Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

HIRA 153

Omeo Herim-po Aho

Omeo Herim-po Aho

(2 Mpanjaka 6:16)

  1. 1. Inona àry no hiseho?

    Matahotra aho, manahy.

    Nefa tsapako eo akaiky eo

    Ianao mitantana ahy.

    Mafy ny ady hosetraiko,

    Mahery ireo hiadiako.

    Nefa eo an-tananao ny aiko,

    Ianao no itokiako.

    (FIVERENANA)

    Jehovah, hatanjaho ny foko

    Hatoky foana hoe:

    Na dia maro ireo fahavalo,

    Ny momba ahy be dia be.

    Omeo herim-po aho,

    Hijoro ka ho sahy.

    Mba omeo herim-po aho,

    F’ianao no miady ho ahy.

  2. 2. Fantatro hoe malemy aho

    Raha tsy eo ianao hanampy.

    Nefa ny alokao no miaro ahy,

    Ianao no Vatolampy.

    Efa vonona aho ’zao

    Handeha hisetra onja.

    ’Zay mangeja ahy hovahanao,

    Na fasana io, na fonja.

    (FIVERENANA)

    Jehovah, hatanjaho ny foko

    Hatoky foana hoe:

    Na dia maro ireo fahavalo,

    Ny momba ahy be dia be.

    Omeo herim-po aho,

    Hijoro ka ho sahy.

    Mba omeo herim-po aho,

    F’ianao no miady ho ahy.

    (FIVERENANA)

    Jehovah, hatanjaho ny foko

    Hatoky foana hoe:

    Na dia maro ireo fahavalo,

    Ny momba ahy be dia be.

    Omeo herim-po aho,

    Hijoro ka ho sahy.

    Mba omeo herim-po aho,

    F’ianao no miady ho ahy.

    Mba omeo herim-po aho,

    F’ianao no miady ho ahy.