Hijery ny anatiny

Fanazavana Teny

Fanazavana Teny

Misaotra anao liana hanao tatitra momba ny zavatra ataon’ny Vavolombelon’i Jehovah. Ho hitanao ato amin’ity fanazavana ity ny teny fampiasan’ny fikambananay sy ny fomba fanoratra an’ilay izy. Raha misy tianao hanontaniana momba ny foto-kevitra tsy voaresaka ato, dia azonao atao ny miantso ny biraon’ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah.

anabavy: Vehivavy vita batisa, eo amin’ny Vavolombelon’i Jehovah. Atao sora-madinika rehefa filazana ankapobeny. Rehefa miaraka amin’ny anaran’ilay vehivavy Vavolombelona kosa dia atao hoe “Ranabavy”, ka atao sora-baventy ny “R” (ohatra: Ranabavy Rasoa). Tsy anaram-boninahitra ny hoe “anabavy” na “Ranabavy.” Atao sora-baventy koa ny “R” amin’ny hoe “Rahalahy” rehefa iantsoana lehilahy Vavolombelona (ohatra: Rahalahy Rakoto).

anti-panahy: Lehilahy Vavolombelona matotra, voatendry hampianatra an’ireo anisan’ny fiangonana sy hikarakara an’izay hahasoa azy ireo. Tsy maintsy miezaka foana ny anti-panahy mba hahafeno ny fepetra ara-baiboly voalaza ao amin’ny 1 Timoty 3:1-7; Titosy 1:5-9; Jakoba 3:17, 18; ary 1 Petera 5:2. Tsy karamaina ny anti-panahy, ary tsy mpiasan’ny fiangonana misy azy na ny fikambanana miara-miasa amin’ny Vavolombelon’i Jehovah. Miasa ny ankamaroan’ny anti-panahy mba hamelomana ny tenany sy ny fianakaviany. Tsy mpitondra fivavahana ny anti-panahy, ary tsy hoe avahana amin’ny Vavolombelona hafa ry zareo. Tsy anaram-boninahitra akory ny hoe “anti-panahy.”

Betela, Betelita, fianakavian’ny Betela: Teny hebreo midika hoe “Tranon’Andriamanitra” ny hoe “Betela.” Antsoina hoe “Betela” ny toerana ampiasain’ny Vavolombelon’i Jehovah mba hitarihana sy hikarakarana ny asa ataon-dry zareo mifanaraka amin’izay lazain’ny Baiboly, ao amin’ny tany na faritra iray. Antsoina hoe “Betelita” ny Vavolombelona miasa ao amin’ireny toerana ireny, ary anisan’ny fikambanana ara-pivavahan’ny Vavolombelona izy ireo. Tsy karamaina izy ireo. Ry zareo rehetra ao amin’ny Betela no antsoina hoe “fianakavian’ny Betela”, satria miara-mipetraka sy miara-miasa ary miara-manompo an’Andriamanitra ao amin’ireny toerana ireny ry zareo, hoatran’ny fianakaviana iray ihany. Tsy anaram-boninahitra akory ny hoe “Betelita.”

biraon’ny sampana: Ny foibe eo an-toerana iasan’ny Komitin’ny Sampana, ary ampiasaina mba hikarakarana sy hanaraha-maso ny asa ara-pivavahana ataon’ny Vavolombelon’i Jehovah ao amin’ny tany iray na maromaro. Hafohezina hoe “sampana” izy io indraindray.

Efitrano Fivoriamben’ny Vavolombelon’i Jehovah: Toeram-pivavahana lehibe an’ny Vavolombelon’i Jehovah, ary ampiasaina mba hivorian’ny fiangonana maromaro ao anatin’ny faritra iray. Antsoina koa hoe “Efitrano Fivoriambe” izy io.

