)

6 Mety hisalasala handini-tena ianao, indrindra raha mieritreritra fa misy zavatra tsy vitanao. Ny fiheveran’i Jehovah antsika anefa no zava-dehibe noho ny fiheverantsika ny tenantsika, ary ambony noho ny fihevitsika ny fiheviny. (Isaia 55:8, 9) Mandinika ny mpanompony izy satria te hahita ny toetra tsaran’izy ireo sy hanampy azy, fa tsy hoe te hanameloka azy. Hitovy kokoa amin’ny fomba fijerin’Andriamanitra ny fahitanao ny tenanao, raha mampiasa ny Teniny ianao ‘mba hahitana raha ao amin’ny finoana na tsia.’ Hahazo toky ianao hoe sarobidy amin’i Jehovah, fa tsy hieritreritra hoe tsy misy dikany aminy. Toy ny manokatra varavarankely ianao raha manao izany, ka mamela ny tara-masoandro hanazava an’ilay efitra maizina misy anao.

7. Inona no azontsika atao, raha te handray soa avy amin’ny tantaran’ireo mpanompon’i Jehovah tsy mivadika fahiny isika?

7 Ho afaka handini-tena tsara ianao raha misaintsaina ny tantaran’ny mpanompon’i Jehovah tsy mivadika, ao amin’ny Baiboly. Ampitahao ny toe-javatra misy anareo sy ny fihetseham-ponareo, ary eritrereto hoe inona no ho nataonao raha ianao no teo amin’ny toerany. Misy ohatra telo hojerentsika izao. Ho hitanao amin’izany ny fomba ampiasana ny Baiboly mba hahitana fa ao amin’ny finoana ianao. Hanampy anao ho falifaly foana izany.

ILAY MPITONDRATENA MAHANTRA

8, 9. a) Inona no nanjo an’ilay vehivavy mpitondratena mahantra? b) Inona no zavatra mahakivy nety ho noeritreretin’ilay mpitondratena?

8 Nandinika mpitondratena mahantra iray i Jesosy tao amin’ny tempolin’i Jerosalema. Manampy antsika ho falifaly foana ny ohatr’io vehivavy io, na dia tsy mahavita be amin’ny fanompoana aza isika. (Vakio ny Lioka 21:1-4.)  Nalahelo noho ny nahafatesan’ny vadiny ilay vehivavy sady niaritra ny fanaon’ny mpitondra fivavahana. ‘Nandany ny tao an-tranon’ny vehivavy mpitondratena’ izy ireo, fa tsy mba nanampy an’ireny vehivavy tsy nisy mpiahy ireny. (Lioka 20:47) Nahantra be ilay mpitondratena ka vola kely ihany no azony natao fanomezana tao amin’ny tempoly. Mitovy amin’ny vola azon’ny mpikarama ao anatin’ny minitra vitsy monja ilay izy.

9 Inona no nety ho tao an-tsain’ilay mpitondratena rehefa niditra ny tokotanin’ny tempoly izy, nitondra an’ireo vola madinika roa? Nieritreritra ve izy hoe tena kely ny fanomezana nentiny, raha oharina amin’izay nomeny tamin’ny vadiny mbola velona? Menatra ve izy nahita ny vola be narotsak’ireo olona teo alohany, ka nieritreritra hoe tsy misy dikany ny fanomezany? Nanao izay azony natao mba hanohanana ny fivavahana marina ilay mpitondratena, na dia nety ho nieritreritra an’ireo aza.

10. Inona no nolazain’i Jesosy mba hampisehoana fa sarobidy amin’Andriamanitra ilay mpitondratena?

10 Nasehon’i Jesosy fa sarobidy tamin’i Jehovah ilay vehivavy sy ny fanomezany. Nilaza izy fa nanome “betsaka kokoa” noho ny mpanankarena rehetra ilay vehivavy. Marina fa hitambatra amin’ny fanomezana rehetra ihany ny fanomezany, kanefa nosinganin’i Jesosy ny nataony ary noderainy izy. Rehefa nahita an’ireo vola mandinika roa ny mpiandraikitra an’ilay vata fasiana fanomezana, dia azo inoana fa tsy fantany hoe tena sarobidy tamin’i Jehovah ireo vola ireo sy ilay nanome azy. Ny fiheveran’Andriamanitra anefa no tena zava-dehibe fa tsy ny fiheveran’ny olona na ny fiheveran’ilay vehivavy ny tenany. Azonao ampiasaina io tantara io mba hahitana raha ao amin’ny finoana ianao na tsia.

