Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

 TAHAFO NY FINOAN’IZY IREO | MARIA

Tafavoaka Ihany Izy na Mafy Aza ny Nanjo Azy

Tafavoaka Ihany Izy na Mafy Aza ny Nanjo Azy

NITANONDRIKA i Maria. Tsy hay lazaina ny fahoriany. Mbola nanako tao an-tsofiny ilay feon-janany nitaraindraina teo am-pialana aina, rehefa avy nijalijaly nandritra ny ora maro. Maizina sahady ny andro, nefa mbola nitataovovonana tamin’izay. Nihovotrovotra ny tany avy eo. (Matio 27:45, 51) Izany angamba no fomba nampahafantaran’i Jehovah an’izao tontolo izao fa tena mafy taminy ny nahafatesan’i Jesosy Kristy.

Nisava ny haizina tao Golgota, na Ikarandoha, rehefa tolaka ny andro. Io i Maria mbola nalahelo an-janany. (Jaona 19:17, 25) Maro ny zavatra nitamberina tao an-tsainy. Anisan’izany angamba ilay zava-nitranga 33 taona teo ho eo talohan’io. Rehefa avy nitondra an’ilay zanany kely tao amin’ny tempolin’i Jerosalema izy sy Josefa, dia nilaza faminaniana momba an’i Jesosy ny lehilahy zokiolona atao hoe Simeona. Nilaza koa izy fa na i Maria aza ho toy ny voatrobaky ny sabatra. (Lioka 2:25-35) Teto vao takatr’i Maria ny tian’i Simeona holazaina.

Toy ny voatrobaky ny sabatra ny fon’i Maria, satria nalahelo be izy

Misy milaza fa ny mamoy zanaka no fahoriana mangidy indrindra. Fahavalo ny fahafatesana, ary mampahory antsika rehetra izy io. (Romanina 5:12; 1 Korintianina 15:26) Mety hisinda ihany ve ny alahelo vokatr’izany? Andeha isika handinika ny fiainan’i Maria, hatramin’ny fotoana nanombohan’i Jesosy ny fanompoany ka mandra-pahafatiny, ary taorian’izay. Ho hitantsika fa tafavoaka ihany izy noho ny finoany, na mafy aza ny nanjo azy.

“ATAOVY IZAY REHETRA LAZAINY AMINAREO”

Andeha hojerentsika ny zava-nitranga, telo taona sy tapany talohan’io. Niresaka momba an’i Jaona Mpanao Batisa ny olona, tao amin’ilay tanàna kelin’i Nazareta. Nampirisika ny olona hibebaka mantsy izy. Izay no famantarana ho an’i Jesosy fa nila nanomboka ny fanompoany izy, ary efa tsinjon’i Maria hoe handao azy ireo ilay zanany lahimatoa. (Matio 3:1, 13) Tsy ho mora amin-dry Maria ny hiatrika an’izany fiovana izany. Nahoana?

Tsy vaovao tamin’i Maria izany hoe mamoy havana izany, satria toa efa maty i Josefa vadiny tamin’io. * Nantsoin’ny olona hoe “ilay mpandrafitra” i Jesosy, ankoatra ny hoe “zanaky ny mpandrafitra.” Izy angamba no nandimby an-drainy, ka namelona ny fianakaviany. Nanana zandry enina mantsy izy, fara fahakeliny. (Matio 13:55, 56; Marka 6:3) Nety ho efa nampiofanin’i Jesosy i Jakoba tamin’izay mba handimby azy amin’ilay asa, satria toa izy no zandriny nanarakaraka azy. Na izany aza, dia tsy mora tamin’ny fianakaviany ihany ilay hoe hilaozan’i Jesosy. Tsy haintsika raha natahotra an’io fiovana io i Maria na tsia. Efa nizaka ny tsy eran’ny aina mantsy izy tamin’izany. Ny zava-dehibe kokoa anefa dia hoe: Ahoana no ho fihetsiny rehefa lasa Mesia na Kristy i Jesosy avy any Nazareta? Mamaly an’izany ity zava-nitranga ity.—Jaona 2:1-12.

