Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Niezaka ny Tsy Hatahotra na Hisalasala Izy

Niezaka ny Tsy Hatahotra na Hisalasala Izy

Tahafo ny Finoan’izy Ireo

Niezaka ny Tsy Hatahotra na Hisalasala Izy

MBOLA maizina ny andro tamin’izay. Nivoy mafy i Petera ary nijery tsara. Ny hazavan’ny mangiran-dratsy ve io tazany manjavozavo erỳ atsinanana io? Nivoy nandritra ny ora maro izy, ka torovana ny lamosiny sy ny sorony. Nivadika ho tafio-drivotra nampisamboaravoara ny Ranomasin’i Galilia ilay tsio-drivotra malefaka teo. Nidona teo amin’ny lohan-tsambo ny onja ka hotsaka sy nangatsiaka i Petera, nefa mbola nivoy ihany.

Ny omalin’iny izy sy ny namany, dia nahita an’i Jesosy nampiasa mofo sy trondro vitsivitsy mba hamahanana vahoaka noana an’arivony. Notadiavin’ny olona hatao mpanjaka àry i Jesosy, nefa tsy nety nanao politika. Tena tsy tiany hanao politika koa ny mpanara-dia azy. Nandositra an’ilay vahoaka izy, ary nasainy niondrana an-tsambo hankeny ampita ny mpianany. Izy kosa nandeha irery nankany an-tendrombohitra mba hivavaka. Nisaraka tamin’i Jesosy teo amoron-drano i Petera sy ny namany.—Marka 6:35-45; Jaona 6:14, 15.

Efa ho fenomanana tamin’izay, ary tazan’ny mpianatra teo ambony teo ny volana, tamin’izy ireo hiainga. Efa hitanila erỳ andrefana kosa izao ny volana, nefa mbola tsy lasa lavitra izy ireo. Tsy ifandrenesana ny fifofofofon’ny rivotra sy ny fidoboky ny onja. Lasa saina i Petera tamin’izay.

Maro ny zavatra nifamahofaho tao an-tsainy! Efa roa taona mahery izao izy no lasa mpanara-dia an’i Jesosy avy any Nazareta. Maro ny zavatra efa nianarany nefa betsaka koa no mbola tokony hianarany. Nila niady mafy, ohatra, izy mba tsy hisalasala sy tsy hatahotra. Vonona ny hiezaka izy, ka lasa modely ho antsika. Andeha hojerentsika ny fomba hanahafantsika azy.

“Efa hitanay ny Mesia!”

Tsy hohadinoin’i Petera mihitsy ny andro nahitany an’i Jesosy avy any Nazareta. I Andrea rahalahiny no niteny taminy an’ilay vaovao lehibe hoe: “Efa hitanay ny Mesia!” Niova be ny fiainan’i Petera taorian’izay.—Jaona 1:41.

Nipetraka tany Kapernaomy i Petera. Tanàna eo amoron’ilay farihy antsoina hoe Ranomasin’i Galilia izy io. Niara-niasa tamin’i Jakoba sy Jaona, zanak’i Zebedio, izy sy Andrea rahalahiny. Mpanarato izy ireo. Niara-nipetraka taminy ny vadiny sy ny rafozambaviny ary i Andrea rahalahiny. Nila niasa mafy sy tia karokaroka izy mba hamelomana azy ireo. Eritrereto ny asa mafy ataon’izy sy ny namany mandritra ny alina, rehefa mandatsaka harato eo anelanelan’ny sambo roa sy mampiakatra izay trondro azony. Mandreraka koa ny asany amin’ny antoandro, satria tsy maintsy avahana sy amidy ny trondro, ary amboarina sy diovina ny harato.

Lazain’ny Baiboly fa mpianatr’i Jaona Mpanao Batisa i Andrea. Azo antoka fa tena nahaliana an’i Petera ny nihaino ny rahalahiny nitantara an’izay nolazain’i Jaona. Hitan’i Andrea i Jaona, indray mandeha, nanondro an’i Jesosy avy any Nazareta sady niteny hoe: “Iny ilay Zanak’ondrin’Andriamanitra!” Tonga dia nanaraka an’i Jesosy i Andrea, ary may erỳ hilaza amin’i Petera hoe tonga ny Mesia. (Jaona 1:35-40) Efa 4 000 taona teo ho eo talohan’izay no nitrangan’ilay fikomiana tany Edena. Nampanantena i Jehovah Andriamanitra tamin’izay fa hisy olona miavaka hitondra ny tena fanantenana ho an’ny olombelona. (Genesisy 3:15) Hitan’i Andrea io Mpanavotra io, dia ny Mesia. May ny hahita an’i Jesosy koa i Petera!

