Hijery ny anatiny

Afaka Mifehy ny Olombelona ve ny Devoly?

Afaka Mifehy ny Olombelona ve ny Devoly?

Valiny ara-baiboly

 Tena mifehy ny olombelona ny Devoly sy ny demonia. Izany no mahatonga ny Baiboly hilaza hoe: ‘Eo ambany fahefan’ilay ratsy izao tontolo izao manontolo.’ (1 Jaona 5:19) Ireto ny fomba sasany ifehezan’ny Devoly ny olombelona:

  •   Mamitaka. Milaza ny Baiboly fa tokony ‘hanohitra ny teti-dratsin’ny Devoly’ ny Kristianina. (Efesianina 6:11) Maro ny teti-dratsin’ny Devoly. Ataony, ohatra, izay hinoan’ny olona fa mpanompon’Andriamanitra ireo olona ampiasainy.—2 Korintianina 11:13-15.

  •   Asan’ny maizina. Mamitaka ny olona ny Devoly amin’ny alalan’ny mpanandro sy mpisikidy ary mpanontany amin’ny maty. (Deoteronomia 18:10-12) Lasa mora fehezin’ny Devoly ny olona rehefa mampiasa zava-mahadomelina, na manao hipnotisma, na manaraka fomba fisaintsainana manafoana ny saina.—Lioka 11:24-26.

  •   Fivavahan-diso. Mamitaka ny olona ny fivavahana mampianatra zavatra diso, ka mitarika azy ireo tsy hankatò an’Andriamanitra. (1 Korintianina 10:20) Antsoin’ny Baiboly hoe “fampianaran’ny demonia” ireny fampianaran-diso ireny.—1 Timoty 4:1.

  •   Miditra ao amin’ny olona. Resahin’ny Baiboly fa misy fanahy ratsy miditra ao amin’ny olona ary mifehy azy. Lasa jamba na moana ilay olona indraindray, na lasa mandratra tena.—Matio 12:22; Marka 5:2-5.

Inona no atao raha tsy te hofehezin’ny Devoly?

 Tsy voatery hatahotra hofehezin’ny Devoly foana isika, satria lazain’ny Baiboly fa afaka manohitra azy isika. Ireto avy no tokony hatao:

  •   Fantaro ny teti-dratsin’ny Devoly.—2 Korintianina 2:11.

  •   Mianara Baiboly ary ampiharo izay nianaranao. Raha mampihatra ny toro lalan’ny Baiboly ianao, dia ho voaro ka tsy ho voafehin’ny Devoly.—Efesianina 6:11-18.

  •   Poteho na dory ny zavatra rehetra misy ifandraisany amin’ny demonia. (Asan’ny Apostoly 19:19) Anisan’izany ny hira, boky, gazetiboky, sary, na video mampirisika ny olona hifandray amin’ny fanahy ratsy.