 Nankany amin’i Jaona i Jesosy mba hatao batisa, ary lasa Mesia na Voahosotr’Andriamanitra izy. (Lioka 3:21, 22) Nifidy olona hatao mpianatra izy avy eo. Fantany fa maika ny asa nanendrena azy. Na izany aza, dia naka fotoana hiaraha-mifaly tamin’ny tapaka sy namana koa izy. Nanatrika fampakaram-bady tao Kana izy, niaraka tamin’ny reniny sy ny mpianany ary ny zandriny. Tany amin’ny 13 kilaometatra niala an’i Nazareta angamba izany. Tsikaritr’i Maria hoe nisy olana tao amin’ilay fety. Nifampijerijery sy nitakoritsika angamba ny havan’ilay mpivady vao. Hay lany ny divay! Io no zava-pisotro tena fandraisana vahiny tamin’izany, ka ho afa-baraka ny tompom-pety raha io no lany. Nalahelo azy ireo i Maria, ka lasa niteny tamin’i Jesosy.

Hoy izy tamin-janany: “Tsy manana divay ry zareo.” Asa raha inona no tiany hataon’i Jesosy! Fantany aloha hoe tsy toy ny olon-drehetra ny zanany, ary hanao zavatra miavaka izy, ka mety ho amin’io no hanaovany an’izany voalohany. Te hilaza angamba izy hoe: “Manaova zavatra re ianao, anaka!” Nety ho tsy nampoiziny ilay valin-tenin’i Jesosy hoe: “Misy zavatra iombonako aminao angaha moa, ravehivavy?” Tsy hoe tsy nanaja akory i Jesosy tamin’io, na dia izany aza no andraisan’ny olona sasany azy. Nanitsy azy tamim-pitiavana kosa izy. Nampahatsiahy an-dreniny izy hoe tsy anjarany ny mibaiko azy amin’ny fanompoany fa andraikitr’i Jehovah Rainy.

Nanaiky ny fanitsiana nataon-janany i Maria. Vehivavy nanetry tena mantsy izy, ary azony tsara ny tian’i Jesosy holazaina. Hoy fotsiny izy tamin’ireo mpanompo: “Ataovy izay rehetra lazainy aminareo.” Tsapan’i Maria fa tsy anjarany intsony ny miteny an-janany an’izay tokony hataony. Tokony hanaraka izay tari-dalana omen’i Jesosy kosa izy sy ny olon-kafa. Hita hoe nalahelo an’ilay mpivady vao koa i Jesosy, matoa nanova ny rano ho divay. Io no fahagagana voalohany nataony. Inona no vokany? “Nino azy ny mpianany.” Nino azy koa i Maria. Tsy hoe zanaka fotsiny izao no niheverany azy fa Tompo sy Mpamonjy koa.

Betsaka ny zavatra azon’ny ray aman-dreny anahafana an’i Maria. Marina fa tsy nisy olona nitaiza zaza mitovy amin’i Jesosy intsony. Miova anefa ny fiainana rehefa lehibe ny ankizy, na lavorary izy ireo na tsia. Mety ho sarotra amin’ny ray aman-dreny ny miatrika an’izany. Mety mbola te hitondra an’ilay zanany ho toy ny zazakely ihany izy ireo, nefa tsy mety intsony izany. (1 Korintianina 13:11) Ahoana no azon’izy ireo anampiana ny zanany efa lehibe? Mila manetry tena izy ireo ka mampiseho hoe atokisany ny zanany. Tokony hino izy ireo fa hampihatra izay lazain’ny Baiboly foana ny zanany, ary hahazo ny fitahian’i Jehovah. Hisy vokany tsara amin’ilay zanany izany. Azo antoka hoe tena nankasitrahan’i Jesosy ny fanohanan’i Maria azy nandritra ny taona maro taorian’izay.

‘TSY NINO AZY NY RAHALAHINY’

Tsy dia miresaka momba an’i Maria ny Filazantsara, nandritra ny telo taona sy tapany nanompoan’i Jesosy. Tsara ho tadidina anefa fa efa maty vady izy tamin’izay sady nitaiza irery ny zanany. Mbola kely koa angamba ny sasany tamin’izy ireo. Tsy mahagaga àry raha tsy afaka nanaraka an’i Jesosy tany amin’izay nitoriany i Maria. (1 Timoty 5:8) Nisaintsaina zavatra ara-panahy nifandray tamin’ny Mesia foana anefa izy, sady nanatrika fivoriana tany amin’ny synagoga, araka ny efa fanaon’izy mianakavy.—Lioka 2:19, 51; 4:16.

 Azo inoana àry hoe anisan’ny nanatrika teo izy, tamin’i Jesosy namaky teny tao amin’ny synagoga. Faly erỳ angamba izy rehefa nilaza ilay zanany fa tanteraka taminy ilay faminaniana momba ny Mesia, izay nosoratana an-jatony taona talohan’io. Tsy maintsy ho nalahelo koa anefa izy, rehefa nahita hoe tsy nino an-janany ny mponina tao Nazareta, ary nitady hamono azy mihitsy aza.—Lioka 4:17-30.