Inona no ianaranao avy amin’ilay mpitondratena mahantra? (Fehintsoratra 8-10)

11. Inona no ianaranao avy amin’ny tantaran’ilay mpitondratena?

11 Miankina amin’ny toe-javatra misy anao ny azonao omena an’i Jehovah. Tsy afaka manompo afa-tsy fotoana kely ny mpitory sasany, satria  be taona na marary. Tokony hieritreritra ve izy ireny hoe kely loatra ny fotoana nanompoany ka tsy tokony hamerina tatitra izy? Tsia. Ary na dia tsy tena kely aza ny fotoana anompoanao, dia mety mbola hieritreritra ianao hoe tsy misy dikany ny ezaka ataonao raha oharina amin’ny ora maro anompoan’ny vahoakan’Andriamanitra isan-taona. Hitantsika amin’ny tantaran’ilay mpitondratena mahantra anefa fa hitan’i Jehovah sady sarobidy aminy izay rehetra ataontsika ho azy, indrindra fa raha tsy mora amintsika ny manao izany. Eritrereto indray ireo ora nanompoanao an’i Jehovah tamin’ny taon-dasa. Nila nanao ezaka manokana ve ianao vao afaka nanome ny adiny iray tamin’izy ireny? Raha izany no izy, dia matokia fa sarobidy amin’i Jehovah izay nataonao. Tena afaka matoky ianao fa “ao amin’ny finoana” rehefa manao izay fara herinao amin’ny fanompoana an’i Jehovah, toa an’ilay mpitondratena mahantra.

“ESORY AMIN’IZAY NY AIKO”

12-14. a) Inona no vokany rehefa kivy be i Elia? b) Nahoana i Elia no namoy fo?

12 Tsy nivadika tamin’i Jehovah i Elia mpaminany sady nanana finoana matanjaka. Kivy be anefa izy, indray mandeha, ka nangataka ny ho faty. Hoy izy: “Aoka izay! Esory amin’izay ny aiko, Jehovah ô.” (1 Mpanj. 19:4) Mety hieritreritra ny olona sasany mbola tsy namoy fo toy izany hoe “nirediredy” i Elia. (Joba 6:3) Nilaza izay tena tao am-pony anefa izy. Mariho fa nanampy azy i Jehovah fa tsy nanasazy azy.

13 Nahoana i Elia no te ho faty? Nisy fahagagana nataony taloha kelin’izay, ka voaporofo fa i Jehovah no tena Andriamanitra. Mpaminanin’i Bala 450 no novonoina ho faty taorian’izay. (1 Mpanj. 18:37-40) Nanantena angamba i Elia hoe hivavaka amin’i Jehovah amin’izay ny Israelita. Tsy izany anefa no nitranga. Nampilaza an’i Elia i Jezebela, mpanjakavavy ratsy fanahy, fa hampamono azy. Natahotra i Elia ka nandositra nianatsimo, ary namakivaky an’i Joda ka tonga tany amin’ny tany efitra ngazana sy tsy misy olona.—1 Mpanj. 19:2-4.

14 Nieritreritra i Elia rehefa irery fa toa tsy nisy dikany ny asan’ny mpaminany nataony. Hoy izy tamin’i Jehovah: “Tsy tsara noho ny razako aho.” Nahatsiaro ho tsy nisy ilana azy izy, toy ny vovoka sy ny taolan’ireo razambeny efa maty. Ny heviny ihany no noeritreretiny rehefa nandini-tena izy, ka lasa nihevitra izy fa tsy nisy dikany tamin’i Jehovah sy tamin’ny olona.

15. Inona no nataon’Andriamanitra mba hanomezan-toky an’i Elia hoe mbola sarobidy taminy izy?

15 Hafa mihitsy anefa ny fiheveran’ilay Mahery Indrindra an’i Elia. Mbola sarobidy tamin’i Jehovah i Elia, ka nanao zavatra izy mba hanomezan-toky azy. Naniraka anjely izy mba hampahery an’i Elia. Nomeny sakafo sy rano koa i Elia mba hahavitany an’ilay dia 40 andro nianatsimo nankany amin’ny Tendrombohitra Horeba. Nahitsin’i Jehovah moramora koa i Elia rehefa nieritreritra hoe izy irery sisa no Israelita tsy nivadika tamin’i Jehovah. Tsy vitan’izay fa nomeny asa vaovao izy, ary nanaiky hanao an’izany. Nandray soa i Elia rehefa nampian’i Jehovah. Nahazo hery vao izy, ka niverina nanao ny asan’ny mpaminany.—1 Mpanj. 19:5-8, 15-19.

16. Inona no efa nataon’Andriamanitra mba hanampiana anao?

16 Afaka manampy anao ny tantaran’i Elia mba hahitanao fa ao amin’ny finoana ianao. Hanampy anao ho falifaly izany. Voalohany, eritrereto izay efa nataon’i Jehovah mba hampaherezana anao. Efa nanana olana ve ianao ka nisy mpanompony nanampy anao, ohatra hoe anti-panahy na Kristianina matotra hafa? (Gal. 6:2) Tsy tsapanao ve hoe manatanjaka ny finoanao ny Baiboly, ny boky sy gazety, ary ny fivoriana? Rehefa mandray soa toy izany ianao amin’ny manaraka, dia tadidio hoe iza ilay tena manampy anao, ka mivavaha aminy ary misaora azy.—Sal. 121:1, 2.

