Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

JW LIBRARY

Hampiditra JW Library Raha Tsy Tafiditra Amin’ny Toerana Fakana Programa—Android

Hampiditra JW Library Raha Tsy Tafiditra Amin’ny Toerana Fakana Programa—Android

Azonao atao ny mampiditra JW Library amin’ny fitaovana Android na dia tsy tafiditra amin’ny toerana ofisialy fakana programa toy ny Google Play Store sy ny Amazon Appstore aza ianao. Afaka mampiasa ny JW Library APK ianao mba hampidirana azy.

Tokony halefanao ilay hoe “Installer applications de sources inconnues” na ilay hoe “Autoriser l’installation d’applications issues de sources inconnues” ao amin’ny firafitr’ilay fitaovana raha te hampiditra JW Library APK ianao. Vakio ny fanazavana momba ny fampiasana ny fitaovanao raha tianao ho hita ny fanaovana an’izany.

Araho ireto dingana manaraka ireto mba hakana sy hampidirana ny JW Library APK:

  1. Tsindrio ilay hoe Haka eto amin’ity pejy ity mba hitehirizana an’ilay rakitra APK ao amin’ny fitaovanao.

  2. Mankanesa any amin’ilay toerana misy an’ilay rakitra APK ary tsindrio ilay izy raha te hampiditra ny JW Library ianao.

Rehefa tafiditra ny JW Library APK, dia mila manamarina tsindraindray ianao sao dia misy version vaovao. Izao atao:

  1. Sokafy ny Paramètres ao amin’ny JW Library ary jereo hoe version firy ilay izy.

  2. Raha ambany noho ny version misoratra etsy ambany ny anao, dia alaivo sy ampidiro indray ilay rakitra APK. Araho ny dingana etsy ambony.

 

Version: 14.3 (408605)