Hijery ny anatiny

Tena Misy ve ny Demonia?

Tena Misy ve ny Demonia?

Valiny ara-baiboly

 Eny. “Anjely nanota” tamin’Andriamanitra ny demonia. (2 Petera 2:4) I Satana Devoly no anjely voalohany nanao ny tenany ho demonia. Antsoina hoe “lehiben’ny demonia” izy ao amin’ny Baiboly.—Matio 12:24, 26.

Mpikomy tamin’ny andron’i Noa

 Tantarain’ny Baiboly fa nisy anjely nikomy, talohan’ny Safodrano tamin’ny andron’i Noa. Hoy ny Genesisy 6:2: “Tsikaritr’ireo zanak’Andriamanitra fa tsara tarehy ny zanakavavin’olombelona. Koa nalain’izy ireo ho vady izay rehetra nofidiny.” “Nandao ny fonenana sahaza azy” tany an-danitra ireny anjely ratsy ireny, ary nitafy vatan’olombelona mba hahafahany hanao firaisana amin’ny vehivavy.—Joda 6.

 Nialan’izy ireo ilay vatan’olombelona rehefa tonga ny Safodrano, ary niverina tany an-danitra izy ireo. Noroahin’Andriamanitra tsy ho anisan’ny fianakaviany anefa izy ireo. Nosazina izy ireo ka tsy navela hitafy vatan’olombelona intsony.—Efesianina 6:11, 12.