Hijery ny anatiny

FANAZAVANA ANDININ-TENY

Jaona 15:13: “Tsy Misy Manana Fitiavana Lehibe Noho Izao”

Jaona 15:13: “Tsy Misy Manana Fitiavana Lehibe Noho Izao”

 “Tsy misy manana fitiavana lehibe noho izao, dia ny mahafoy ny ainy ho an’ny namany.”​—Jaona 15:13, Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao.

 “Tsy misy manana fitiavana lehibe noho izao, dia ny manolotra ny ainy hamonjy ny sakaizany.”​—Jaona 15:13, Fandikan-teny Protestanta.

Inona no tian’ny Jaona 15:13 holazaina?

 Nanampy ny mpianany i Jesosy eo mba hahatakatra hoe mila mifankatia be ry zareo, ka ho vonona ny ho faty ho an’ny namany mihitsy, raha ilaina izany.

 Izao no nolazain’i Jesosy tamin’ny apostoly talohan’izy nilaza an’io andininy io: “Izao no didiko: ‘Mifankatiava ianareo, hoatran’ny nitiavako anareo.’” (Jaona 15:12) Hoatran’ny ahoana no nitiavan’i Jesosy azy ireo? Tsy tia tena i Jesosy fa nahafoy tena sy tena tia an’ireo mpianany. Tsy nifantoka tamin’ny tenany izy, nandritra ny fanompoany teto an-tany, fa nihevitra an’izay nilain’ny mpianany sy izay hahasoa azy ireo aloha. Tsy ny mpianany ihany anefa no nataony an’izany fa ny olon-kafa koa. Nanasitrana olona marary izy ary nampianatra azy ireo momba ny Fanjakan’Andriamanitra. a Nanao asa tokony hataon’ny mpanompo mihitsy aza izy mba hanampiana ny hafa. (Matio 9:35; Lioka 22:27; Jaona 13:3-5) Nampiseho fitiavana i Jesosy rehefa nanao an’izany. Lehibe lavitra noho izany anefa ilay fanehoam-pitiavana resahiny ao amin’ny Jaona 15:13. Tsy ela taorian’ny nilazany an’ireo teny ireo mantsy, dia vonona “hanome ny ainy ho vidim-panavotana ho takalon’ny olona maro” izy. (Matio 20:28; 22:39) Tsy misy manana fitiavana lehibe noho izany tokoa! Tena miavaka ny fomba nampisehoany hoe tiany mihoatra noho ny tenany ny olon-kafa.

 Tian’i Jesosy ny olombelona. Izay manaraka ny fampianarany anefa no tena tiany. Noheveriny ho namana akaiky ny mpianany satria izy ireo nankatò ny toromarika nomeny sy nifikitra taminy tao anatin’ny fitsapana nahazo azy. (Lioka 22:28; Jaona 15:14, 15) Vao mainka nandrisika azy hahafoy ny ainy ho azy ireo izany.

 Nampihatra ny tenin’i Jesosy ny Kristianina tamin’ny taonjato voalohany, dia vonona ho faty ho an’ny namany. (1 Jaona 3:16) Izany fitiavana lalina, hoatran’ny nasehon’i Jesosy, izany àry no lasa nahafantarana ny tena Kristianina.​—Jaona 13:34, 35.

Inona no voalazan’ny teny manodidina ny Jaona 15:13?

 Hita ao amin’ny Filazantsaran’i Jaona toko faha-13 ka hatramin’ny faha-17 ny hafatrafatra nomen’i Jesosy ny apostoliny 11 tsy nivadika. Hita ao koa ny vavaka farany nataony niaraka tamin’izy ireo. Maty izy ora vitsivitsy taorian’izay. Nilaza fanoharana i Jesosy ao amin’ny toko faha-15, mba hampisehoana hoe tokony hiezaka ny ho tafaray aminy foana ny mpianany. Raha manao an’izany mantsy izy ireo dia ho hita fa tena mpanara-dia azy. Nampitovin’i Jesosy tamin’ny sampam-boaloboka mamoa ny mpianany, ary nampirisihiny izy ireo mba ‘hamoa be foana.’ (Jaona 15:1-5, 8) Manao an’izany, ohatra, izy ireo rehefa tia ny olon-kafa sy mahafoy tena ho azy ireo. Tafiditra amin’izany ny fitoriana an’ilay hafatra notorin’i Jesosy, izany hoe “ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra.”​—Lioka 4:43; Jaona 15:10, 17.

 Jereo ity video fohy ity mba hahitanao ny mombamomba ny bokin’i Jaona.

a Fitondram-panjakana any an-danitra ny Fanjakan’Andriamanitra. Naorin’Andriamanitra izy io mba hitondra ny tany sy hanatanteraka ny sitrapony momba ny tany. (Daniela 2:44; Matio 6:9, 10) Raha mila fanazavana fanampiny ianao dia vakio ilay lahatsoratra hoe “Inona ny Fanjakan’Andriamanitra?