Simona na Simeona no nahalalana an’i Petera talohan’izay. Nijery azy anefa i Jesosy ary niteny hoe: “ ‘Ianao no Simona zanak’i Jaona, ary ianao hatao hoe Kefasy’—izay adika hoe Petera.” (Jaona 1:42) Ny hoe “Kefasy” dia midika hoe “vato” na “harambato.” Mazava fa manana heviny ara-paminaniana ireo tenin’i Jesosy ireo. Fantany fa ho lasa toy ny harambato i Petera, izany hoe, tsy hihozongozona sy ho mafy orina ary ho azon’ny mpanara-dia an’i Kristy ianteherana. Toy izany ve no fahitan’i Petera ny tenany? Toa tsy izany mihitsy. Na ny olona sasany mpamaky Filazantsara ankehitriny aza mahita fa tsy hoatr’izany velively i Petera. Misy milaza fa toa miovaova hevitra sy tsy azo ianteherana izy.

Nanana ny fahalemeny i Petera ary fantatr’i Jesosy izany. Manahaka an’i Jehovah Rainy anefa i Jesosy ka mijery ny toetra tsaran’ny olona foana. Fantatr’i Jesosy fa afaka ny hahavita zavatra tsara betsaka i Petera, ka nitady fomba hanampiana azy hampiasa ny toetra tsarany izy. Mijery ny toetra tsarantsika koa i Jehovah sy ny Zanany. Tsy mino angamba isika hoe hahita toetra tsara maro ao amintsika izy ireo. Mila matoky azy ireo anefa isika ka hanaiky hampiofaniny sy hovolavolainy, toa an’i Petera.—1 Jaona 3:19, 20.

“Aza matahotra”

Azo inoana fa nanaraka an’i Jesosy tany amin’ny toerana sasany nitoriany i Petera, taorian’izay. Mety ho teo izy tamin’i Jesosy nanao fahagagana voalohany, dia ny nanovany ny rano ho divay nandritra ilay fampakaram-bady tao Kana. Nandre an’i Jesosy niresaka an’ilay hafatra lehibe sy mahavelom-panantenana momba ny Fanjakan’Andriamanitra mihitsy aza izy. Nandao an’i Jesosy anefa izy ary niverina nanarato. Nohatonin’i Jesosy izy, volana vitsivitsy tatỳ aoriana, ary nasainy hanara-dia azy mandrakariva.

Vao nisy zavatra nahakivy an’i Petera tamin’io. Imbetsaka izy sy ny namany no nanipy ny haratony tao anaty rano, ny alin’iny, nefa tsy nahazo na inona na inona. Azo antoka fa nampiasa ny traikefany sy ny fahaizany rehetra i Petera, sady nivezivezy nitady izay toerana fisakafoan’ny trondro. Toy ny ankamaroan’ny mpanarato, dia mba tiany raha hitany hoe aiza no be trondro, na raha mba afaka nandidy ny trondro hiditra ao amin’ny haratony izy. Vao mainka anefa izy ho kivy fotsiny eo, raha izany no eritreretiny. Tsy fanalana andron’i Petera fotsiny ny fanaratoana, satria izy no nianteheran’ny fianakaviany. Tanam-polo no nentiny niverina teny an-tanety. Mbola tsy maintsy hodiovina koa anefa ny harato. Sahirana be àry izy tamin’i Jesosy nanatona azy.

Nisy vahoaka nifanesika nanodidina an’i Jesosy, ary nihaino an’izay rehetra noteneniny. Niakatra tao amin’ny sambokelin’i Petera àry i Jesosy ary nasainy nentin’i Petera nihataka kely ilay sambo. Re tsara ny feon’i Jesosy avy teo amin’ilay rano, tamin’izy nampianatra an’ilay vahoaka. Nanongilan-tsofina i Petera sy ireo teny an-tanety. Tsy nankaleo azy mihitsy ny nihaino an’i Jesosy nanazava ny foto-kevitry ny fitoriany, dia ny Fanjakan’Andriamanitra. Voninahitra tokoa ny hanampy an’i Kristy hanambara hafatra mitondra fanantenana manerana an’ilay faritra! Ho azo atao ve anefa izany? Dia inona no hivelomana? Nitamberina tao an-tsain’i Petera indray angamba ilay izy tsy nahazo trondro ny alin’iny.—Lioka 5:1-3.