Mbola nanampy trotraka koa ny zavatra nataon’ny zanany lahy hafa. Tsy nitovy finoana tamin-dreniny mantsy ny rahalahin’i Jesosy efatra. Hoy ny Jaona 7:5: ‘Tsy nino azy ny rahalahiny.’ Nanana anabavy roa i Jesosy, fara fahakeliny, saingy tsy niresaka na inona na inona momba azy ireo ny Baiboly. * Hitan’i Maria hoe mafy ny fiainana rehefa tsy mitovy finoana ny iray trano. Tsy maintsy nahay nandanjalanja izy. Tsy nampandefitra ny fahamarinana izy, nefa koa tsy nanjakazaka na nila kisa tamin’ireo zanany tsy mpino mba hanohinana ny fon’izy ireo.

Nitady “hisambotra” an’i Jesosy ny havany sasany, indray andro. Anisan’ireo koa angamba ny rahalahiny. Nilaza mihitsy aza izy ireo hoe: “Voa ny sainy.” (Marka 3:21, 31) Tsy nieritreritra an’izany mihitsy aloha i Maria, kanefa niaraka tamin’izy ireo ihany izy. Nanantena angamba izy hoe mety hampitombo ny finoan’izy ireo ny zavatra ho hitany any. Mbola tsy nino an’i Jesosy foana anefa izy ireo, na teo aza ny fahagagana nataony sy ny fahamarinana nampianariny. Sosotra ve i Maria ka nieritreritra hoe: ‘Inona mihitsy àry no tadiavin’ireto zaza ireto vao hanam-pinoana izy ireo?’

Tsy mitovy finoana ve ianareo ao an-trano? Afaka manahaka an’i Maria ianao, raha izany. Nanantena foana izy fa mbola hiova ireo zanany tsy mpino ireo. Tsy nanery azy ireo izy, fa naleony ry zareo no hahita hoe nahatonga azy ho falifaly sy hilamin-tsaina ny finoany. Nanohana an’i Jesosy foana koa anefa izy. Asa izy raha nalahelo an’io zanany io, na hoe nety ho tiany kokoa raha mba nijanona niaraka tamin’izy mianakavy izy. Hainy anefa ny nifehy ny fihetseham-pony, raha nisy izany. Noraisiny ho tombontsoa ny nanohana sy nampahery an’i Jesosy. Manahaka azy ianao, raha manampy ny zanakao hanao loha laharana ny fanompoana an’Andriamanitra.

“NA IANAO AZA HO TOY NY VOATROBAKY NY SABATRA”

Novalian-tsoa ny finoan’i Maria. Tsy hadinon’i Jehovah mihitsy ny olona manam-pinoana, ary azo antoka fa anisan’izany i Maria. (Hebreo 11:6) Tsy maintsy ho faly erỳ izy rehefa nandre an’ilay zanany nitory teny, na naheno olona nitatitra ny zavatra nampianariny.

Hita taratra tamin’ny fanoharan’i Jesosy ny fampiofanana nomen’i Josefa sy Maria azy

Inona no tao an-tsain’i Maria, rehefa nanao fanoharana i Jesosy? Nilaza, ohatra, izy fa nisy vehivavy namafa ny tranony mba hahitana ny volany very. Niresaka vehivavy manodina vato fikosoham-bary sy jiro apetraka eo amin’ny fitoeran-jiro koa izy. Rehefa nandre an’ireo i Maria, dia mety ho tsaroany ilay izy nanao raharaha tao an-trano tamin’i Jesosy mbola kely. (Lioka 11:33; 15:8, 9; 17:35) Ary inona no mety ho tsaroany rehefa nilaza i Jesosy hoe mora entina ny ziogany ary maivana ny entany? (Matio 11:30) Mety ho tadidiny ilay Josefa nampianatra an’i Jesosy nanamboatra zioga, mba ho mora amin’ireo biby ny mitondra azy. Azo antoka hoe faly be i Maria nieritreritra ny tombontsoa nomen’i Jehovah azy, dia ny hitaiza sy hampiofana an’ilay zaza ho lasa Mesia. Lasa mpampianatra lehibe  izy io tatỳ aoriana. Hafa mihitsy ny zavatra tsapan’i Maria, rehefa nandre an’ilay zanany nampiasa an’ireny zavatra fahita andavanandro ireny mba hanatsoahana lesona tena mafonja.

