Hijery ny anatiny

Mety Foana ve ny Manome?

Mety Foana ve ny Manome?

Valiny ara-baiboly

 Mampirisika antsika ho tia manome ny Baiboly, ary antony tsara no tokony hanaovantsika an’izany. Nilaza koa i Jesosy hoe “mahasambatra kokoa ny manome noho ny mandray.” (Asan’ny Apostoly 20:35) Tsy ilay olona omena zavatra ihany no faly fa ilay manome koa.—Ohabolana 11:25; Lioka 6:38.

 Inona no mahatsara ny manome?

 Tsara ny manome raha vokatry ny fo ilay izy. Milaza ny Baiboly hoe: “Aoka ny tsirairay samy hanao araka izay fanapahan-keviny tao am-pony, tsy amin’alahelo na an-tery, fa ny mpanome amim-pifaliana no tian’Andriamanitra.”—2 Korintianina 9:7.

 Hankasitraka ny fivavahantsika koa Andriamanitra raha tia manome isika sady avy amin’ny fo no anaovantsika azy. (Jakoba 1:27) Faly izy rehefa malala-tanana amin’izay sahirana isika. Hoatran’ny hoe mampindrana vola an’Andriamanitra isika raha manao an’izany. (Ohabolana 19:17) Milaza ny Baiboly fa izy mihitsy no hanonitra an’izay nomentsika.—Lioka 14:12-14.

 Misy maharatsy azy ve ny manome?

 Eny, raha fitiavan-tena no mahatonga antsika hanome. Ohatra hoe:

 Raha efa fantatsika hoe zavatra tsy tian’Andriamanitra no hampiasan’ilay olona an’ilay fanomezana. Ohatra hoe hilokana na hifohana rongony na hisotroana toaka be loatra. (1 Korintianina 6:9, 10; 2 Korintianina 7:1) Tsy mety koa ny manome vola olona kamo miasa nefa afaka miasa tsara.—2 Tesalonianina 3:10.

 Raha variana manome olon-kafa isika, dia ny fianakaviantsika indray no lasa tsirambina. Milaza ny Baiboly hoe tsy maintsy mamelona ny ankohonany ny loham-pianakaviana. (1 Timoty 5:8) Tsy mety àry raha ny olon-kafa indray no omeny zavatra be dia be, fa ny fianakaviany zara raha omeny na tsy omeny mihitsy. Nilaza koa i Jesosy hoe tena ratsy raha tsy mety manome an’izay ilain’ny ray aman-dreniny efa be taona ny olona iray, satria hoe efa ‘natokany ho an’Andriamanitra’ ny fananany rehetra.—Marka 7:9-13.