Fahatsiarovana ny nahafatesan’i Kristy: Fahatsiarovana ny nahafatesan’i Jesosy Kristy ankalazaina isan-taona. Antsoina koa hoe Sakafo Harivan’ny Tompo, Fanasan’ny Tompo, Fahatsiarovana, na Fahatsiarovana ny Nahafatesan’i Jesosy. Amin’ny Vavolombelon’i Jehovah, dia io no fotoan-dehibe miavaka indrindra ao anatin’ny taona, ary io irery no fankalazana ara-pivavahana nasain’i Kristy nataon’ny mpanara-dia azy.​—Lioka 22:19, 20.

 fanompoana eny amin’ny saha: Ny fanompoana ataon’ny Vavolombelon’i Jehovah, mifanaraka amin’ilay baikon’i Jesosy hoe tokony hotorina amin’ny olona “maneran-tany” ny “vaovao tsaran’ilay Fanjakana”, ho “vavolombelona amin’ny firenena rehetra.”​—Matio 24:14; 28:19.

faritra: Fiangonan’ny Vavolombelon’i Jehovah maromaro ao amin’ny faritra iray.

fiangonana: Vavolombelona maromaro miara-mivory tsy tapaka mba hanompo an’Andriamanitra. Misy anti-panahy maromaro voatendry hitarika ny fandaharana samihafa hampianarana Baiboly sy hanomezana tari-dalana ara-panahy an’ilay fiangonana manontolo na ny olona tsirairay. Azon’ny olona rehetra atrehina ny fivorian’ny fiangonana, ary tsy misy vidim-pidirana sady tsy misy fanantazan-drakitra.

Filan-kevi-pitantanan’ny Vavolombelon’i Jehovah: Anti-panahy vitsivitsy voatendry hikarakara ny zavatra ara-panahy ilain’ny Vavolombelon’i Jehovah eran-tany. Matetika izy io no afohezina hoe “Filan-kevi-pitantanana.” Ry zareo no manomana an’izay avoaka ao amin’ny boky sy gazety ara-baiboly. Marina hoe ny Filan-kevi-pitantanana no mitarika sy mandrindra ny zavatra ataon’ny Vavolombelona eran-tany. Amin-dry zareo anefa, dia i Jesosy Kristy ihany no Mpitarika ny Vavolombelon’i Jehovah. Any amin’ny Foiben’ny Vavolombelon’i Jehovah any Warwick, New York, any Etazonia ny biraon’ny Filan-kevi-pitantanana.

fitoriana: Jereo ny hoe  fanompoana eny amin’ny saha.

fivoriambe: Jereo ny hoe  fivoriamben’ny faritra sy  fivoriamben’ny vondrom-paritra ary  fivoriambe iraisam-pirenena.

 fivoriambe iraisam-pirenena: Fivoriana telo andro alamin’ny Vavolombelon’i Jehovah mba hiarahana manompo an’Andriamanitra sy hahazoana fampianarana avy ao amin’ny Baiboly, ary atao any amin’ny toerana samihafa eran-tany. Misy Vavolombelona avy any amin’ny firenena samihafa asaina hanatrika. Azon’ny olona rehetra atrehina ireny fivoriambe ireny, ary atao mba hanampiana ny mpanatrika ho lasa akaiky kokoa an’Andriamanitra sy hanampiana ny Vavolombelon’i Jehovah eran-tany hiray saina kokoa. Matetika no atao any amin’ny toerana hofana ny fivoriambe iraisam-pirenena, ny zoma hatramin’ny alahady. Tsy misy vidim-pidirana sady tsy misy fanantazan-drakitra amin’ireny fivoriambe ireny.

 fivoriamben’ny faritra: Fivoriana iray andro ataon’ny fiangonan’ny Vavolombelon’i Jehovah maromaro, ary atao indroa isan-taona. Azon’ny olona rehetra atrehina ny fivoriamben’ny faritra, ary nomanina mba hanampiana ny olona ho lasa akaiky kokoa an’Andriamanitra. Mandritra an’ilay fivoriambe, dia misy soso-kevitra manampy ny mpanatrika rehetra, na firy taona izy na firy taona, mba handray soa avy amin’ny torohevitra omen’ny Baiboly. Misy fampisehoana kely koa ahitana ny fomba azo ampiharana ny torolalan’ny Baiboly eo amin’ny fiainana andavanandro. Matetika ilay fivoriambe no atao any amin’ny Efitrano Fivoriamben’ny Vavolombelon’i Jehovah. Azo atao any amin’ny toerana hofana koa ilay izy, na jerena amin’ny alalan’ny Internet. Matetika no atao amin’ny faran’ny herinandro ilay fivoriambe. Tsy misy vidim-pidirana sady tsy misy fanantazan-drakitra ilay fivoriambe.

