Hijery ny anatiny

Afaka Mivady ve ny Olona Samy Hafa Volon-koditra?

Afaka Mivady ve ny Olona Samy Hafa Volon-koditra?

Valiny ara-baiboly

 Tsy mandrara ny fanambadian’ny olona samy hafa volon-koditra Andriamanitra, satria aminy dia mitovy daholo ny olon-drehetra. Milaza ny Baiboly fa “tsy mizaha tavan’olona Andriamanitra”, izany hoe mitovy daholo ny fomba itondrany ny olona na inona na inona firenena niaviany.—Asan’ny Apostoly 10:34, 35.

 Ireto koa misy toro lalana hafa:

Mitovy ny razamben’ny olona rehetra na samy hafa volon-koditra aza izy ireo

 Ny olombelona rehetra dia samy taranak’i Adama, ilay lehilahy voalohany, sy Eva vadiny, izay antsoin’ny Baiboly hoe “renin’ny olombelona rehetra.” (Genesisy 3:20) Hoy ny Baiboly, momba an’Andriamanitra: “Avy tamin’ny olona anankiray no nanaovany ny olona any amin’ny firenena rehetra.” (Asan’ny Apostoly 17:26) Fianakaviana iray ihany àry ny olombelona rehetra, na inona na inona volon-kodiny. Inona anefa no azonao atao raha manjaka ny fanavakavahana any amin’ny tany misy anao?

Miara-midinika ny olona malina

 Hitantsika teo fa tsy mandrara ny fanambadian’ny olona samy hafa volon-koditra Andriamanitra. Tsy ny olon-drehetra anefa no manaiky an’izany. (Isaia 55:8, 9) Raha te hanambady olona tsy mitovy volon-koditra aminao àry ianao, dia tsara raha miara-midinika an’ireto fanontaniana ireto ianao sy ilay olona kasainao ho vady:

  •   Ahoana no hiatrehanareo ny olana mety hitranga eo amin’ny fiaraha-monina na eo anivon’ny fianakavianareo?

  •   Ahoana no hanampianareo ny zanakareo hiatrika ny fanavakavahana?

 Ho sambatra ny tokantranonareo, raha miara-midinika mialoha an’izany ianareo.—Ohabolana 13:10; 21:5.