Rehefa vita ny toritenin’i Jesosy, dia hoy izy tamin’i Petera: “Mirosoa any amin’ny lalina, ary alatsaho ny haratonareo hahazoanareo trondro!” Nisalasala be i Petera. Hoy izy: “Mpampianatra ô, efa niasa mafy nandritra ny alina manontolo izahay, saingy tsy nahazo mihitsy. Noho ny teninao anefa, dia halatsako ihany ny harato.” Azo antoka fa tsy te handatsaka ny haratony mihitsy izy, sady izay indray ny trondro efa tsy mitady sakafo intsony. Nanaiky ihany anefa izy, ary angamba niantso ny namany tao amin’ny sambokely hafa mba hanaraka azy.—Lioka 5:4, 5.

Tsy nampoizin’i Petera hoe havesatra be ilay harato. Mbola tsy tena nino izy rehefa nisintona an’ilay izy, nefa tsy ela dia hitany fa feno trondro mifanaretsaka ilay harato. Nikoropaka izy nanao fihetsika hiantsoana an’ireo lehilahy tao amin’ilay sambokely faharoa mba hanampy azy. Rehefa nanatona izy ireo, dia hita fa tsy zakan’ny sambokely iray ny trondro rehetra. Nofenoina ireo sambokely roa nefa mbola nisy ambiny be dia be ihany. Nanomboka nilentika ireo sambokely. Gaga be i Petera! Efa nahita ny herin’i Kristy ihany izy teo aloha, saingy ity indray mitoraka ity tena nisy fiantraikany mivantana teo aminy. Vitan’i Jesosy hatramin’ny mibaiko ny trondro hankao anaty harato! Natahotra i Petera ka nandohalika sady niteny hoe: “Tompo ô, mialà amiko fa mpanota aho.” Tsapany hoe tsy mendrika ny hiaraka amin’ilay afaka mampiasa ny herin’Andriamanitra toy izany izy.—Lioka 5:6-9.

Tsara fanahy i Jesosy ka niteny taminy hoe: “Aza matahotra, fa manomboka izao dia olona velona no ho azonao.” (Lioka 5:10, 11) Tsy tokony ho nisalasala na natahotra mihitsy i Petera tamin’izay. Tsy misy tokony hampanahy azy ny olana mahazatra toy ny fanaratoana, ary tsy tokony hampatahotra azy ny fahadisoany sy ny tsy fahaizany. Asa lehibe no nataon’i Jesosy, satria hanova ny hoavin’ny olombelona ny fanompoany. Nanompo Andriamanitra “tena mamela heloka tanteraka” koa izy. (Isaia 55:7) Hanome izay ilain’izy ireo eo amin’ny fiainana i Jehovah sady hanatanjaka ny finoany.—Matio 6:33.

Nanao zavatra avy hatrany i Petera, ary toy izany koa i Jakoba sy Jaona. “Naverin’izy ireo teny an-tanety ny sambokely, ary nandao ny zava-drehetra ireo ka lasa nanaraka azy.” (Lioka 5:11) Nandray fanapahan-kevitra faran’izay tsara i Petera: Nino an’i Jesosy sy Ilay naniraka azy izy. Maneho finoana toy izany koa ny Kristianina ankehitriny, ka mandresy fanahiana sy tahotra mba hahafahany hanompo an’Andriamanitra. Tsy ho diso fanantenana mihitsy izay matoky an’i Jehovah!—Salamo 22:4, 5.

“Nahoana ianao no nanjary nisalasala?”

Roa taona taorian’ny nihaonan’i Petera tamin’i Jesosy no nisehoan’ilay zava-nitranga voatantara terỳ am-piandohana. Marina fa tsy fantatsika hoe inona avy no noeritreretin’i Petera tamin’izy nivoy an’ilay sambokely, nandritra an’ilay alina nisy tafio-drivotra be. Maro mantsy ny zavatra efa nitranga. Nanasitrana ny rafozany i Jesosy, nanao an’ilay Toriteny teo An-tendrombohitra, ary nampiseho tamin’ireo fampianarana sy asa mahagaga nataony fa izy ilay Mesia nofidin’i Jehovah. Azo antoka fa efa niova i Petera tao anatin’ireo volana vitsivitsy, ka lasa tsy mora nisalasala na natahotra intsony. Nofidin’i Jesosy ho anisan’ny apostoliny 12 mihitsy aza izy. Mbola tsy afaka tanteraka anefa ny tahotra sy ny fisalasalana tao aminy.