 fivoriamben’ny vondrom-paritra: Fivoriana maharitra telo andro atrehin’ny fiangonana maromaro ao anatin’ny faritra iray, ary natao hampirisihina ny rehetra hifandray tsara amin’Andriamanitra. Azon’ny rehetra atrehina izy io. Mandritra an’ilay fivoriambe, dia misy soso-kevitra manampy ny mpanatrika rehetra, na firy taona izy na firy taona, mba handray soa avy amin’ny torohevitra ao amin’ny Baiboly. Misy fampisehoana ahitana ny zava-mitranga amin’ny fiainana andavanandro sy fampisehoana ahitana tantara ao amin’ny Baiboly amin’ilay fivoriambe, mba hampisehoana hoe ahoana no ampiharana ny torolalan’ny Baiboly. Atao any amin’ny toerana lehibe hofana ny fivoriamben’ny vondrom-paritra sasany, ohatra hoe any amin’ny kianja filalaovana. Atao any amin’ny Efitrano Fivoriamben’ny Vavolombelon’i Jehovah koa ny fivoriamben’ny vondrom-paritra kely kokoa. Atao ny zoma ka hatramin’ny alahady ilay fivoriambe atrehina mivantana. Tato ho ato dia alaina video mialoha ilay fandaharana manontolo, dia azo alaina ao amin’ny Internet. Hoatran’ny amin’ny fivoriana rehetra alamin’ny Vavolombelon’i Jehovah ihany, dia tsy misy vidim-pidirana ilay izy sady tsy misy fanantazan-drakitra.

fivoriana andavanandro: Fivoriana ataon’ny fiangonana isan-kerinandro, ary matetika atao amin’ny hariva. Antsoina hoe Ny Fiainantsika Kristianina sy ny Fanompoana io fivoriana io, ary misy fizarana telo. Natao hanampiana ny Vavolombelona ho lasa mpitory mahay kokoa izy io. Hoatran’ny amin’ny fivoriana rehetra alamin’ny Vavolombelon’i Jehovah ihany, dia tsy misy vidim-pidirana sady tsy misy fanantazan-drakitra ny fanatrehana an’ilay izy mivantana na amin’ny alalan’ny vidéoconférence.

Fivoriana ho An’ny Besinimaro: Fivoriana ataon’ny fiangonana isan-kerinandro, matetika amin’ny faran’ny herinandro. Misy lahateny ara-baiboly ho an’ny besinimaro aloha, ary maharitra 30 minitra ilay izy. Avy eo dia misy Fianarana Ny Tilikambo Fiambenana, izay fiaraha-midinika foto-kevitra ara-baiboly maharitra adiny iray. Lahatsoratra iray ao amin’ny Tilikambo Fiambenana gazety fianarana no dinihina amin’izay. Hoatran’ny amin’ny fivoriana rehetra alamin’ny Vavolombelon’i Jehovah ihany, dia tsy misy vidim-pidirana sady tsy misy fanantazan-drakitra ny fanatrehana an’ilay izy mivantana na amin’ny alalan’ny vidéoconférence.

Gileada, Sekolin’i Gileada: Fanafohezana ny hoe Sekoly Ara-baibolin’i Gileada, izay natomboka tamin’ny 1943. Natao hampiofanana an’izay nianatra tao ho lasa misionera io sekoly io tamin’ny voalohany. Amin’izao kosa mandalina Baiboly izay Vavolombelon’i Jehovah asaina hanatrika an’ilay sekoly maharitra dimy volana. Atao sora-madinika ny “s” amin’ny hoe “sekoly” rehefa mandeha irery.

Jehovah: Anaran’ilay Mpamorona sy Andriamanitra mahery indrindra, araka ny resahin’ny Soratra Masina. (Salamo 83:18) Tsy ampiasaina hilazana ny olona iray Vavolombelon’i Jehovah ny hoe “Jehovah.”

Jesosy Kristy: Ilay Zanak’Andriamanitra lahitokana. (Jaona 3:16) Amin’ny Vavolombelon’i Jehovah, dia i Jesosy Kristy no Mpitarika azy ireo, ary miezaka manahaka ny ohatra nomeny sy manaraka ny fampianarany izy ireo. Amin’ny Vavolombelona, dia i Jesosy Kristy no lehilahy niavaka indrindra teto an-tany, izy no Vavolombelon’i Jehovah lehibe indrindra, ary izy no hampiasain’i Jehovah Andriamanitra mba hamonjena ny olombelona.​—Isaia 9:6, 7; Apokalypsy 1:5.

