Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fantatrao Ve?

Fantatrao Ve?

Fantatrao Ve?

Tena manangona ny sakafony tokoa ve ny vitsika rehefa fahavaratra sy mandritra ny fijinjana?

Hoy ny Ohabolana 6:6-8: “Mandehana any amin’ny vitsika, ry ilay kamo. Diniho ny fanaony ka mba hendre. Na dia tsy manana mpitondra na mpiadidy na mpitarika aza izy, dia manangona ny sakafony izy rehefa fahavaratra, ary manangona ny haniny mandritra ny fijinjana.”

Maro ny karazana vitsika manangona ny sakafony. Iray amin’izany ny vitsika mpijinja fahita any Israely ankehitriny. Io no tian’i Solomona horesahina tao amin’io Ohabolana io.

Milaza ny boky iray fa “mandeha mitady sakafo ny vitsika mpijinja rehefa tsara ny andro. ... Manangona voa izy ireo mandritra ny vanim-potoana mafana.” Eny ambony zavamaniry na eny amin’ny tany izy ireo no maka an’ilay voa. Manamboatra trano any ambanin’ny tany izy ireo, ary ataony eny akaikin’ny toerana ahitana voa izany. Ohatra hoe eny akaikin’ny tanimboly na toerana fanangonam-bokatra na famoloana.

Misy efitra maromaro ao anatin’ny tranom-bitsika, ary misy lalantsara mampifandray azy ireny. Ao anatin’ireny efitrefitra ireny no anangonany ny sakafony. Mety hahatratra hatramin’ny 12 santimetatra ny savaivon’ireny efitra ireny, ary 1 santimetatra ny haavony. Voalaza fa raha manangona sakafo tsara ny andiam-bitsika mpijinja, dia “tsy mila maka sakafo na rano any ivelany izy mandritra ny efa-bolana eo ho eo.”

Nanao ahoana ny asan’ny mpandroso zava-pisotron’ny mpanjaka?

Mpandroso zava-pisotron’i Artaksersesy, mpanjaka persianina, i Nehemia. (Nehemia 1:11) Tsy asa ambany izany tany Persa sy ny manodidina azy. Olona ambony ny olona nanao izany asa izany. Manampy antsika hahafantatra ny andraikitr’i Nehemia tao an-dapa, ny boky sy ny sarin’ny mpandroso zava-pisotro fahiny.

Tsy maintsy nanandrana ny divain’ny mpanjaka ny mpandroso zava-pisotro fahiny, mba hiarovana azy tsy ho voapoizina. Natoky tanteraka ny mpandroso zava-pisotrony àry ny mpanjaka. Hoy ny mpahay tantara atao hoe Edwin Yamauchi: “Matetika no nisy nanao tetika hamelezana ny mpanjaka tao amin’ny lapa persianina, ka tena nila tandapa mendri-pitokisana ny mpanjaka.” Azo antoka fa tena tian’ny mpanjaka ny mpandroso zava-pisotrony, ary nekeny izay nolazainy. Nifandray mivantana tamin’ny mpanjaka izy io isan’andro, ka mety ho afaka nifidy hoe iza no avela hihaona amin’ny mpanjaka.

Noho i Nehemia mpandroso zava-pisotron’ny mpanjaka àry, no mety ho nahatonga ny mpanjaka hamela azy hiverina tany Jerosalema, mba hanorina indray ny manda. Azo antoka fa tena sarobidy tamin’ny mpanjaka i Nehemia. Hoy Ny Diksionera Vatofantsika Momba ny Baiboly (anglisy): “Ny hany nolazain’ny mpanjaka dia hoe: ‘Rahoviana ianao no hiverina?’ ”—Nehemia 2:1-6.

[Kisary/Sary, pejy 9]

Sary tao amin’ny lapa Persianina any Persepolisy

[Kisary]

(Jereo ny gazety)

Mpandroso zava-pisotro

Printsy Ksersesy

Dariosy Lehibe

[Sary nahazoan-dalana]

© The Bridgeman Art Library International