Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

JW LIBRARY

Hanoritra Teny: iOS

Hanoritra Teny: iOS

Afaka manoritra teny na fehezanteny ianao, rehefa mianatra sy mamaky boky na zavatra hafa ao amin’ny JW Library.

Araho ireto toromarika ireto rehefa hanoritra teny:

 Hanoritra teny

Misy fomba roa azonao atao raha te hanoritra teny ianao.

Tsindrio elaela ny teny iray fidinao. Azonao akisaka mankany aloha na mankany aoriana ny sisiny amin’ilay teny, mba hifidianana an’ireo teny tianao hosoritana. Hisy sokajy maromaro hiseho avy eo. Tsindrio ilay hoe Hanoritra, ary fidio izay loko tianao hampiasaina.

Azonao atao koa anefa ny hoe tsindrianao elaela kely ny teny iray sady akisakao ihany ny rantsantananao, raha tianao ny hanoritra teny na fehezanteny. Tonga dia hiloko daholo izay teny nofidinao. Hiseho vetivety avy eo ilay sokajy maromaro. Azonao ovana ilay loko na koa esorina izay efa nolokoanao.

 Hanova ny lokon’izay nosoritana

Tsindrio ny teny nosoritanao, raha tianao hovana ny lokony. Fidio avy eo izay loko hafa tianao. Tsindrio ny teny nosoritanao, ary avy eo ilay hoe Hanafoana, raha tianao hesorina izay efa nolokoanao.

Tao amin’ilay JW Library 1.6 nivoaka tamin’ny Novambra 2015 no nisy an’ireo zava-baovao ireo. Mandeha tsara amin’ny iOS 7.0 na taorian’izay izy ireo. Raha tsy mahita an’ireo zava-baovao ireo ianao, dia jereo ilay hoe “Hampiasa JW Library: iOS”, ao amin’ilay hoe Fanavaozana farany.