Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Manontany ny Mpamaky

Nahoana i Abrahama no Nasain’Andriamanitra Hanao Sorona ny Zanany?

Nahoana i Abrahama no Nasain’Andriamanitra Hanao Sorona ny Zanany?

▪ Milaza ny Genesisy fa nasain’i Jehovah Andriamanitra hanao sorona an’i Isaka zanany lahy i Abrahama. (Genesisy 22:2) Tsy mino ny olona sasany rehefa mamaky an’io tantara io. Hoy ny manam-pahaizana atao hoe Carol: “Tezitra be mihitsy aho tamin’izaho vao naheno an’iny tantara iny, tamin’ny mbola kely. Hozy aho hoe: ‘Fa dia Andriamanitra inona loatra no sahy nampanao zavatra hoatr’izany?’ ” Rariny aloha raha mieritreritra toy izany ny olona e! Misy hevitra roa tsara hotadidintsika anefa.

Voalohany, eritrereto ny zavatra tsy nataon’i Jehovah. Tsy navelany hanao an’ilay sorona i Abrahama, na dia efa vonona hanao izany aza. Tsy nisy olon-kafa nasainy hanao toy izany intsony koa tatỳ aoriana. Tian’i Jehovah ho lava andro iainana sy ho afa-po amin’ny fiainana ny vahoakany rehetra, anisan’izany ny ankizy.

Faharoa, nisy antony manokana matoa i Jehovah nilaza tamin’i Abrahama mba hanao sorona an’i Isaka. Fantany fa hamela an’i Jesosy Zanany * ho faty ho antsika izy, taonjato maro atỳ aoriana. (Matio 20:28) Tian’i Jehovah haseho antsika fa tena ho mafy aminy izany. Ny sorona hataon’i Jehovah atỳ aoriana àry no tena tiany haseho tamin’ilay sorona nasainy nataon’i Abrahama.

Hoy i Jehovah tamin’i Abrahama: “Ento, azafady, i Isaka zanakao, ilay lahitokanao izay tena tianao, ka ... atolory ho fanatitra dorana izy.” (Genesisy 22:2) Mariho fa nilaza i Jehovah hoe ‘tena tian’i Abrahama’ i Isaka. Fantany fa tena sarobidy tamin’i Abrahama io zanany io. Tena sarobidy amin’Andriamanitra koa i Jesosy Zanany. Tena tia azy izy ka indroa mihitsy no niteny tamin’i Jesosy mivantana avy any an-danitra hoe “Zanako malalako.”—Marka 1:11; 9:7.

Mariho koa fa nanao “azafady” i Jehovah rehefa niresaka tamin’i Abrahama. Milaza ny manam-pahaizana iray fa hita amin’izany hoe “fantatry ny TOMPO fa tena nihoa-pampana ny zavatra nangatahiny.” Azontsika sary an-tsaina angamba ny alahelon’i Abrahama, rehefa nasain’Andriamanitra hanao an’ilay sorona izy. Nalahelo be toy izany koa i Jehovah rehefa nijery ny Zanany malalany nijaly sy maty. Tamin’iny angamba no voalohany sady farany nahatsapany alahelo mafy indrindra hatramin’izay.

Marina fa mety tsy heken’ny saintsika ny hoe sahy nangataka an’i Abrahama hanao an’izany i Jehovah. Tokony hotadidintsika anefa fa tsy navelan’i Jehovah hanao an’ilay sorona io mpanompony tsy nivadika io. Tsy navelany hanjo an’i Abrahama ilay fahoriana faran’izay mangidy mety hanjo ny ray aman-dreny. Niaro an’i Isaka tsy ho faty mantsy i Jehovah. Tsy mba “niaro ny Zanany” kosa izy, fa “nanolotra azy hamonjy antsika rehetra.” (Romanina 8:32) Nahoana izy no nanaiky hiharan’ny fahoriana mafy be toy izany? “Mba hahazoantsika fiainana.” (1 Jaona 4:9) Hitantsika avy amin’izany àry fa tena tia antsika Andriamanitra. Tsy mandrisika antsika ho tia azy koa ve izany? *

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 5 Tsy milaza akory ny Baiboly hoe nanambady Andriamanitra ary niteraka an’i Jesosy. Namorona anjely kosa izy ary io no nirahiny tetỳ an-tany mba haterak’i Maria virjiny. Koa satria àry Andriamanitra no namorona an’i Jesosy, dia ara-dalàna raha antsoina hoe Rainy izy.

^ feh. 8 Jereo ny toko 5 ao amin’ny boky Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?, raha tianao ny hahafantatra bebe kokoa hoe nahoana no tsy maintsy maty ho antsika i Jesosy, ary ahoana no ampisehoantsika fa mankasitraka izany isika.