17. Inona no mahatonga ny mpanompony ho sarobidy amin’i Jehovah?

 17 Faharoa, tadidio fa mety ho diso ny fiheveranao ny tenanao. Ny fiheveran’i Jehovah antsika no zava-dehibe. (Vakio ny Romanina 14:4.) Tsy ny zava-bitantsika no mahatonga antsika ho sarobidy amin’i Jehovah. Sarobidy aminy kosa isika satria tia azy sy tsy mivadika aminy. Betsaka noho izay noeritreretin’i Elia ny zavatra efa nataony ho an’i Jehovah, ary mety ho toy izany koa ianao. Azo inoana fa nandray soa avy tamin’ny nataonao na ny ohatra nomenao ny olona sasany eo anivon’ny fiangonana. Nisy olona tao amin’ny faritaninareo koa nandre ny fahamarinana noho ny ezaka nataonao.

18. Na inona na inona asa ampanaovin’i Jehovah anao, ahoana no tokony hiheveranao an’izany?

18 Farany, na inona na inona asa ampanaovin’i Jehovah anao, dia raiso ho porofo izany hoe momba anao izy. (Jer. 20:11) Mety ho kivy toa an’i Elia ianao raha mieritreritra hoe tsy misy vokany ny fanompoanao, na misy tanjona ara-panahy toa tsy ho tratranao mihitsy. Mbola afaka mitory ny vaovao tsara sy mitondra ny anaran’Andriamanitra anefa ianao, ary izany no tombontsoa lehibe indrindra ananantsika. Aza mivadika mihitsy àry. Raha tsy mivadika mantsy ianao, dia ho afaka ‘hiara-mifaly amin’ny tomponao’, araka ny nolazain’i Jesosy.—Mat. 25:23.

“VAVAKY NY ORY”

19. Inona no nanjo ny mpanoratra ny Salamo faha-102?

19 Kivy be ny mpanoratra ny Salamo faha-102. Asehon’ny teny mampiditra an’io salamo io fa “ory” izy, izany hoe nanaintaina na niady saina. Tsy nanana hery hizakana ny olana nianjady taminy koa izy. Hita amin’ny teniny fa ny fanaintainany sy ny fihetseham-pony ary ilay izy manirery no tena noeritreretiny. (Sal. 102:3, 4, 6, 11) Nihevitra izy hoe tian’i Jehovah hatsipy, izany hoe hariana.—Sal. 102:10.

20. Nahoana no ilaina ny mivavaka rehefa mieritreritra zavatra mahakivy?

20 Mbola afaka nampiasa ny fiainany mba hiderana an’i Jehovah anefa ilay mpanao salamo. (Vakio ny Salamo 102:19-21.) Hitantsika amin’ilay Salamo faha-102 fa na efa ao amin’ny finoana aza ny olona iray dia mety mbola hijaly. Mety ho sarotra aminy koa ny hieritreritra zavatra hafa ankoatra ny fahoriany. Nahatsiaro ho niady irery tamin’ny olana nahazo azy ilay mpanao salamo, “toy ny vorona manirery eny an-tampon-trano.” (Sal. 102:7) Tahafo izy raha izany no tsapanao, ka miezaha hamboraka ny ao am-ponao amin’i Jehovah. Hanampy anao ny vavaka raha mampahory sy manavesatra anao ny eritreritra mahakivy. Mampanantena i Jehovah fa “hihaino ny vavak’ireo tsy manana na inona na inona intsony Izy, ary tsy hanamavo ny vavak’izy ireo.” (Sal. 102:17) Matokia fa marina izany.

21. Inona no hanampy ny olona kivy mba ho falifaly kokoa?

21 Asehon’ny Salamo faha-102 koa hoe inona no hanampy antsika ho falifaly kokoa. Nifantoka tamin’ny fifandraisany tamin’i Jehovah ilay mpanao salamo, ka lasa falifaly kokoa. (Sal. 102:12, 27) Fantany fa ho eo foana i Jehovah mba hanampy ny mpanompony hiaritra fitsapana, ary nampahery azy izany. Ahoana àry raha kivy ianao ka tsy afaka manompo betsaka araka izay tianao? Mivavaha amin’i Jehovah, ary angataho izy hanamaivana ny fahorianao. Ampahafantaro azy koa anefa fa tianao ho fantatry ny olona ny anarany.—Sal. 102:20, 21.

22.  Inona no azontsika tsirairay atao mba hampifaliana an’i Jehovah?

22 Tena azo atao àry ny mampiasa ny Baiboly, mba hahitana fa ao amin’ny finoana isika sady sarobidy amin’i Jehovah. Marina fa mety hisy eritreritra na zavatra mahakivy foana, raha mbola eto amin’ity tontolo ity isika. Afaka mampifaly an’i Jehovah anefa isika tsirairay, ka ho voavonjy raha miaritra sy manompo azy foana.—Mat. 24:13.