Nanetry tena foana anefa i Maria. Ilay zanany koa moa tsy mba nanindrahindra na nandokadoka azy. Tamin’i Jesosy teny am-pitoriana, ohatra, dia nisy niteny hoe sambatra izay vehivavy niteraka azy. Hoy anefa izy: “Tsy izany mihitsy, fa izay mihaino ny tenin’Andriamanitra ka mitandrina izany kosa no sambatra!” (Lioka 11:27, 28) Indray mandeha koa nisy olona nilaza taminy hoe tonga ao ny reniny sy ny rahalahiny. Namaly anefa izy fa izay manam-pinoana no tena reniny sy rahalahiny. Tsy tezitra i Maria tamin’izany. Takany tsara kosa ny tian’i Jesosy holazaina, dia ny hoe: Sarobidy lavitra noho ny fifandraisana ara-pianakaviana ny fifandraisana amin’ny mpiray finoana.—Marka 3:32-35.

Na izany aza, dia tsy hay lazaina ny fahorian’i Maria nahita an-janany nijalijaly teo amin’ny hazo fijaliana. Nanatrika teo ny apostoly Jaona ary nitantara izy, tatỳ aoriana, fa nitsangana “teo akaikin’ny hazo fijalian’i Jesosy” foana i Maria. Tsy nivadika sy be fitiavana izy ka tsy nisy nahasakana azy tsy ho eo akaikin’ilay zanany mandra-pahafatiny. Hitan’i Jesosy izy. Tena nila haningotra ny ain’i Jesosy na dia ny hifoka rivotra aza, mainka moa fa ny hiteny. Tsy nahasakana azy tsy hiresaka tamin-dreniny anefa izany. Nasainy nikarakara azy i Jaona, ilay apostoly tena tiany. Mbola tsy mpino mantsy ny zandriny lahy, ka tsy nankininy tamin’ireo i Maria fa tamin’ny mpanara-dia azy. Nasehon’i Jesosy tamin’izany fa tena zava-dehibe ny miahy izay ilain’ny ankohonana, indrindra fa eo amin’ny lafiny ara-panahy.—Jaona 19:25-27.

Rehefa maty i Jesosy vao tsapan’i Maria ilay nolazaina taminy taloha hoe ho toy ny voatrobaky ny sabatra izy noho ny alahelo. Tsy hitantsika izay teny hilazana ny fahoriany, ka azo antoka fa tsy ho azontsika an-tsaina koa ny hafaliany rehefa natsangana i Jesosy, telo andro taorian’izay. Io no fahagagana lehibe indrindra tamin’i Maria hatramin’izay. Vao mainka izy faly rehefa niseho tamin’i Jakoba rahalahiny i Jesosy. (1 Korintianina 15:7) Nanohina ny fon’i Jakoba sy ny rahalahiny hafa izany. Fantatsika fa lasa nino izy ireo, tatỳ aoriana, hoe i Jesosy tokoa no Mesia. Tsy ela izy ireo dia namonjy fivoriana kristianina niaraka tamin-dreniny, ka “naharitra nivavaka.” (Asan’ny Apostoly 1:14) Nanoratra boky ao amin’ny Baiboly ny roa tamin’izy ireo, tatỳ aoriana, dia i Jakoba sy Joda.

Faly i Maria satria lasa Kristianina tsy mivadika ireo zanany lahy hafa

Tsy nisy firesahana momba an’i Maria intsony taorian’ilay izy nivory sy nivavaka niaraka tamin’ny zanany lahy. Tsara fiafara erỳ ny tantarany, ary ohatra tsara ho antsika izy. Nanam-pinoana izy ka tafavoaka na dia mafy aza ny nanjo azy. Nahazo fitahiana lehibe izy tamin’ny farany. Enga anie isika ka hanam-pinoana toa azy. Ho tafavoaka koa isika amin’izay na mafy toy inona aza ny zavatra zakaintsika eto amin’ity tontolo ity. Hahazo fitahiana be lavitra noho izay eritreretintsika isika.

^ feh. 8 Tsy voaresaka tao amin’ny Filazantsara intsony i Josefa, taorian’ilay zava-nitranga tamin’i Jesosy 12 taona. Ny renin’i Jesosy sy ny zandriny sisa no voaresaka tao taorian’io. Nisy fotoana koa i Jesosy nantsoina hoe “zanak’i Maria”, fa tsy nolazaina ny anaran’i Josefa.—Marka 6:3.

^ feh. 16 Tsy i Josefa no tena rain’i Jesosy. Tsy iray ray taminy àry ireo zandriny ireo.—Matio 1:20.