Hijery ny anatiny

3 DESAMBRA 2014
DANEMARK

Danemark: Lasa Malaza ny Fitsaboana Tsy Ampiasana Ra, Noho ny Vavolombelon’i Jehovah

Danemark: Lasa Malaza ny Fitsaboana Tsy Ampiasana Ra, Noho ny Vavolombelon’i Jehovah

COPENHAGUE, any Danemark—Nilaza ny fampitam-baovao malaza any Danemark fa efa mampiasa fitsaboana hafa indray izao ny mpitsabo ao an-drenivohitra, fa tsy dia mampiditra ra intsony. Hoy ny gazety Kristeligt Dagblad: ‘Be dia be ny marary tsy nampidiran-dra nefa sitrana. Ny Vavolombelon’i Jehovah no nahatonga ny mpitsabo lasa tsy mampiasa ra rehefa mandidy.’ Misy 8000000 mahery ny Vavolombelon’i Jehovah eran-tany, ka 14000 mahery amin’ireo no any Danemark. Mampihatra ny zavatra inoany izy ireo, ka mitady ny fitsaboana tsara indrindra tsy misy fampidiran-dra.

Ny hopitaly any Danemark no malaza hoe be marary ampidiran-dra indrindra eran-tany. Raha ampitahaina amin’ny hopitaly hafa any Eoropa ny olona ampidiran-dra any, dia mety hahatratra avo roa heny mihitsy aza. “Ampirisihin’ny Vavolombelon’i Jehovah” anefa “ny dokotera mba hitady fitsaboana” ankoatra ny fampidiran-dra, na dia efa izay aza no nahazatra ny mpitsabo. Izany no lazain’ilay lahatsoratra hoe “Mahazo Vahana ny Fandidiana Tsy Ampiasana Ra”, ao amin’ny tranonkala fampitam-baovao Politiken. Lasa mitady fomba isan-karazany hampihenana ny ra very àry ny dokotera sasany rehefa mitsabo Vavolombelona. Mampiasa vitaminina misy érythropoïétine sy vy ary vitaminina B, ohatra, izy ireo alohan’ny fandidiana. Fanafody atao hoe antifibrinolytiques kosa no ampiasainy mandritra ny fandidiana. Milaza ny gazety The Copenhagen Post fa ‘Vavolombelon’i Jehovah dimy ka hatramin’ny folo, isan-taona, no didiana fo any amin’ny hopitaly iray any Aarhus’, ary tsy ampidiran-dra izy ireo.

Namorona fomba fiasa vaovao ny hopitaly Rigshospitalet, any Copenhague, tamin’ny 2009, mba hampihenana ny fampidiran-dra. Io no anisan’ny hopitaly tsara indrindra any Danemark, sady misy oniversite lehibe fiofanana ho mpitsabo.

Nahita porofo koa ny mpitsabo any Danemark hoe tena mampidi-doza ny fampidiran-dra. Namorona fomba fiasa vaovao ny hopitaly Rigshospitalet, any Copenhague, tamin’ny 2009, mba hampihenana ny fampidiran-dra. Nilaza ny gazety Berlingske fa be dia be ny marary nandray soa tamin’izany, satria “tsy nananosarotra ny fandidiana, ary lasa vitsy kokoa ny olona maty.” Nanaraka an’io fomba fitsaboana io ny ankamaroan’ny hopitaly tao an-drenivohitra, ary tsy ho ela dia hampihatra azy io koa ny hopitaly any amin’ny faritra hafa.

Hoy ny Dr. Morten Hansen, mpikaroka sady tompon’andraikitra ao amin’ny hopitaly Rigshospitalet: ‘Lasa nivoatra be mihitsy ny fitsaboana manerana an’i Danemark, rehefa tsy dia nampiasa ra ny mpitsabo, ary betsaka ny marary nandray soa tamin’ilay izy.’ Hita ao amin’ny gazety Berlingske izany teniny izany. Navoakan’ny gazety Kristeligt Dagblad sy ny Denmark Radio koa ny tenin’i Astrid Nørgaard, dokotera ao amin’io hopitaly io. Hoy izy: “Tsy ho nandroso be hoatr’izao ny fitsaboana tsy ampiasana ra, raha tsy teo ny Vavolombelon’i Jehovah.”

Nomerao azon’ny mpanao gazety antsoina:

Maneran-tany: J. R. Brown, Biraon’ny Filazam-baovao, tel. +1 718 560 5000

Danemark: Erik Jørgensen, tel. +45 59 45 60 00