Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ianaro ny Tenin’Andriamanitra

Nahoana no Tokony Hankalazaina ny Nahafatesan’i Jesosy?

Nahoana no Tokony Hankalazaina ny Nahafatesan’i Jesosy?

Hodinihina ato amin’ity lahatsoratra ity ny fanontaniana mety ho napetrakao. Ho hitanao ato hoe aiza ao amin’ny Baiboly ny valin’izany. Ho faly ny Vavolombelon’i Jehovah hiara-midinika aminao momba izany.

1. Ahoana no tokony hankalazana ny nahafatesan’i Jesosy?

Nasain’i Jesosy hankalaza ny nahafatesany ny mpanara-dia azy, ary hampiasa mofo sy divay rehefa manao izany. Mampahatsiahy antsika ny vatan’i Jesosy mantsy ilay mofo, ary ny rany ilay divay.—Vakio ny Lioka 22:19, 20.

Mofo tsy nisy lalivay na leviora no nampiasain’i Jesosy tamin’izy nanao an’ilay fankalazana, satria io no mifanitsy tsara amin’ny vatany tsy misy ota. Matetika mantsy no midika hoe ota ny lalivay, ao amin’ny Baiboly. Nanao sorona ny vatany i Jesosy ka tsy nila nanao sorona biby intsony ny olona. (Hebreo 10:5, 9, 10) Ny divay kosa mifanitsy amin’ny ran’i Jesosy, izay nafoiny hanavotana antsika amin’ny ota.—Vakio ny 1 Petera 1:19; 2:24; 3:18.

2. Isaky ny inona isika no tokony hankalaza ny nahafatesany?

Ny 14 Nisana, volana amin’ny kalandrie jiosy, i Jesosy no maty, izany hoe fotoanan’ny Paska. Nankalaza ny Paska niaraka tamin’ny apostoliny aloha izy ny alina talohan’ny nahafatesany. Vao nanomboka kelikely ny 14 Nisana tamin’izay, satria rehefa milentika ny masoandro vao manomboka ny andro iray amin’ny Jiosy. Taorian’ilay fankalazana izy vao nanao ny fahatsiarovana ny fahafatesany.—Vakio ny Lioka 22:14, 15.

Mankalaza ny nahafatesan’i Jesosy koa isika ankehitriny, satria izany no manafaka antsika amin’ny ota sy ny fahafatesana. Indray mandeha isan-taona no nankalazaina ny Paska. (Eksodosy 12:5-7, 13, 17) Indray mandeha isan-taona koa àry no ankalazaina ny nahafatesan’i Jesosy, izany hoe isaky ny 14 Nisana aorian’ny filentehan’ny masoandro.—Vakio ny Jaona 1:29.

3. Iza no tokony hihinana ny mofo sy hisotro ny divay?

Hoy i Jesosy, rehefa nanolotra ny divay tamin’ny mpianany: “Ity kaopy ity no fifanekena vaovao miorina amin’ny rako.” (1 Korintianina 11:25) Efa nanao fifanekena tamin’ny Israelita i Jehovah hoe raha mankatò tsara ny lalàny izy ireo, dia ho lasa vahoakany. (Eksodosy 19:5, 6) Tsy nankatò anefa izy ireo ka nosoloany an’io fifanekena vaovao io ilay fifanekena taloha.—Vakio ny Jeremia 31:31.

Marina fa olona 144 000 monja no nanaovan’i Jehovah an’io fifanekena vaovao io. Olona an-tapitrisany maneran-tany anefa no handray soa avy amin’izy io, ka hahazo fiainana mandrakizay eto an-tany. Ho any an-danitra kosa ireo 144 000, saingy mbola manompo an’i Jehovah eto an-tany izao ny sasany aminy. Izy ireo ihany no tokony hihinana ny mofo sy divay, satria tamin’izy ireo ihany i Jehovah no nanao an’ilay fifanekena.—Vakio ny Lioka 12:32; Apokalypsy 14:1, 3.

4. Nahoana isika no tokony hankalaza ny nahafatesany?

Hankasitraka kokoa ny fitiavana lehibe nasehon’i Jehovah antsika isika amin’izay. Navelany ho faty mantsy ny Zanany mba hanafaka antsika amin’ny ota. Rehefa manatrika an’ilay fankalazana àry isika, dia tokony hisaintsaina ny soa raisintsika avy amin’izany. Tokony hosaintsainintsika izay azontsika atao mba hanehoana fa tena mankasitraka an’i Jehovah sy Jesosy isika.—Vakio ny Jaona 3:16; 2 Korintianina 5:14, 15.

Raha mila fanazavana fanampiny, dia jereo ny boky Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly? pejy 206-208, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.