Komitin’ny Sampana: Isaky ny biraon’ny sampana, dia misy anti-panahy telo na mihoatra voatendry ho Komitin’ny Sampana mba hanara-maso ny asa ao amin’ny tany iray na maromaro iandraiketan’io sampana io.

Mifohaza!: Gazety avoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah sy zarainy amin’ny olona. Tamin’ny 1919 izy io no navoaka voalohany tamin’ny teny anglisy, ary Golden Age (Fotoam-pahasambarana) no anarany tamin’izany. Novana hoe Fampiononana (frantsay) ny anarany tamin’ny 1937. Tamin’ilay gazety nivoaka tamin’ny 22 Aogositra 1946 no novana hoe Mifohaza! ny anarany. Nofidina ilay anarana hoe Mifohaza! mba hanampiana ny mpamaky hahatakatra ny dikan’ny zava-mitranga eran-tany. Anisan’ny gazety miely indrindra eran-tany izy io.

misionera: Vavolombelona vita batisa tendren’ny Filan-kevi-pitantanan’ny Vavolombelon’i Jehovah ho any amin’ny toerana samihafa eran-tany. Vonona ny handao ny tranony ry zareo dia mety hifindra any an-tany hafa mba hampielezana ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana.​—Matio 24:14.

mpiandraikitra ny faritra: Anti-panahy za-draharaha manaraka ny tari-dalan’ny biraon’ny sampana. Mitsidika ny fiangonana tsirairay ao anatin’ny faritra iray, matetika indroa isan-taona, ilay anti-panahy (sy ny vadiny, raha manambady izy). Miezaka mampahery ny olona eo anivon’ny fiangonana tsirairay izy. Mampahery ny anti-panahy sy ny mpikarakara fiangonana koa izy, sady manome toromarika ho an-dry zareo. Manomana hevitra voafaritra tsara hampianarana ny fiangonana tsirairay ny mpiandraikitra ny faritra. Tsy anaram-boninahitra akory ny hoe “mpiandraikitra ny faritra.”

mpikarakara fiangonana: Lehilahy Vavolombelona matotra sady tia an’Andriamanitra, ary voatendry hanampy ny anti-panahy amin’ny fikarakarana ny fiangonana. Tsy maintsy miezaka foana hahafeno an’ireo fepetra ara-baiboly voalaza ao amin’ny 1 Timoty 3:8-10, 12, 13 sy Titosy 2:6-8 ny mpikarakara fiangonana. Mikarakara zavatra be dia be eo anivon’ny fiangonana ny mpikarakara fiangonana. Tsy karamaina izy ireo, ary tsy mpiasan’ny fiangonana misy azy na ny fikambanana miara-miasa amin’ny Vavolombelon’i Jehovah. Miasa ny ankamaroan’ny mpikarakara fiangonana mba hamelomany ny tenany sy ny fianakaviany. Mety hahafeno fepetra ho lasa anti-panahy ny mpikarakara fiangonana sasany, rehefa mandeha ny fotoana. Tsy anaram-boninahitra ny hoe “mpikarakara fiangonana.”

mpisava lalana: Ilazana Vavolombelona vita batisa izay manokana ora voafaritra tsara amin’ny asa fitoriana sy fampianarana. Matetika no fanafohezana ny hoe “mpisava lalana maharitra” ny hoe “mpisava lalana.” Mpitory manokana 600 ora isan-taona (50 ora isam-bolana) amin’ny asa fitoriana sy fampianarana ny mpisava lalana maharitra. Indraindray koa hafohezina hoe “mpisava lalana” ny hoe “mpisava lalana mpanampy.” Ny mpisava lalana mpanampy indray manokana 15 na 30 ora ao anatin’ny iray volana na volana maromaro misesy amin’ny asa fitoriana sy fampianarana. Tsy karamaina hitory sy hampianatra izy ireo, ary tsy mpiasan’ny fiangonana misy azy na ny fikambanana miara-miasa amin’ny Vavolombelon’i Jehovah. Miasa ny ankamaroan’ny mpisava lalana mba hamelomany ny tenany. Tsy anaram-boninahitra ny hoe “mpisava lalana.”

mpitory: Ilazana an’izay mandray anjara amin’ny fitoriana sy fampianarana, ary anisan’ny fiangonan’ny Vavolombelon’i Jehovah. Mahafeno fepetra ho mpitory ny olona iray rehefa mahazo tsara sy mino ny fampianarana fototra ao amin’ny Baiboly, ary mampihatra ny torolalan’Andriamanitra eo amin’ny fiainany. Tsy karamaina hitory sy hampianatra ny mpitory, ary tsy mpiasan’ny fiangonana misy azy na ny fikambanana miara-miasa amin’ny Vavolombelon’i Jehovah. Tsy anaram-boninahitra ny hoe “mpitory.”

