Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

HIRA 149

Hiram-pandresena

Hiram-pandresena

(Eksodosy 15:1)

  1. 1. Derao Jehovah Fa izy no Mahery Indrindra.

    Naringany avokoa Ireo tafik’i Farao.

    Tsisy toa azy,

    Ny anarany atao hoe Jehovah,

    Ary hiram-pandresena

    Atao ho azy irery ’zao.

    (FIVERENANA)

    Jehovah ô, tsy misy hoatr’anao,

    Ry Avo Indrindra, tsy miova hatrizay.

    Ny anaranao no hohamasininao,

    Tsy ho ela ianao handresy indray.

  2. 2. ’Reo firenena ’Zay manohitr’azy eto an-tany,

    Haringany ihany koa

    Amin’ny Hara-magedona.

    Hoporofoiny

    Fa izy tokoa no Jehovah,

    Ilay Mahery Indrindra,

    Ary mbola handresy foana.

    (FIVERENANA)

    Jehovah ô, tsy misy hoatr’anao,

    Ry Avo Indrindra, tsy miova hatrizay.

    Ny anaranao no hohamasininao,

    Tsy ho ela ianao handresy indray.