Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fantatrao Ve?

Fantatrao Ve?

Fantatrao Ve?

Inona no fanao rehefa nanangom-bokatra, ary iza no nandray soa tamin’izany?

Nilaza ny Lalàn’i Mosesy fa tsy azon’ny mpamboly natao ny nijinja ny vokatra rehetra teo amin’ny tanimboliny. Tsy azony nojinjaina tanteraka, ohatra, ny sisin’ny sahany. Rehefa nioty voaloboka izy ireo, dia tsy azony natao ny nanangona ny latsaka na niverina nioty an’izay tsy matoy tamin’ny voalohany. Rehefa nikapoka rantsan’oliva izy ireo, dia tsy azony niverenana izay rantsana nisy oliva tsy nilatsaka. (Levitikosy 19:9, 10; Deoteronomia 24:19-21) Amin’izay dia afaka nitsimpona ny sisa tavela ny mahantra, ny kamboty, ny mpitondratena, ary ny vahiny.

Nahasoa ny Israelita rehetra io lalàna io. Lasa tia nanome sy tsy tia tena ary niantehitra tamin’ny fitahian’Andriamanitra ilay tompon’ny tanimboly. Lasa nazoto niasa kosa ilay mpitsimpona, satria asa mafy izany. (Rota 2:2-17) Tsy ho noana amin’izay ny mahantra na ho lasa enta-mavesatra ho an’ny fiaraha-monina. Tsy ho afa-baraka koa izy ireo hoe nangataka fotsiny na niantehitra tamin’ny fanomezan’ny hafa.

Nahoana i Solomona no avy tany Libanona mihitsy no nanafatra hazo hanamboarana ny tempoly tao Jerosalema?

Milaza ny 1 Mpanjaka 5:1-10, fa nanao fifanekena i Solomona sy Hirama mpanjakan’i Tyro hoe handefa hazo sedera sy zenevrie avy any Libanona mankany Israely, mba hanamboarana ny tempoly. Hatambatra ho zahatra izy ireo ary halefa an-dranomasina.

Zava-dehibe ny varotra hazo sedera tany Israely sy ny manodidina. Matetika izy ireny no nanaovana tapenaka na nanaovana rindrin’ny tempoly sy lapa, tany Ejipta sy Mezopotamia. Porofoin’ireo antontan-taratasin’ny mpanjaka sy ny asa soratra fa nitohy foana ny fitaterana hazo sedera nankao amin’ireo faritra atsimon’i Mezopotamia. Takalon-javatra izy ireny indraindray na nentina avy tany an’ady. Ireny no nanamboarana sambon’ny mpanjaka, vatam-paty, ary zavatra hafa nilaina tamin’ny fandevenana tany Ejipta.

Nalaza ho mateza, tsara tarehy, ary manitra ny sederan’i Libanona sady tsy simban’ny bibikely. Nampiasa ny fitaovana tsara indrindra àry i Solomona rehefa nanorina ny tempoly. Hazo vitsivitsy sisa no niafaran’ilay alana sedera nandrakotra ny tendrombohitr’i Libanona fahiny.

[Sary, pejy 15]

Fitaterana hazo sederan’i Libanona. Fanampian’ny Asyrianina avy tany amin’ny lapan’i Sargona

[Sary nahazoan-dalana, pejy 15]

Erich Lessing/Art Resource, NY