Ny Soratra Masina​—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao: Anarana feno ilazana ny Soratra Hebreo (“Testamenta Taloha”) sy ny Soratra Grika (“Testamenta Vaovao”) nadikan’ny Vavolombelon’i Jehovah sy navoakan’izy ireo. Azo antsoina koa hoe Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao izy io.

Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah: Anarana feno ilazana ny gazety avoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah sy zarain’izy ireo. Antsoina koa hoe Ny Tilikambo Fiambenana izy io. Izany no natao anaran’ilay gazety satria tena ilaina ny miambina mba hahitana ny fahatanterahan’ny ny fikasan’Andriamanitra. (Matio 24:42) Omena maimaim-poana an’izay olona te hamaky azy ny gazety Ny Tilikambo Fiambenana ho an’ny besinimaro. Ilay Tilikambo Fiambenana gazety fianarana kosa no anaovan’ny fiangonana eran-tany fiaraha-midinika isan-kerinandro. Efa hatramin’ny taona 1879 no namoahana Ny Tilikambo Fiambenana, ary mbola tsy tapaka mihitsy hatramin’izao. Anisan’ny gazety miely indrindra eran-tany izy io.

rahalahy: Lehilahy vita batisa, eo amin’ny Vavolombelon’i Jehovah. Atao sora-madinika rehefa filazana ankapobeny. Rehefa miaraka amin’ny anaran’ilay lehilahy Vavolombelona kosa dia atao hoe “Rahalahy”, ka atao sora-baventy ny “R” (ohatra: Rahalahy Rakoto). Tsy anaram-boninahitra ny hoe “rahalahy” na “Rahalahy.” Atao sora-baventy koa ny “R” amin’ny hoe “Ranabavy” rehefa iantsoana vehivavy Vavolombelona (ohatra: Ranabavy Rasoa).​—1 Petera 5:9.

 Vavolombelon’i Jehovah: Antokona Kristianina mivavaka amin’i Jehovah Andriamanitra sy manompo azy, sady mazoto mitory sy mampianatra Baiboly amin’ny fomba isan-karazany. Ny ifantohan’izy ireo amin’izany fampianarana Baiboly izany dia ny fitoriana ny vaovao tsara momba ny Fanjakan’Andriamanitra. (Matio 24:14) Mampiavaka azy ireo amin’ny fivavahana hafa io anarana io, satria fantatra amin’ilay izy hoe misolo tena an’iza izy ireo, sy hoe inona no asa fanompoana ataony an-tsitrapo amin’ny anaran’Andriamanitra. Efa mahavita an’ireto ny olona iray vao azo lazaina hoe Vavolombelon’i Jehovah: Mahazo tsara ny fampianarana fototra ao amin’ny Baiboly, mahafeno fepetra hitory miaraka amin’ny fiangonan’ny Vavolombelon’i Jehovah, ary atao batisa mba hahafantaran’ny olona hoe efa nanokan-tena ho an’i Jehovah Andriamanitra izy. Tokony hantsoina amin’ny anarany ofisialy hoe “Vavolombelon’i Jehovah” izy ireo rehefa resahina voalohany ao amin’ny lahatsoratra iray. Azo atao koa ny miantso azy ireo hoe “Vavolombelona.”​—Isaia 43:10.

Vavolombelon’i Jehovah​—Efitranon’ny Fanjakan’Andriamanitra: Toeram-pivavahana ampiasain’ny fiangonana iray na maromaro. Matetika izy io no antsoina hoe “Efitrano Fanjakana.” Iangaviana ianao mba tsy hiantso azy io hoe “eglizy” na “fiangonana.”

FANAMARIHANA: Rehefa miresaka voalohany momba ny Vavolombelon’i Jehovah ianao ao amin’ny lahatsoratra iray, dia iangaviana mba hampiasa an’ilay anarana feno hoe “Vavolombelon’i Jehovah.” Raha mila fanazavana fanampiny, dia jereo ilay hoe  Vavolombelon’i Jehovah.