Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

TANTARAM-PIAINANA

Nomen’i Jehovah Mihoatra An’izay Mendrika Ahy Aho

Nomen’i Jehovah Mihoatra An’izay Mendrika Ahy Aho

Vao 17 taona aho tamin’izay, ary nitovy tamin’ny ankamaroan’ny tanora ihany ny zavatra tiako sy nahaliana ahy. Tia nilomano sy nilalao baolina ary niaraka tamin’ny namako aho. Niova tampoka anefa ny fiainako. Tratran’ny loza mahatsiravina tamin’ny môtô aho, indray hariva, ka lasa nalemy teo amin’ny tendako no ho midina. Efa 30 taona teo ho eo izay no nitrangan’izany, ary tsy afa-nihetsika teto am-pandriana intsony aho.

Lehibe tany Alicante, any amin’ny morontsiraka atsinanan’i Espaina aho. Tsy nifandray am-po mihitsy ny fianakaviako, ka tsy nipetraka an-trano mihitsy aho, tamin’izaho mbola tanora. Nisy mpanao pne teo akaikinay. Anisan’ny mpiasa tao i José María, ary lasa mpinamana izahay. Tsy nisy niraharaha mihitsy aho tao an-trano, nefa izy tena nihaino ahy sy tia ahy. Rehefa nisy olana aho, dia hoatran’ny hoe rahalahiko mihitsy izy. Mpinamana be izahay na dia zokiko 20 taona aza izy.

Efa nianatra Baiboly tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah i José María tamin’izay. Tia Baiboly be izy ary matetika no niresaka tamiko momba ny fahamarinana nianarany tao. Nanaja azy aho ka nihaino azy, nefa tsy tena liana tamin’ny zavatra nolazainy. Mbola tanora aho tamin’izany, ka variana tamin-javatra hafa. Niova anefa izany.

NANOVA TANTERAKA NY FIAINAKO ILAY LOZA

Tsy dia tiako loatra ny mitantara an’iny loza iny. Ny azoko lazaina fotsiny dia hoe adala sy tsy nitandrina aho. Iray andro fotsiny dia niova ny fiainako. Tanora natanjaka be aho, nefa lasa nalemy sady tsy afa-nihetsika tao amin’ny hopitaly. Tsy nety nanaiky mihitsy ny saiko hoe tsy afa-mihetsika intsony ny vatako. Nieritreritra foana aho hoe: ‘Tsy aleoko ve maty raha hoatr’izao no iainana?’

Nitsidika ahy tany amin’ny hopitaly i José María. Nasainy nitsidika ahy haingana ny Vavolombelon’i Jehovah teo an-toerana. Nanohina ny foko ireny fitsidihana ireny. Nianatra Baiboly aho rehefa nivoaka ny hopitaly. Lasa haiko hoe nahoana ny olona no mijaly sy maty, ary nahoana Andriamanitra no mamela ny zava-dratsy hitranga. Nianarako koa hoe hataon’Andriamanitra feno olona lavorary ny tany amin’ny hoavy, ary tsy hisy olona hiteny intsony hoe: “Marary aho.” (Isaia 33:24) Sambany aho vao nahalala hoe misy zavatra tsara azoko antenaina.

Nandroso haingana be ny fianarako Baiboly rehefa nivoaka ny hopitaly aho. Nampiasa seza manokana misy kodiarana aho, ka afaka namonjy ny sasany tamin’ny fivorian’ny Vavolombelon’i Jehovah ary niara-nitory tamin’izy ireo. Natao batisa tao anaty koveta manokana aho, tamin’ny 5 Novambra 1988, tamin’izaho 20 taona. Nanampy ahy hifantoka amin’ny zavatra mampahery i Jehovah. Inona anefa no azoko atao mba hisaorako azy?

TSY NANAKANA AHY NY KILEMAKO

Tapa-kevitra aho fa hanao izay azoko atao amin’ny fanompoana an’i Jehovah, na dia eo aza ny kilemako. Te handroso aho. (1 Timoty 4:15) Tsy mora izany tamin’ny voalohany, satria nanohitra ahy ny fianakaviako. Soa ihany anefa fa teo ireo rahalahy sy anabavy mpiara-mivavaka tamiko. Nampian’izy ireo aho mba ho afaka hivory sy hitory foana.

Rehefa nandeha ny fotoana, dia hita hoe mila fikarakarana manokana sy mitohy aho. Nahita toeram-pitsaboana nety tsara ho an’ny olona manan-kilema ihany aho, rehefa nikaroka elaela. Eto Valence ilay izy, 160 kilaometatra atỳ avaratr’i Alicante. Nanomboka tamin’izay, dia lasa ato mihitsy aho no mipetraka.

