Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

HIRA 50

Manokan-tena ho Anao Aho, Jehovah

Manokan-tena ho Anao Aho, Jehovah

(Matio 22:37)

  1. 1. Raiso ho anao ny foko izao,

    Fa ho tia sy hanompo anao.

    Ny ato am-poko tiako haseho,

    Te hihira hanandra-peo.

  2. 2. Raiso ho anao ny tanako,

    Raiso ho anao ny fiainako.

    ’Zay harenako rehetra,

    Raiso ho anao tsy misy fetra.

  3. 3. Intỳ aho hanompo anao,

    Ary hanao ’zay sitrakao;

    Ka ny saiko manontolo,

    Ray ô, tiako ho anao daholo!