Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Afaka Mampifaly An’Andriamanitra ve Isika?

Afaka Mampifaly An’Andriamanitra ve Isika?

Nisy fotoana ve ianao namaky Baiboly, ary nahita hoe nisy olona tena noderaina? Mety ho nieritreritra ianao tamin’izay hoe: ‘Tsy mba hitovy amin-dry zareo mihitsy aho!’, na hoe: ‘Izaho koa ve dia tsy manan-tsiny? Tsy ho vitako mihitsy izany hoe hanao ny tsara izany foana.’

‘Lehilahy tsy nanan-tsiny sady marina’ i Joba. —Joba 1:1

Nolazaina fa “tsy nanan-tsiny sady marina” i Joba. (Joba 1:1) I Lota indray nantsoina hoe “olo-marina.” (2 Petera 2:8) I Davida kosa nanao “izay mahitsy” teo imason’Andriamanitra. (1 Mpanjaka 14:8) Andao anefa isika handinika akaiky ny fiainan’ireo olona voaresaka ao amin’ny Baiboly ireo. Ho hitantsika fa 1) nanao fahadisoana izy ireo, 2) afaka mianatra zavatra betsaka avy amin’izy ireo isika, ary 3) afaka mampifaly an’Andriamanitra ny olona tsy lavorary.

NANAO FAHADISOANA IZY IREO

Nafahan’Andriamanitra “i Lota olo-marina, izay ory dia ory rehefa nahita an’ireo mpandika lalàna nanaram-po tamin’ny fitondran-tena baranahiny.”—2 Petera 2:7

Nijaly be i Joba satria betsaka ny zava-dratsy nanjo azy, ary toa tsy rariny ilay izy. Diso hevitra izy satria nieritreritra hoe tsy raharahain’Andriamanitra izy na mino azy na tsia. (Joba 9:20-22) Nanizingizina i Joba hoe nanao ny marina izy. Ny olon-kafa anefa nahita hoe nihevi-tena ho marina mihoatra an’Andriamanitra izy.—Joba 32:1, 2; 35:1, 2.

Nisalasala i Lota ka tsy vitany na dia ny nandray fanapahan-kevitra tsotra sy mazava aza. Ratsy fitondran-tena be ny olona tao Sodoma sy Gomora, ka kivy be izy. “Nahatsiaro ho nijaly” izy noho ny zavatra nataon’izy ireo. (2 Petera 2:8) Nilaza Andriamanitra hoe handringana an’io tanàna io sady hamonjy an’i Lota sy ny fianakaviany. Mety hieritreritra ianao hoe i Lota no niala voalohany tao an-tanàna. Nitaredretra anefa izy. Naniraka anjely àry Andriamanitra mba hitantana azy ireo hivoaka an’ilay tanàna, amin’izay dia tsy ho faty izy ireo.—Genesisy 19:15, 16.

‘Nanaraka [an’Andriamanitra] tamin’ny fony manontolo i Davida ka tsy nanao afa-tsy izay mahitsy teo [imason’Andriamanitra].’—1 Mpanjaka 14:8

Tsy nahafehy tena i Davida, indray mandeha, ka nijangajanga tamin’ny vadin’olona. Te hanafina ny ratsy nataony izy, ka nasainy novonoina ny vadin’ilay vehivavy. (2 Samoela toko 11) Hoy ny Baiboly: “Ratsy teo imason’i Jehovah” ny zavatra nataon’i Davida.—2 Samoela 11:27.

Samy nanao fahadisoana i Joba sy Lota ary Davida. Ratsy be mihitsy aza ny nataon’ny sasany taminy. Ho hitantsika anefa fa te hanompo an’i Jehovah amin’ny fo manontolo izy ireo. Vonona ny hibebaka izy ireo ary vonona ny hiova raha ilaina izany. Tian’Andriamanitra àry izy ireo ary lazain’ny Baiboly hoe tsy nivadika.

INONA NY FIANARANA HO ANTSIKA?

Manao fahadisoana isika satria mpanota. (Romanina 3:23) Rehefa diso anefa isika, dia mila mampiseho hoe manenina ary manao an’izay azo atao mba hanarenana an’izany.

Inona no nataon’i Joba sy Lota ary Davida mba hanarenana ny fahadisoany? Olona tsy mivadika i Joba raha ny tena marina. Novany ny toe-tsainy ary nanenina tamin’ny zavatra nolazainy izy rehefa nampisaintsaina azy Andriamanitra. (Joba 42:6) Nitovy hevitra tamin’Andriamanitra i Lota ka hitany hoe ratsy ny fitondran-tenan’ny olona tao Sodoma sy Gomora. Ilay izy tsy nanao zavatra avy hatrany tamin’iny fotoana iny no olana. Niala tao amin’ireo tanàna horinganina ihany izy avy eo, ka tsy niharan’ny didim-pitsaran’Andriamanitra. Nankatò izy ka tsy niherika mba hijery ny zavatra nafoiny. Na dia nanao fahotana tena lehibe aza i Davida, dia hita ihany hoe tsara ny fony. Tena nibebaka izy ary nitalaho famindram-po tamin’Andriamanitra.—Salamo 51.

Tsy mitaky be loatra amin’ny olombelona tsy lavorary Andriamanitra ka tia sy nankasitraka an’ireo lehilahy ireo. Fantatr’Andriamanitra “tsara ny nanaovana antsika, ary tsaroany fa vovoka ihany isika.” (Salamo 103:14) Inona àry no takiny amintsika raha efa fantany hoe tsy maintsy hanao fahadisoana isika?

Fantatr’Andriamanitra “tsara ny nanaovana antsika, ary tsaroany fa vovoka ihany isika.”—Salamo 103:14

MPANOTA NEFA MAMPIFALY AN’ANDRIAMANITRA

Manampy antsika hampifaly an’Andriamanitra ny torohevitr’i Davida ho an’i Solomona zanany. Hoy izy: “Ianao, ry Solomona zanako, fantaro ilay Andriamanitry ny rainao, ka manompoa azy amin’ny fo manontolo.” (1 Tantara 28:9) Ahoana izany? Tokony ho tia an’Andriamanitra amin’ny fontsika isika ary te hahafantatra ny sitrapony sy hankatò azy. Tsy hoe tokony ho lavorary ny fontsika, fa tokony haniry mafy hanompo an’Andriamanitra isika ary ho vonona ny hahitsy. Nolazaina hoe “tsy nanan-tsiny” i Joba, “olo-marina” i Lota, ary “tsy nanao afa-tsy izay mahitsy” teo imason’Andriamanitra i Davida, satria tia an’Andriamanitra sy te hankatò azy. Afaka nampifaly an’Andriamanitra izy ireo na dia nanao fahadisoana aza.

Tokony ho tia an’Andriamanitra amin’ny fontsika isika ary te hahafantatra ny sitrapony sy hankatò azy ary haniry mafy hanompo azy

Raha nanenina àry isika satria nieritreri-dratsy, na niteny zavatra mahamenatra, na nanao zavatra tsy nety, dia tadidio ireo ohatra teo ireo. Fantatr’Andriamanitra fa mbola tsy lavorary isika izao. Manantena anefa izy fa ho tia azy sy hiezaka hankatò azy isika. Raha manao an’izany amin’ny fo manontolo isika, dia azo antoka fa hampifaly an’Andriamanitra koa.