Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Momba An’ireo Anjely

Momba An’ireo Anjely

Inona no Nampianarin’i Jesosy Antsika...

Momba An’ireo Anjely

Efa niaina tany an-danitra niaraka tamin’ny Rainy i Jesosy “fony mbola tsy nisy izao tontolo izao.” (Jaona 17:5) Afaka mamaly tsara an’ireto fanontaniana ireto àry izy:

Mandinika antsika ve ny anjely?

▪ Nampianarin’i Jesosy fa tena mandinika ny olombelona ny anjely. Hoy izy: ‘Mifaly ny anjelin’Andriamanitra rehefa misy mpanota anankiray mibebaka.’—Lioka 15:10.

Nilaza i Jesosy fa anjara asan’ny anjely ny manampy ny olona hifandray tsara amin’Andriamanitra. Hoy àry izy rehefa nampitandrina ny mpianany mba tsy hanafintohina ny hafa: “Tandremo sao manao tsinontsinona ny iray amin’ireny madinika ireny ianareo. Fa lazaiko aminareo fa ny anjelin’izy ireo any an-danitra, dia mahita mandrakariva ny tavan’ny Raiko any an-danitra.” (Matio 18:10) Tsy te hilaza akory i Jesosy hoe manana anjely mpiambina ny mpanara-dia azy tsirairay. Te hilaza kosa izy fa mandinika ny tena Kristianina ireo anjely miara-miasa akaiky amin’Andriamanitra.

Ahoana no amitahan’ny Devoly ny olona?

▪ Nampitandrina i Jesosy fa misakana ny olona tsy hianatra ny marina momba an’Andriamanitra i Satana. Hoy izy: “Rehefa misy mandre ny teny momba ilay fanjakana nefa tsy mahazo ny heviny, dia tonga ilay ratsy ka manala izay nafafy tao am-pony.”—Matio 13:19.

Nolazain’i Jesosy, tao amin’ilay fanoharana momba ny mpamafy vary, ny fomba iray amitahan’i Satana ny olona. I Jesosy ilay mpamafy, ary ny vary dia ireo tena Kristianina hiara-manjaka aminy any an-danitra. Araka ilay fanoharana, dia tonga ny fahavalo ka “namafy tsimparifary teo amin’ny vary.” Ireo Kristianina sandoka no tsimparifary. “Ny fahavalo namafy izany dia ny Devoly.” (Matio 13:25, 39) Mitovy be ny vary sy tsimparifary rehefa mitsiry. Hoatran’ny toa mpivavaka marina koa ireo Kristianina sandoka. Mampianatra zavatra diso anefa izy ireo, ka mitarika ny olona tsy hankatò an’Andriamanitra. Mampiasa ny fivavahan-diso àry i Satana, mba hisakanana ny olona tsy hifandray amin’i Jehovah.

Ahoana no hanoherantsika an’i Satana?

▪ Nantsoin’i Jesosy hoe “ilay mpitondra an’izao tontolo izao” i Satana. (Jaona 14:30) Nolazainy tao amin’ny vavaka nataony ny fomba hanoherana an’io fahavalo io. Izao no nangatahiny tamin’ny Rainy, momba ny mpianany: ‘Arovy amin’ilay ratsy izy ireo. Tsy anisan’izao tontolo izao izy, tahaka ahy tsy anisan’izao tontolo izao. Mba hamasino amin’ny alalan’ny fahamarinana izy ireo, fa ny teninao no fahamarinana.’ (Jaona 17:15-17) Ho voaro amin’i Satana sy ny tontolony àry isika raha mianatra ny Tenin’Andriamanitra.

Inona no anjara asan’ny anjely ankehitriny?

▪ “Amin’ny fifaranan’ny rafitr’ity tontolo ity”, hoy i Jesosy, dia “hivoaka ny anjely ka hanavaka ny ratsy fanahy amin’ny olo-marina.” (Matio 13:49) Miaina amin’ny “fifaranan’ny rafitr’ity tontolo ity” isika izao, ary olona an-tapitrisany no manaiky ny vaovao tsara momba ny Fanjakan’Andriamanitra.—Matio 24:3, 14.

Tsy izay rehetra mianatra Baiboly anefa no ankasitrahan’Andriamanitra. Misy mantsy tsy te hampihatra izay ianarany, fa misy kosa tena tia an’Andriamanitra. Manavaka azy ireo àry ny anjely, izay mitarika ny asan’ny mpanompon’i Jehovah. Nilaza i Jesosy fa ireo ankasitrahan’Andriamanitra, dia “izay mandre ny teny amin’ny fo tsara sy mahitsy, ka mitahiry izany ao am-pony, ary mamoa amin’ny fiaretana.”—Lioka 8:15.

Raha mila fanazavana fanampiny, dia jereo ny toko 10 ao amin’ity boky hoe Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah ity.

[Sary, pejy 16]

Manampy ny olona tso-po hahita ny fahamarinana ny anjely