Tapa-kevitra ny hiresaka ny zavatra inoako amin’ny hafa aho, na dia tsy afa-mihetsika eto am-pandriana aza

Na dia tsy afa-mihetsika eto am-pandriana aza aho, dia tapa-kevitra ny hanompo an’i Jehovah foana. Nahazo vola fanampiana aho noho izaho malemy. Izany no nahafahako nividy ordinatera, ary natao teo akaikin’ny fandrianako ilay izy. Nividy finday koa aho. Efa misy olona mamelona ny ordinaterako sy ny findaiko isa-maraina. Ny saokako no ibaikoako an’ilay fitaovana ikitihako ny ordinaterako. Misy hazokely manokana koa tazoniko amin’ny vavako. Iny no anoratako sy anindriako tarehimarika amin’ny findaiko.

Afaka manindry tarehimarika amin’ny findaiko amin’ny hazo aho

Tena manampy ahy ireo fitaovana ireo. Afaka mijery ny tranonkala jw.org sy ny Fitehirizam-bokin’ny Vavolombelon’i Jehovah aho. Mianatra sy mikaroka ao amin’ny boky sy gazety ara-baiboly aho mba hianarako momba an’Andriamanitra sy ny toetrany foana. Matetika aho no manao an’izany mandritra ny ora maromaro isan’andro. Rehefa manirery aho na kivy, dia misy zavatra mampahery ahy foana ao amin’ilay tranonkala.

Manampy ahy hihaino ny fandaharam-pivoriana sy handray anjara amin’ilay izy koa ny ordinaterako. Afaka mamaly teny, manao lahateny, mivavaka, ary mamaky Ny Tilikambo Fiambenana mihitsy aza aho, rehefa voatendry hanao izany. Na dia tsy afaka manatrika an’ireny fivoriana ireny aza aho, dia mahatsapa hoe tena anisan’ny fiangonana.

Manampy ahy hitory koa ny ordinaterako sy ny findaiko. Marina aloha fa tsy afaka mandeha mitory isan-trano hoatran’ny ataon’ny ankamaroan’ny Vavolombelon’i Jehovah aho. Mitory ihany anefa aho, ary ireo fitaovana ireo no ampiasaiko. Tena tiako ny mitory an-telefaonina, ka nasain’ny anti-panahy niandraikitra ny fitoriana an-telefaonina aho. Manampy an’ireo mpiara-mivavaka aminay tsy afaka mivoaka ny tranony izany.

Mampianatra Baiboly

Tsy hoe mihodinkodina amin’ny resaka teknolojia fotsiny anefa ny fiainako. Misy namako mitsidika ahy foana isan’andro. Mitondra ny havany sy ny namany liana amin’ny Baiboly izy ireo. Matetika aho no asain-dry zareo mitarika an’ilay dinidinika. Indraindray misy fianakaviana tonga mitsidika ahy, ary asain’izy ireo miaraka manao fotoam-pivavahana aminy aho. Mahafinaritra ahy ny mahita ankizikely mipetraka eo akaikiko sady miteny ny antony itiavany an’i Jehovah.

Faly miara-manao fotoam-pivavahana amin’ny namana

Tiako ny mandray vahiny be dia be. Matetika no feno olona ny efitranoko satria mitsidika ahy ny namako avy lavitra sy akaiky. Mahagaga ny mpikarakara ato amin’ny hopitaly mihitsy izany! Misaotra an’i Jehovah isan’andro aho satria navelany ho anisan’io fianakaviambe mahafinaritra io.

MBOLA MITOHY NY ADY MAFY

Rehefa misy olona miarahaba ahy sy manontany ny fahasalamako, dia hoy aho: “Izao mbola miady mafy izao e!” Fantatro hoe tsy miady irery aho. Miady an’ilay “ady tsaran’ny finoana” daholo isika Kristianina na inona na inona toe-javatra misy antsika na sakana eo amin’ny fiainantsika. (1 Timoty 6:12) Inona no nanampy ahy hiaritra nandritra an’izay fotoana lava be izay? Mivavaka isan’andro aho sady misaotra an’i Jehovah satria nataony misy dikany ny fiainako. Manao izay azoko atao eo amin’ny fanompoana an’Andriamanitra koa aho ary mifantoka amin’ilay fanantenana amin’ny hoavy.

José María

Matetika aho no mieritreritra an’ilay tontolo vaovao sy hoe hanao ahoana aho rehefa ho afaka hihazakazaka sy hitsambikina indray. Indraindray aho mananihany an’i José María, ilay namako be nefa lasa voan’ny lefakozatra, hoe raha mifaninana mihazakazaka izahay dia iza no handresy. Mamaly izy hoe: “Tsy ilay mandresy no zava-dehibe fa ilay tonga any amin’ny Paradisa, dia ho afaka hihazakazaka.”

Tsy mora tamiko ny nanaiky hoe lasa malemy aho. Fantatro hoe nanao hadalana aho tamin’ny mbola tanora, ka novidiko lafo ilay izy. Tena misaotra an’i Jehovah anefa aho satria tsy nahafoy ahy izy. Nomeny fianakaviana ara-panahy aho, lasa te ho velona indray, faly manampy olona, ary manantena zavatra tsara amin’ny hoavy. Raha hofehezina ao anatin’ny fehezanteny iray ny fihetseham-poko dia hoe be lavitra noho izay mendrika ahy no nomen’i Jehovah ahy.