Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Matoky An’Andriamanitra ve Ianao?

Matoky An’Andriamanitra ve Ianao?

ERITRERETO hoe mana-namana tena mahafinaritra anao ianao. Nisy zavatra nataony anefa, ary tsy azonao mihitsy hoe naninona izy no nanao an’ilay izy. Misy olona manakiana sy mitsara an-tendrony an’ilay namanao hoe ratsy fanahy izy. Tonga dia hiombon-kevitra amin’izy ireo ve ianao, sa hanontany an’ilay namanao aloha? Raha mbola tsy eo izy hanazava, dia hiandry azy ve ianao sa tonga dia hitsaratsara azy koa?

Alohan’ny hamalianao izany, dia mety hieritreritra ianao hoe: ‘Fantatro tsara ve iny namako iny, ary nahoana izy no mahafinaritra ahy?’ Ara-dalàna raha mieritreritra an’izany ianao. Tsy hoatr’izany koa ve anefa no tokony hataontsika amin’Andriamanitra alohan’ny hilazana hoe ratsy fanahy izy?

Sarotra aminao angamba ny mahatakatra ny antony nanaovan’Andriamanitra zavatra iray. Na mety tsy ho azonao hoe maninona no misy zavatra avelany hitranga. Be dia be ny olona mitsaratsara an’Andriamanitra hoe ratsy fanahy izy, ary mety hampirisihiny hanao hoatr’izany koa aza ianao. Tonga dia hitsaratsara azy koa ve ianao, sa hiezaka hahalala azy bebe kokoa? Tokony hieritreritra an’ireto ianao alohan’ny hamaliana an’izany: ‘Fantatro tsara ve izy? Inona avy no efa nataony ho ahy?’

Raha manana olana ianao, dia mety hieritreritra fa tsy mba nanao na inona na inona ho anao mihitsy Andriamanitra. Eritrereto anefa izao: Andriamanitra ve no mahatonga anao hanana zava-manahirana? Sa kosa ny zavatra tsara eo amin’ny fiainanao no avy aminy? Efa fantatsika fa i Satana no “mpitondra an’izao tontolo izao”, fa tsy i Jehovah. (Jaona 12:31) I Satana àry no tena mahatonga ny fijaliana sy ny tsy rariny amin’izao. Mijaly koa isika indraindray satria tsy lavorary na misy zavatra tsy ampoizina mitranga.

Andriamanitra ve no mahatonga anao hanana zava-manahirana? Sa kosa ny zavatra tsara eo amin’ny fiainanao no avy aminy?

Inona kosa no nataon’Andriamanitra ho anao? Eritrereto ange izay lazain’ny Baiboly e! Voalaza ao fa izy no “Mpanao ny lanitra sy ny tany.” Anisan’ny zavatra nataony isika ary “mahatalanjona” ny nanaovany ny vatantsika. Izy koa ilay ‘Andriamanitra iankinan’ny aintsika.’—Salamo 124:8; 139:14; Daniela 5:23.

Midika izany fa tsy nisy isika raha tsy noforonin’i Jehovah, ilay Mpamorona. (Asan’ny Apostoly 17:28) Izy no mahatonga antsika ho velona, hankafy ny hakanton’ny manodidina, hankafy fiarahana amin’ny olona tiantsika sy tia antsika, hankafy tsiro sy fofona, handre zavatra mahafinaritra, ary hahafantatra izay zavatra kasihintsika. Fanomezana avy aminy daholo izany. (Jakoba 1:17) Tsy hitanao amin’izany ve fa tena Namana tokoa Andriamanitra ka mendrika ny hotiavina sy hatokisana?

Mety ho mbola sarotra aminao ihany ny hatoky an’Andriamanitra, satria tsy mahafantatra azy tsara angamba ianao. Ara-dalàna izany! Be dia be ny antony mahatonga ny olona hilaza fa ratsy fanahy Andriamanitra. Tsy ho voaresaka ato daholo anefa izay lazain’ny Baiboly momba azy ireny. Tsy hitanao hoe ilaina ve anefa ny miezaka hahalala an’Andriamanitra bebe kokoa? * Raha manao izany ianao, dia ho fantatrao ny marina momba azy. Ho fantatrao hoe ‘Andriamanitra fitiavana’ izy fa tsy ratsy fanahy akory.—1 Jaona 4:8.

^ feh. 8 Manazava ny antony hamelan’Andriamanitra ny fijaliana hisy ny toko 11 amin’ny boky Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.