Nijanona tsy nivoy tampoka i Petera ary nitraka, tamin’ny fiambenana fahefatra, izany hoe teo anelanelan’ny tamin’ny telo maraina sy ny mangiran-dratsy. Nisy zavatra nihetsiketsika teo ambony onja. Taratry ny hazavan’ny volana ve io? Toa zavatra mivaingana ilay izy sady mijoro. Olona mandeha eo ambony rano ilay izy! Mihamanatona azy ireo ilay olona ary toa hanitsy eo aminy. Natahotra ny mpianatra ka nihevitra azy io ho matoatoa. Hoy ilay olona: “Mahereza fa izaho ihany ity. Aza matahotra.” Hay i Jesosy ilay izy!—Matio 14:25-28.

Namaly i Petera hoe: “Raha ianao tokoa io, Tompoko, dia asaivo manatona anao eny ambony rano aho.” Sahisahy be izy tamin’ny voalohany. Nangitakitaka be izy tamin’io fahagagana hafakely io, ary tiany hohamafisina ny finoany. Te handray anjara amin’ilay zava-miseho izy. Tsara fanahy i Jesosy ka nasainy nanatona i Petera. Nihanika ny sisin’ilay sambokely izy ary nankeo ambonin’ilay rano manonja. Alao sary an-tsaina izay tsapany rehefa nahahitsaka zavatra mafy teo ambony rano ka afaka nijoro tsara. Tsy maintsy ho talanjona tanteraka izy nanatona an’i Jesosy. Niova anefa ilay izy sahisahy be teo.—Matio 14:29.

Nila nampifantoka ny sainy tamin’i Jesosy i Petera sady nila nibanjina azy. I Jesosy mantsy no nampiasa ny herin’i Jehovah ka nahatonga an’i Petera tsy hilentika. Nanao izany i Jesosy satria nino azy i Petera. Niriorio anefa ny sain’i Petera. ‘Natahotra izy nony nahita ny tafio-drivotra.’ Nijery ny onja namely an’ilay sambo sy nampisamboaravoara ny rano izy ka natahotra. Angamba izy nieritreritra ny tenany nilentika tao amin’ilay farihy sy maty an-drano tao. Nihanatahotra izy ka nihena ny finoany. Nomena anarana hoe Harambato i Petera noho izy noeritreretina hoe ho azo ianteherana. Lasa toy ny vato alatsaka anefa izy teto, satria tsy ampy finoana. Mpilomano mahay izy nefa tsy nitoky tamin’izany. Nikiakiaka izy hoe: “Tompo ô, vonjeo aho!” Noraisin’i Jesosy ny tanany ary nosintoniny izy. Raha mbola teo ambony rano izy ireo, dia niteny tamin’i Petera izy hoe: “Ry kely finoana, nahoana ianao no nanjary nisalasala?”—Matio 14:30, 31.

Mety tsara ilay teny hoe “nanjary nisalasala.” Mety hanimba tokoa ny fisalasalana. Raha avelantsika hanan-kery eo amintsika izy io, dia mety hampihena tsikelikely ny finoantsika. Mila miady mafy àry isika. Ahoana no hanaovana izany? Mila mifantoka amin’izay tena tokony hifantohana isika. Hitombo ny fisalasalantsika raha toa isika mifantoka amin’ny zavatra mampatahotra na mahakivy na mahatonga antsika hanadino an’i Jehovah sy ny Zanany. Hatanjaka kosa ny finoantsika raha mampifantoka ny saintsika amin’i Jehovah sy ny Zanany isika, izany hoe mifantoka amin’izay nataony sy ataony ary mbola hataony ho an’ireo tia azy.

Nanaraka an’i Jesosy niverina tao an-tsambokely i Petera ary nitsahatra ilay tafio-drivotra. Lasa tony ny Ranomasin’i Galilia. Hoy i Petera sy ireo mpianatra hafa: “Zanak’Andriamanitra tokoa ianao.” (Matio 14:33) Tsy maintsy ho faly be i Petera rehefa nangiran-dratsy ny andro. Tsy nisalasala na natahotra intsony izy. Marina fa mbola mila manao fiovana be izy vao ho lasa Kristianina azo ianteherana toy ny harambato, araka ny nolazain’i Jesosy. Vonona ny hiezaka sy handroso foana anefa izy. Vonona ny hanao toy izany koa ve ianao? Ho hitanao fa mendrika ny hotahafina ny finoan’i Petera, raha manao toy izany ianao.

[Sary, pejy 22, 23]

Fantatr’i Jesosy fa afaka ny hahavita zavatra tsara betsaka ilay mpanarato tso-piaina

[Sary, pejy 23]

‘Tompo ô, mpanota aho’

[Sary, pejy 24, 25]

‘Natahotra izy nony nahita ny tafio-drivotra’